MPITOLONA HO AMIN’NY FANDROSOAN’I MADAGASIKARA

---------------------------------------------------------------------------------------------------

FOIBE M. F. M

BAIKOM-PITOLOMANA LAHARANA VOALOHANY HO AN’NY M F M .

Mandray andraikitra hampandresy ny Kandidà Marc RAVALOMANANA ny MFM. Mandray an-tànana ny fandrafetana ny lisitry ny Mpifidy isaky ny birao fandatsaham-bato ny MFM.

Mifototra amin’ny lisitry ny Mpifidy marina ny fifidianana madio sy manaja ny safidim-bahoaka ary mitandro ny fahamarinana.

Ampahaefatry ny- Mpifidy (25 %) ny olom-pirenena tokony hifidy ihany no afaka nandatsa-bato tamin’ny fitsampan-kevibahoaka na référandum tamin’ny 1998 . 75 % ny olom-pirenena mpifidy izany dia noverezin-jo, tsy afaka nandatsa-bato. Fomba mamoafady isankarazany no ataon’ny fitondrana AREMA hampanjakana ny hosoka sy ny halatra mba hampandresena ny kandidany.

I - Toy izao no lalàna manankery mifehy ny fifidianana amin’ny 16 desambra 2001 momba ny fandrafetana ny lisitry ny Mpifidy.

Vaomiera telo (3) no mifandimby manao ny asa vao ara-dalàna ny lisitra.

1°) Vaomiera voalohany : mijoro ny vaomiera mpanisa ny Mpifidy ho an’ny biraom-pifidianana tsirairay (Commission de recensement des électeurs article 7 du code électoral).

Ny antoko politika , ny fikambanana mijoro ara-panjakana, ny fikambanana neken’ny fanjakana hanara-maso ny fifidianana, ny solotenan’ny Kandidà dia Mpikambana avy hatrany (membres de droit) ao amin’io vaomiera io.

Zo sy andraikitry ny MFM miaraka amin’ny Fokonolona izany ny mijoro sy hiady hiasan’io vaomiera io.

2°) Asam-panjakana kosa no mamarana ny lisitry ny Mpifidy voarafitry ny vaomiera voalohany mpanao ny fanisam-bahoaka.

Eo ambany fanaraha-mason’ny vaomiera voalohany no amaranan’ny Ben’ny Tanàna sy ny Delegem-panjakana ny lisitry ny Mpifidy. Izay no atao hoe « Commission administrative chargée d’arrêter la liste électorale ».

3°) Entina eo amin’ny Fokonolona ny lisitra nofaranan’ny Maires sy ny Délégués hotsaraina. Ny vaomiera misahana ny fitarainana sy ny fifanolanana hita eo amin’ny lisitra no mijoro hijery ny hadisoana hita mety hitranga eo amin’ny lisitra : Mpifidy tsy voasoratra anarana, anarana miverimberina, zaza tsy ampy taona voasoratra, olona efa maty novelomina indray, mpifindra monina hadino etc…(Commission chargée de statuer sur les réclamations et des contestations des listes électorales )- Art. 16 du Code Electoral )

Heloka ireo araka ny andininy 122 ao amin’ny code électoral. Amin’ny 11 Desambra 2001 vao mifarana ny fisoratana anarana.

II - Fomba mamoafady mifanohitra amin’ny lalàna manan-kery no ampiasain’ny fitondrana

AREMA hanaovany hosoka hampandreseny ny Kandidàny.

AN-TANAN-DEHIBE : Ireto no hosoka mpiseho ampiasain’ny fitondrana AREMA.

1°) Mpifidy omena karam-pifidianana sy karampanondro maromaro.

2°) Fitanterana olona avy ao amin’ny faritra iray handeha handatsa-bato ao amin’ny faritra irayhafa.

3°) Miaramila ampiakarina handatsa-bato an-tanàn-dehibe.

4°) Olona iray ampisalorana anarana maromaro mba hanomezana karampanondrom-pirenena sy kara-pifidianana maromaro.

5°) Ordonnance : vita sonia mialoha hozaraina maimaika hampandresena ny Kandidà AREMA.

Zaza tsy ampy taona, olona efa avy nandatsa-bato noraofina ampitondraina ireny ordonnances

ireny.

6°) Fanilihana olona ahiahina ho Mpanohitra sy tsy mankasitraka AREMA tsy ho voasoratra.

AMBANIVOHITRA :

Mifototra manontolo amin’ny fampihorohorona sy fampitahorana amin’ny fahefan-dRafanjakana ny tetika entina mandrafitra ny lisitry ny .Mpifidy.

1°) Iraky ny mpitondra fanjakana no mitety vohitra sy tànana mamantatra ny tanàna na ny

fianakaviana ahilika tsy ho isan’ny Mpifidy. Izay tanàna na fianakaviana malàza sy fanta-

pantatra ho mpanohitra fanjakana dia atao ambohon-kazomanga tsy ho isam-bahoaka.

2°) Tsy maintsy MAILO hatrany ny MFM fa na dia vita ara-dalàna aza ny fanisana ny Mpifidy

isan-tanàna dia tsy maintsy arahi-maso ny lisitra ataon’ny Commission administrative chargée

d’arrêter la liste électorale.

3°) Tsy kely làlana ny AREMA mpangala-bato fa amin’ny androm-pifidianana raha tsy mailo ny

MFM sy ny Mpanara-maso dia lisitra hafa no hiseho eo amin’ny birao fandatsaham-bato fa tsy

ilay lisitra voaara-maso tsy vita sonian’ny mpamarana ny lisitra araka ny lalàna. Tsy maintsy

mijoro sy mandray andraikitra ny MFM handrava ireo fomba mamoafady fanaon’ny AREMA

ireo.

Asam-pitolomana atrehan’ny MFM isan’ambaratonga isantsehatra hatramin’ny 11 desambra 2001 ny fandrafetana ny lisitry ny Mpifidy ho ara-dalàna hanajàna ny safidim-bahoaka, ho fiarovana ny zon’ny Mpifidy sy mba hampandresena ny fahamarinana.

Tsy ny fampielezan-kevitra mitabataba fotsiny na ny fifanasana vangy fa ny asa matotra sy mangina mila fiaretana sy fikirizana ary herim-po voasedra amin’ny fitetezana trano, kartie, vohitra sy tanàna no hipoiran’ny fahamarinana ka handresen’i kandidà Marc RAVALOMANANA hotronin’ny MFM.

KOA MIANTSO NY OLOM-PIRENENA TSIRAIRAY TSARA SITRA-PO, MITAKY NY FIOVAN’IZAO FITONDRANA IZAO HANDRAY ANDRAIKITRA HIARA-MIASA AMINY NY MFM.

N D A O  !

Antananarivo faha, 2 novambra 2001.

Ny Secrétaire Général,

 

G e r m a i n RAKOTONIRAINY.