NY FAMPANDRIAN-TANY NANDRAISAN'NY MPITONDRA, TAFI-

BAHOAKA ARY VAHOAKA ATY AMIN'NY FARITANIN'l

FIANARANTSOA ANDRAIKITRA.

Nandritry ny Repoblika faharoa (nitondran'Andriamatoa RATSIRAKA sy ny namany), tsy nisy fandriampahalemana eran'ny Ambanivohitra amin'ny Faritany enina eto MADAGASIKARA, ary nitondra faisana manokaria ny Faritanin'i Fianarantsoa . Rava fananana, namoy ny ainy ny olona, tsy maty manota tamin'ireo habibiana nampihariny ny dahalo.

Vonjy tavan'andro ireo " Opérations " nentin'ny fitondram-panjakana niatrika ny asandahalo . Tsy voafongotra hatr'ifotony ny ratsy: voakikin'ny fahalovana ny fitondram-panjakana. Nireharehan'ny dahalo ny fahafahany mividy Mpitondra ambony, Mpitsara, Mpitandro filaminana , Mpiasam-panjakana. Nivala-ketraka ny Olom-boafidy tao amin'ny filankevi-bahoakan'ny faritanin'i FIANARANTSOA tamin'izany fotoana izany, rehefa nahita fa ny "opérations " goavana tapaka fa hanampohana ny dahalo sy ombin-kalatra tany Sakavahaona, Keliberano, dia nahemotra mba ahafahana mampandositra mialoha ny mpangalatra omby.

Sandoka, andiovan'ombin-kalatra ny ankamaroan'ny bokin'omby ankatoavin'ny Delegem-panjakana .

Ny mbola fitohizan'ny asan-dahalo mambotry ny mponina amin'ny Fivondronana valo ambiny folo amin'ny telo ambiny roampolo ato amin'ny Faritanin'i Fianarantsoa no antony namorian'ny Filohan'ny Delegasiona manokana ato amin'ny Faritanin'i Fianarantsoa ny OMC, ka nandraisana ny fanampahan-kevitra fa hatrehina sy hofongorina ny asan-dahalo (nanararaotra ny faharetan'ny " crise Politique " koa mantsy ny dahalo ka nampitombo ny halatra isaky ny Faritra).

Tsy niandry ny hahavonona ny Budget sy ny Fampitaovana avy amin'ny Fanjakana foibe ny Mpitondra sy ny vahoakan'i Fianarantsoa.

Nifamory, nifampidinika ary nifampifehy ny Fokonolona, ny mpitantana DINA, ny Mpitandro filaminana, ny Mpitsara, ny Prefet , ny Sous-prefet , eo ambany fitarihan'i PDS Pety RAKOTONIAINA . Nodinihina ny tetika hamongorana ny halatr'omby hatrany IAKORA ka tonga any AMBOSITRA , hatrany AMBATOFINANDRAHANA ka tonga any amin'ny Faritra Atsimo Atsinanana. Niara-nandray anjara na ny Miaramila, na ny Zandary sy ny Polisy.

Nanao latsakemboka araka izay zakany ny sokajin 'olona samihafa hoenti-manana ny opération (vary, vola, fiara fitaterana, trano fivantanana, ary niavaka manokana ny fampiantranoan'ny Soeurs any IHOSY sy ANDONAKA AMBALAVAO).

VOKATRA AZO:

Omby mampiahiahy aman'arivony no voahorona isam-paritra. Rehefa voahaja ny fepetra niaraha-nametraka, dia betsaka ireo very omby no nahita indray ny fananany ary ny omby tsy misy mpitady atao " fourričre " .

• Voasambotra ary naiditra am-ponja avy hatrany ireo dahalo nahatratrarana ombin-kalatra sy fitaovam-piadiana .

• Mbola atao haza lambo ireo mbola miery miaraka amina fitaovam-piadiana

• Tsy andrenesana koka intsony izay faritra niasana.

• Miara-mametraka ny tetika maty paika, maharitra, iatrehana ny fandriampahalemana ireo tompon'andraikitra isan-tsehatra sy isan'ambaratonga mifampifehy ao anaty Opération . Ary ny eny Ambanivohitra dia efa mandamina an'izany ao anatin'ny tetik'asa entina mampandroso ny kaominina .

Ireo no andraikitra noraisin'ny mpitondra sy vahoaka ato amin'ny Faritanin'i Fianarantsoa.

Koa midika inona ny amboletra, tsy ifampierana amin'ny mpitandro filaminana isan-tsokajiny (Miaramila, Polisy, Zandary ), amin'ny mpitondra na any amin'ny fanjakana foibe, na aty amin'ny faritany, ataon'ny Jeneraly Filohan'ny ETAMAZAORON'NY Zandarimaria, Andriamatoa SAMBIHEVINY, hampijanona ny Opération ataon'ny Faritanin'i Fianarantsoa ?

Ny fahavononan'ny vahoakan'i Fianarantsoa nametraka ny fitondrana tarihin'ny Filoha RAVALOMANANA , tan-dalana hampanjaka ny fahamarinana no izao hita mitohy amin'ny fifampifehezana hiara mamongotra ny asan-dahalo izao .

Manelingelina tombotsoan'olom-bitsy, maizina, miorina amin'ny fahalovana mampanjaka ny asan-dahalo ve nv Opération atrehina aty Fianarantsoa ka baikoana tsy misy teny ierana no foanana

Hadino sahady ve fa nanahirana teto amin'ny firenena ny fampiraisana ny Tafi-bahoaka tao anatin'ireny fotoan-tsarotra natrehin'ny fiainam--pirenena ireny ka ahasahiana amin'izao fotoana izao manampoka rano mangatsiaka ny risimpon'ny Miaramila, Polisy , niara-nanana izao Opération izao amin'ny Zandary, ary anaovana vinavina fa ny Zandary irery no hiatrika ny Opération VAHORO ?

Tsotra sady hentitra ny fanapahan-kevitry ny herim-bahoaka aty Fianarantsoa, eo ambany fitarihan'i PDS Pety RAKOTONIAINA. Mandray andraikitra mametraka lamina amongorana ny asan-dahalo ka mitohy hahenika ny faritany ny Opération.

Manizingizina fa ny Opération VAHORO dia tokony handraisan'ny Miaramila, Zandary,Polisy,miaraka anjara.

Nionona tamin'ny fisavana bokin'omby izay hosoka ny ankamaroany noho ny fividianan'ny dahalo vola ny delegern-panjakana sy olom-boafidy, ireo opération teo aloha.

Opération manambotra dahalo , mahatafaverina omby very amin'ny tompony , ifandaminana sy ifarnpifehezan'ny vahoaka , ary anomezan'ny Tafi-bahoaka fampianarana ny vahoaka (fifampifehezana sy fahaizana enti-miady amin'ny dahalo , Encadrement Militaire) ny an'ny Faritanin'i Fianarantsoa.

Fifampitohizana sy fifamenoan'ny opération VAHORO amin'ny Opération nandraisan'ny vahoaka sy ny tafi-bahoaka tsy ankanavaka ary nahitana vokany no tokony ho izy. Ary hevitry ny vahoaka sy OMC aty amin'ny Faritanin'i Fianarantsoa izany.

Noho izany raha vao nahita ny OMC Faritany ny 15 Oktobra 2002 fa natomboka tsy nisy fifampilazana taminy ny fampidinana ny Zandary hanao ny opération VAHORO, dia nanampa-kevitra fa hanara-maso akaiky ny fizotrany mba tsy hahavoafafa ny dingana vita.

Voamarin'ny fisehoanjavatra ny ahiahin'ny OMC Faritany Fianarantsoa

Ny Alarobia 16 Octobre 2002 naharay tatitra avy amin'ny Fokonolona any ANDONAKA ny mpitondra ao amin'ny Faritany: ny zanak'i REMAHOMPY, dahalo mbola mitam-piadiana ary nitarika andian-dahalo nifampitifitra tamin'ny Miaramila sy fokonolona ny 12,13 Oktobra 2002 tany FENOARIVO, no hita mitari-dalana ny Zandary folo lahy manao ny Opération VAHORO.

Nanao tatitra ny Lefitry ny Ben'ny Tanŕna ao FENOARIVO, fa ny Alatsinainy hariva nahatongavan'ny VAHORO, dia nisy Zandary valopolo lahy nivantana amin'ny tobin'ny Zandarimaria, tsy mba nandalo amin'ny mpitondra ao amin'ny kaominina.

 Nantsoina, ny mpizaka amin'ny Dina ary nampamerenina omby amin'ny valilahin'i REMAHOMPY, miainga amin'ny fijerena ny bokin'omby, izay nolavin'ny opération nataon'ny fokonolona tafi-bahoaka ary mpitondra amin'ny Faritany.