MPITOLONA HO AN’NY FANDROSOAN’I MADAGASIKARA

M.F.M.

FANAMBARANA

Taorian’ny fivorian’ny mpikambana ao amin’ny Komity Foiben’ny antoko MFM (comité directeur) natao teto Antananarivo ny Alarobia 15 Mey 2003, dia manao izao fanambarana izao ny MFM :

Raha nalefa tamin’ny televizionam-pirenena (TVM) ilay fandaharana fanosoram-potaka sy fanalam-baràka natao tamin’ny PDS-n’ny faritanin’i Fianarantsoa teo aloha sady mpitarika MFM Pety Rakotoniaina tamin’ny Alatsinainy 12 Mey 2003 alina, dia fantatra fa tsy maintsy hisy zavatra hitranga aorian’io.

Nitranga tokoa ny fanakorontanana ny famoriam-bahoaka nokasain’ny KMMR natao teo anoloan’ny Kianjan’i Mahamasina. Mandeha koa ny resaka fa ao amin’ny Fitondram-panjakana ao, dia misy antokon’olona mitady hampisambotra an’i Pety Rakotoniaina sy mifofo ny ainy mihitsy aza.

Noho izany, dia mampitandrina ny MFM fa tsy hitondra soa ho an’ny Firenena, na hampandroso haingana ny fiharian-karena ny fanamparam-pahefana sy ny fampiasan-kery amin’ny fandaminana ny tsy fitovian-kevitra politika eo amin’ny fitondrana ny Tany sy ny Fanjakana.

Tsapa manko tamin’ireny faritra nandehanan’ny KMMR ireny, fa liam-baovao ny olona ary te handray anjara amin’ny adihevitra momba ny fampandrosoana ny firenena. Ankoatr’izay, dia tsy « tany maizina »intsony i Madagasikara satria efa mihamaro ny haino aman-jery (radio sy televiziona)miely patrana manerana ny Nosy.Izay olona na mpitondra manome baiko hoe « aza mamonjy ny famoriam-bahoaka atsy na aroa » no mbola mihevitra an’i Madagasikara ho « tany maizina ». Ho an’ny MFM, ny fanatrehana ny famoriam-bahoaka iray dia tsy midika avy hatrany fa mitovy hevitra amin’ny mpamory.

Mampahatsiahy ny MFM fa foto-kevi-dehibe iray nifanarahany tamin’ny Prezidà RAVALOMANANA fony izy Kandidà ny fampanjakana ny teny ierana sy ny demokrasia eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Zo arovan’ny Lalàm-panorenana koa ny famoriana olona ho filazan-kevitra.

Ka hadisoana tanteraka tsy eken’ny demokrasia ny fampiasan-kery hanakanana na handravana ny fivoriana. Tsy mendrika ny vanim-potoana iainantsika ny fampihorohoroana sy ramatahora hanampenam-bava izay tsy mitovy hevitra amin’ny tena.

Antananarivo, faha 16 Mey 2003

Ny Prezidà Nasionalin’ny MFM

MANANDAFY Rakotonirina