M.  F.  M.

Mpitolona ho amin'ny Fandrosoan'i Madagasikara

 VOVONANA

Antanetibe – Ivato: 07 – 08 okt. 2006

 

Ny Vovonana MFM

-         anatrehan'ny hakiviana sy famoizampon'ny Mpiray Firenena na amin'ny fihariana na amin'ny faripiainana,

-         anatrehan'ny safotofoto sy amboletra tsy misy demokrasia indrindra ny fifanandrinana politika volena eto Madagasikara,

-         anatrehan'ny fahaverezan'ny fitokisana an'i Madagasikara eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena

 DIA MANAPAKEVITRA FA:

-         Entina amin'ny ara-dalàna sy ny demokrasia ny fomba handraisana fitondrana.

-         Manohy mandray andraikitra ny MFM handaminana ny Firenena hanafoanana ny fifanandrinana sy ny tosika an-katoka politika.

-         Mandroso Tenierana vaovao ny MFM hotsarain'ny Mpiray Firenena hizorana amin'ny demokrasia sy ny fandrosoan'i Madagasikara.

 KOA:

-         Tapaky ny Vovonana fa handray anjara amin'ny fifidianana filohan'ny Repoblika ny MFM, ary manolotra kandida amin'ny anaran'ny MFM,

-         Manohy miasa amin'ny fomba rehetra ny MFM hahatomombana ny fepetran'ny demokrasia sy ny fahamarinana amin'ny fifidianana.

 Andriamatoa MANANDAFY Rakotonirina no kandida atolotry ny MFM.

 Ankinina amin'ny Kandida ny miantsoroka ny dinika sy fifampiraharahana

-         hahazoana ny fanohanan'ny hery politika sy sosialy rehetra ary ny seha-pihariana. Tsy latsa-danja amin'izany ny Vehivavy sy ny Tanora;

-         hahazoana mifarimbona amin'ny sehatra iraisam-pirenena sy ireo mpanampy amin'ny fampandrosoana eto Madagasikara.

Manafatra ny Kandida ny Vovonana hifandray amin'ny olonkendrin'ny Firenena sy ireo kandida izay mandàla ny demokrasia.

 Baikoin'ny Vovonana ny Faritra sy Vondrona MFM manerana an'i Madagasikara handamina sy hanamafy ny laharan'ny MFM ary hampatanjaka ny fahefan'ny MFM manetsika ny olom-pirenena hahazoan'ny Kandida MANANDAFY Rakotonirina ny fandresena.

 Lany teto Antanetibe – Ivato, androany 08 oktobra 2006

 A. a. VOVONANA

 ___________

Olivier RAKOTOVAZAHA

Secrétaire Général