M.F.M.

  TENY FANKASITRAHANA NY MPIFIDY
  TSY AJANONTSIKA EO AMIN'NY FIFIDIANANA
  NY FANDAMINANA SY FAMPIJOROANA NY DEMOKRASIA

  Maneho ny fankasitrahany ny Mpifidy ny MFM sy ny   Kandida natolony manerana an'i Madagasikara.
  Isaorana indrindra ny Vahoaka nifandray, nifanazava   hevitra ary nifankafantatra bebe kokoa tamin'ny MFM   tanatin'ny fifidianana teo.
  Hevitra lehibe nentin'ny MFM tamin'ny Mpifidy ary   hotohiziny hamasahana:
  - Ny fomba andaminana ny fanjakana
  - Ny firaisam-pirenena sy fampandrosoana isaky ny  faritra.
  HETAHETA FIOVANA
  Natao ny fifidianana mialohan'ny fotoana handaminana  ny fitondrana.
  Nampiseho ny hetahetany ny Mpifidy tamin'ny 15 desambra. Ny hanilika ny mpitondra teo aloha no hetahetan'ny faritra rehetra hanafoana ny fifanolanana sy ny amboletra politika.
  Mifampitohy indrindra amin'ny "Hafatry ny MFM" nambara ampahibemaso sy naely tamin'ny masoivoho samihafa ny 13 desambra izany.
  Ny dingana manaraka izao dia ny manova mihitsy ny  fandaminana ny fanjakana tsy handova ny tarazo gidragidra lava toy ny teo aloha. Izay no hampilamina sy hahafahana mandroso.
  Koa ny "Hafatry ny MFM" dia mitaona antsika ho mailo   ary hikaon-doha hametraka ny fandaminana vaovao ho   arofanina. Raha tsy izay ny aretina Teo aloha Ihany no  Miverina.
  ASA MITOHY AVY HATRANY NO ANILIHINA NY TARAZON'NY TEO   ALOHA.
  Manome toky ny Mpifidy ny MFM sy ny Kandida niaraka taminy fa hitana ny teny nomeny hampilamina sy   hampijoro ny demokrasia.
  DIOVINA NY FOMBA FIFIDIANANA
  Diovina ny fomba fifidianana satria ny Taloha Ihany no Miverina raha odiana tsy hita:
  - ny didy aman-dalàna nitondrana ny fifidianana (code électoral) tsy vita tenierana tamin'ny Antenimiera,
  paika nanararaotana ny hetahetam-bahoaka hampanjakana tokana ny antokon'ny mpitondra,
  - ny fampidirana an-tsehatra ny Filohan'ny Repoblika, ny fahefana sy hasiny izay andrim-panjakana an'ny
  Malagasy rehetra hampanekena kandidan'antoko iray,
  - ny fampiasana ny fahefana senatera sy ny  sainam-pirenena hanohanana kandida,
  - ny anarana Mpifidy an-jatony voafafa tanaty lisitra na tsy nahazo karatra,
  - ny fizarana entana hatramina bisikileta an-jatony  hanangolena Mpifidy.


  IKAONAN-DOHA NY FANDAMINANA NY FANJAKANA
  Ny gidragidra Taloha Ihany no Miverina raha tsy asiana   fandaminana vaovao ho arofanina:
  - ny mpitondra mpanao valifaty mitana am-ponja olona   tsy nanao heloka fa noho ny fifanolanana politika,
  - ny fahefan'ny Mpanatanteraka tsy misy setriny. Ny Antenimiera voafetra ho angady tsy mahatapaka ahitra
  tsy ifanaovana tenierana ka tsy mahalamina fanjakana.
  TSY AVELA HO TAON-DASA TSY TSAROANA NY FIFANOLANANA  VAO NANAHIRANA ANTSIKA.
  TSY TE-HANAN-DRATSY NY MFM.

  Antananarivo, 23 desambra 2002


  MANANDAFY Rakotonirina