TOKONY HIFANDAMINA IZAY HIFANINANA AMIN'Ing. RATSIRAKA

Fanjakana mafy hidy sy vaky balle no eto amintsika ankehitriny
(hoy Germain RAKOTONIRAINY)


_____________________________________________________________


Tsy nandrenesam-peo intsony izy teo ho eo fa toa sahala amin'ny nipirina tanteraka. Nipetrapetraka tokoa izy hatramin'ny 1998 no mankaty fa tsy niditra an-tsehatra tamin'ny hetsika mivantana intsony, kanefa dia mbola mitoetra ho mpanao pôlitika tanteraka na izany aza. Ing. Geramin Rakotonirainy io. Ankehitriny dia nipoitra indray izy ka maneho ny fahitany ny fanjakana sy ny fomba fiadiny ary izay tokony hataon'ny mpanohitra eo anatrehan'izany. "Famakafakana pôlitika tsy laroim-pirehana amin'ny maha-mpandinika pôlitika ny tenako no atolotro", hoy izy, ary amin'ny saina tony tanteraka no nanaovana izany. Koa amin'ny fahitany azy àry, dia fanjakana mafy hidy tokoa no eto amintsika amin'izao fotoana izao ka toy ny hoe jadona ny ahitan'ny ety ivelany tsy mba tafiditra ao aminy azy. Tsy dia izay loatra anefa fa mahita maminy tokoa aza izay ao anatiny fa "vaky balle" no ao, hoy izy, ka samy mifandrombaka izay mahasoa azy - teny fampiasan'ny mpivarotra friperie io nindraminy natao sarisary fanoharana io.
"Mihaja loatra ny hoe tantely afa-drakotra, fa io no tena mahalaza azy", hoy izy

FIFANOLANANA ANATINY.

"Mihidy an-trano ary tsara hidin-trano ny fanjakana". Tsy vao Ing. Germain Rakotonirainy no niteny toy izany, kanefa amin'ny fomba hafa noho izay faheno hatramin'izao no anehoany azy. Tsy trano iray fotsiny no mafy hidy toy izany, hoy izy, fa tanàna iray manontolo mihitsy ka ny Filoha Ratsiraka irery no manana ny lakileny. Ary izay rehetra atao eto dia fanidiana trano avokoa.

Ny faritany mizaka tena, ny Antenimieran-doholona, ny Antenimieram-pirenena, ny Kaominina, ny televiziona sy ny radiom-pirenena, ny Fitsarana, ny Fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana, ets... gadranà "vachette" avokoa ireny". Araka izany, hoy izy, raha hanongam-panjakana dia tsy maintsy mamaha an'ireny rehetra ireny. Sarotra izany ny hidirana amin'izay làlana izay. Indrindra fa samy vonona ny hiaro ny tanàna sy ny tranony avokoa izay rehetra ao anatiny fa tsy mahafoy ny tombontsoa azony ao. Samy mifandrombaka amin'ny "vaky balle", hoy ity mpitarika ao amin'ny MFM ity, ary samy mitondra mody. Ary dia notsahiviny moa ny tenin'ny minisitra iray ao amin'ny fitondrana ankehitriny manao hoe : "Tsy fotoanan'ny tolona intsony izao fa fotoanan'ny famenoana kitapo".

Fa ankoatra izany, dia asehon'Ing. Germain Rakotonirainy koa ny fomba fiadin'ny fanjakana. Hatramin'izay ka hatramin'izao. Ny antony izao, hoy izy, dia ny fampidirana fifanolanana sy fifandirana eo amin'ny samy vahoaka "mba hahavariana ny olona amin'ny adin'akoholahy". Tsy tongatonga ho azy, hoy izy, ny fipoiran'ny resaka fampifandrafesana ny andevo sy ny andriana amin'izao fotoana izao, fa "fandemena an'Antananarivo ireny". Efa paika nataon'i Mao Tse Toung sy i Kim Il Sung izany fametrahana "fifanolanana
anatiny izany". Dia ao koa, hoy ihany Germain Rakotonirainy, ny fandefasana tsaho toy ny hoe vehivavy mangarom-bava ankizy mahoraka be ankehitriny ity.

TOKONY HIFANDAMINA

Tonga ity ny fifidianana izay ho filoham-pirenena. Ahoana ny tokony ho fihetsik'izay hifaninana amin'Ing. Ratsiraka ? Nambaran'Ing. Germain Rakotonirainy fa fahadisoam-paika ("faute stratégique") ny misaina fihodinana faharoa. "Ny handresena eo amin'ny fihodinana voalohany no tokony hiomanana avy hatrany", hoy izy. "Mety ho vita izany tahaka ny nahatafita an'Idriss Derby tany Tchad!". Koa, araka ny heviny, mba hahatanteraka an'izany, dia tokony hifandamina ireo izay hifaninana amin'Ing. Ratsiraka, ohatra hoe tokony hijanona ny iray amin-dRatsirahonana sy Ravalomanana fa mifamono vato, na i Zafy Albert sy Rajakoba Daniel izay samy avy any avaratra, dia toy izany hatrany amin'ny faritany rehetra. Ny mety, hoy izy, dia olona telo ihany no miditra ka ny iray "challenger" (izay hoe izay tena azo heverina ho lany) ary ny roa "outsider" mpandoto rano fotsiny - nefa mety ho tafiditra ihany koa.

Tsy vitan'izay fa tokony hasiana fiheverana manokana koa ny amin'ny hala-bato, hoy ihany ity mpitarika ao amin'ny MFM ity. Tsy ao amin'ny biraom-pifidianana loatra no tena itrangan'izany, fa eny an-dalana miala avy ao ka hatrany amin'ny HCC. Amin'izany no mety hisianan'ny fiovan'ny "procès verbal" na ny fitanana an-tsoratra, ka mampitsimbadika tanteraka ny vokatra. Ary dia notsahiviny moa fa raha ny marina dia i Manandafy no tokony ho lany tamin'ny 1989 saingy...

Koa eo amin'izany lafiny izany indrindra, hoy izy, no tokony hanompanana ezaka betsaka. Mety ho azo iadian-kevitra angamba izany voalazany izany nefa misy ho eritreretina.

(Rafidy)

Lahatsoratra nivoaka an-gazety ny 20 Aogositra 2001, tao amin'ny gazety "Gazetiko".


___________________________________________________________________________