Samy tsy misy miteny aminŽny anaranŽny antoko na Ing Germain na Ing Olivier hoy ny sekretera jeneralinŽny MFM
25-08-2003 / 10:03


AnisanŽny noresahana na dia tsy taminŽny fomba mivantana aza, nandritra ny fivorianŽny MFM Analamanga, notontosaina tetsy aminŽny Falda Antanimena ny tsy fitoviam-pijery, raha izay no azo ilazana azy teo aminŽny sekretera jeneralinŽny antoko sy ny mpikambana sasantsasany ao.
Raha tsahivina dia ilay fanazavana nataonŽIng Germain Rakotonirainy tao aminŽny radio tsy miankina iray eto an-drenivohitra, izay nanakiana mafy ny fomba fiasanŽny mpitondra no nanehoany izay hevitra izay ary voafoaka taminŽizany ny mpikambana MFM ao anaty fitondrana. Nandritra io fivorianŽny MFM Antananarivo io moa no nilazanŽny mpandaha-teny fa nisy tsy fitovian-kevitra hatrany teo aminŽny mpikambana hatraminŽizay, saingy taminŽity indray mitoraka ity dia nankalazaina izany noho ny fisianŽireo antoko hafa efa vaky. Ny sekretera jeneralinŽny MFM moa dia taminŽny televizionina tsy miankina fa tsy nisy fifanatrehana taminŽny mpikambana namany no nanambara fa samy tsy nisy niteny taminŽny anaranŽny antoko MFM na ny tenany na ny mpanolo-tsaina manokanŽny FilohanŽny Repoblika.

Fehin-kevitra

Fa raha hiverenana ilay fivoriana tao aminŽny Falda dia nokendrenŽny MFM Antananarivo hanazavana aminŽny an-tsipiriany ny resaka mafanafana eo aminŽny samy mpikambana ka anisanŽizany ohatra fizotry ny toe-draharaham-pirenena, ny tanjona ary ny fifamatoranŽny hevitry ny MFM aminŽny pôlitika voafaritra ao aminŽny DSRP. Nitondrana fanazavana tao ihany koa ilay adihevitra manodidina ny tokony hamarotana na tsia aminŽny vahiny ny tany.

Marihina fa nisy taminŽny nanatrika ny fivoriana, ny sabotsy lasa teo io no resy lahatra ary misy kosa ny manome tsiny ny
mpitondra aminŽizay fanapahan-kevitra noraisiny izay. AnisanŽny fehin-kevitra tapaka taminŽio fotoana io ny hamoahanŽny MFM Antananarivo antotan-taratasy mirakitra ny resaka fananan-tany sy ilay fanafoanana ny hetra alaina aminŽny entana
sasantsasany ka ireny, hoy ny mpandaha-teny no haparitaka aminŽny mpikambana sy aminŽny olon-tsotra hifampitaizana sy
hampahafantarana azy ireo ny an-tsipiriany manodidina ireo lohahevitra roa ireo.

Voahangy R.

©Gazetiko