MARC RAVALOMANANA FILOHA

 

Mandresy amin’ny fihodinana voalohany tamin’ny fifidianana ho filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara tamin’ny 16 desambra 2001 i Marc Ravalomanana araka ny vokatrin’ny fanisam-bato eo am-pelatanan’ny Komity Manohana an’i Marc Ravalomanana (KMMR). Ny antoko MFM (Mpitolona ho amin’ny Fandrosoan’i Madagasikara) dia nilaza tamin’ny fanambarana nataony tamin’ny 2 Novambra teo fa i Didier Ratsiraka sy ireo mpomba azy, izay tsy mankasitraka ny fanjakana tan-dalàna ary zatran’ny lalan-dririnina, dia handà ny valim-pifidianana tsy mety aminy ka hanampatra ny fahefam-panjakana hisolokiana ny safidim-bahoaka (jereo : http : //perso.club-internet.fr/ nahoanik ).

Izany no mitranga ankehitriny. Koa ajoro isan-tsehatra, manerana ny nosy izao ny Komity Miaro ny Safidim-bahoaka (KMSB).

Ny antoko MFM, toy ny efa nandraisany andraikitra feno tao amin’ny KMMR (fanaraha-maso ny fananganana lisi-pifidianana, fampielezan-kevitra, fanisam-bato, fanangonana ny voka-pifidianana) dia manainga ny olom-pirenena Malagasy tsy an-kanavaka hiaro ny safidim-bahoaka.

MAILO ISIKA. NDAO!

Ny antoko MFM (http://perso.club-internet.fr/nahoanik)

Parisy, faha 27 desambra 2001

_________________________________________________

 

MARC RAVALOMANANA PRESIDENT

Selon les proces-verbaux collectés par le KMMR (Comité de soutien du candidat Marc Ravalomanana) dont le MFM (Parti Militant pour le Progrès de Madagascar) est partie prenante, le candidat Marc Ravalomanana est élu président de la République de Madagascar dès le premier tour des présidentielles du 16 décembre 2001.

Comme le parti MFM l’a dit dans sa déclaration du 2 Novembre 2001 (http : //perso.club-internet.fr/ nahoanik ), le sortant Didier Ratsiraka ne se résoudra pas au verdict des urnes : l’appareil d’état, après avoir servi en vain à influencer le vote, sert actuellement à orienter les résultats en faveur de Didier Ratsiraka candidat du parti AREMA.

Pour défendre le choix du peuple malgache, le Comité pour la Défense de la Démocratie (CDD) est mis en place dans toute l’île. L’Amiral Ratsiraka n’est pas un démocrate, il n’est sensible qu’à la logique des rapports des forces, le parti MFM appelle donc chaque citoyen malgache à apporter son concours, à être vigilants et à se mobiliser pour l’instauration de la démocratie et d’un état de droit à Madagascar.

NDAO !

Le parti MFM (http://perso.club-internet.fr/nahoanik)

CONTACT

 

Paris le 27 décembre 2001