FEHIN-KEVITRY NY VOVONANA MFM VOALOHANY AMIN'NY TAONA 1000 FAHA III

(3, 4, 5 Oktobra 2001)

_______________________________

1.MOMBA NY FAMPANDROSOANA

Tolona matipaika voabaikon'ny tanjona voafaritra mazava dieny mialoha, ifampifehezana sy ifampierana ; fa tsy fihetsika fa hoa fa ho any, mamonjy tavanandro sy petatoko ny tolona nataon'ny MFM teto amin'ny firenena.

Fampandrosoana an'i Madagasikara niainga sy nitodika amin'ny faritra 28, mahakasika ny lafim-piainana rehetra no nokendren'ny MFM hajoro. Vato misakana ny fanatanterahana an'izany ny fitondran'Andriamatoa RATSIRAKA sy ny AREMA, tsy hisy fampandrosoana azo antenaina eto amin'ny firenena raha tsy voailika hatrany amin'ny fakany ny fitondran'Ingahy RATSIRAKA sy ny AREMA.

Manainga ny hery rehetra tsy misy ankanavaka eto amin'ny firenena hiaraka hivondrona hiatrika sy hanatanteraka ny fanesorana an'Ingahy RATSIRAKA amin'izao fahataperan'ny fe-potoana hiasany izao.

Mijoro ny MFM amin'ny heriny rehetra, hitondra ny traikefa ananany hiatrika ny faniliana an'Atoa RATSIRAKA tsy hanohy izao fitondrana izao intsony. Tsy hirindra ny fampandrosoana, tsy hisy ny demokrasia, hiana ao anaty tebiteby sy fahantrana ary aretina ny vahoaka, maizina ny ho avin'ny taranaka fara mandimby raha tsy voailika tanteraka ny fitondran'Ingahy RATSIRAKA sy ny AREMA, milofo hatrany hitondra sy hiaina amin'ny fanararaotana ny ranomasom-bahoaka an'alin-kisa.

1.1. MOMBA NY FAMATSIAM-BOLA AVY ANY IVELANY

Arovana ny dingana vitan'ny firenena eo amin'ny fivoaran'ny fitokisan'ny mpamatsy vola vahiny ny teknisianina malagasy mikasika ny politika-mpamantsiam-bola avy any ivelany. Ohatra amin'izany ny dingana vitan'ny FID izay miakatra hatrany ny kitapom-bola itantanany.

Arovana sy ampiana ny fahaizamanaon'ny teknisianina malagasy momba ny fampandrosoam-paritra izay mikirakira ny famatsiam-bola avy any ivelany mba ahatonga ny vahoaka handray anjara mavitrika amin'ny asa vatsiana vola.

Tsy ekena ny fomba ratsin'ny olom-boafidy sy ny ministra AREMA manao fandraharahana goragora sy tsy miroso amin'ny fitantanana mangarahara ka tsy vonona hilaza ny marina amin'ny vahoaka entiny momba ny fampiasam-bola avy any ivelany ka tsy mitera-bokatra mahafa-po ny fitantanana ataony fa manao izay hampanan-karena ny tenany amin'ny familiviliana ny famatsiam-bola. Ohatra amin'izany ny famatsiam-bola CRESED sy CRESAN.

Miverina ambongadinyamin'ny fampiasana ny vola famatsiana avy any ivelany ny politikan'ny AREMA sy ireo ministra mpandoa ekolazy eny Iavoloha. Tsy maintsy ho ahitsy sy fehezin'ny herim-bahoaka ampiasainy amin'ireo sehatr'asa mahakasika ny fiainam-bahoaka ny famatsiam-bola avy any ivelany miasa eto amin'ny tany sy ny fanjakana malagasy.

Hatsaraina ny politika famoronan'asa mampiroborobo ny orin'asa madinika sy salasalany (PMI-PME) isam-paritra eo amin'ny fampiasana ny famatsiam-bola avy any ivelany ka tsy ny efa avo hatrany no tovonana. Tsy maintsy karohina izany ny fitsipi-dalao mazava ho amin'ny tombontsoaan'ny PMI/PME isam-paritra.

1.2. MOMBA NY POLITIKAM-PIHARIANA SY VAROTRA MIARO NY TOMBON-TSOAN'NY MPAMOKATRA ISAM-PARITRA.

Tadiavina ny tetika hifanampiana ho fampandraisana anjara ny manam-pahaizana maro isam-paritra hanampy ny vahoaka mpamokatra amin'ny famolavolana tetik'asam-pihariana ka sady ho velona izy ireo no sakaiza mahatoky ny vahoaka mpamokatra (accompagnateur de projet ou prestataire de service).

Tsy ekena ny politikam-barotra sy fihariana eto an-toerana manakivy sy mampiraviravy tanana ny vahoaka mpamokatra isam-paritra ka tsy maintsy ahitana vahaolana maty paika toy ny café vidina mora any atsimo-atsinana. Ohatra : ny café iray kapoaka dia ahazoana rano kafe 22 tasy izay misy mivarotra 500 ariary ny kaopy iray amin'ny hotely lehibe eto Antananarivo, nefa ny café iray kapoaka vidina 40 ariary any atsimo-atsinanana. Toy izany koa no mahazo ny mpamokatra vary malagasy eo amin'ny 10 tapitrisa eo ho eo noho ny afitsoky ny mpanafatra vary avy any ivelany tsy ampandoavin'ny fanjakana hetra sy haba.

Averina sy amafisina ary hatsaraina indray ny dingana efa tratra teo aloha tamin'ny fampandrian-tany amin'ny faritra mpiompy omby. Nirongatra indray mantsy ny asan-dahalo amin'ny faritra rehetra mpiompy omby rehefa tafaverina amin'ny fitondrana indray ingahy Didier RATSIRAKA.

Ajoro ny fanjakana manome lanja ny sata sendikaly ho enti-mitantana sy hampiroborobo ny orin'asa malagasy.

2. Momba ny raharaham-pirenena ankapobeny sy ny fifidianana

2.1. Momba ny fifidianana Filoham-pirenena

Tapitra ny fe-potoana dimy taona naha Filohan'ny Repoblika an'Andriamatoa RATSIRAKA. Niaina tao anatin'ny fanitsakitsahana ny safidim-bahoaka sy ny demokrasia ny Vahoaka Malagasy nandritr'izay. Natao amboletra ny fanovāna ny lalam-panorenana tamin'ny 1998. Tsy nitsaha-nihena ny isan'ny mpifidy tamin'ireo fifidianana nifanesy teto. Nisy mihitsy aza ny fanoherana ny voka-pifidianana tamin'ny faritra maro manerana ny Nosy. Nanentsi-tadina ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana manoloana ireo fanankianana maro samihafa. Nipoitra ny tolo-kevitra maro avy amin'ny mpanao politika, fiaraha-monim-pirenena, indrindra fa ny FFKM hamaritra ny fomba fanaovana politika eto Madagasikara, hanova ny lalam-pifidianana ary nitaky ny hisian'ny fikaonan-doham-pirenena hametrahana ny fitsipi-dalao amin'ny ady amin'ny fahantrana sy ny fanaovana politika ary hanova ny lalam-panorenana sy ny lalam-pifididianana. Nitodika tamin'ireo mpamatsy vola antsika ny "Cellule de crise" mba hanomezan'izy ireo antsika fanampiana hiantohana ny Demokrasia.

Nisy koa aza atrik'asa iraisam-pirenena novatsian'ny Fondation Friedrich Ebert nandinika ny fifidianana ny ho Filoham-pirenena ka nahitana ireo soson-kevitra tsara nitondra voka-tsoa tany amin'ireo firenena Afrikanina toa antsika izay manaja ny fahadiovan' ny fandatsaham-bato sy mamoaka voka-pifidianana marina mifanitsy amin' ny safidim-bahoaka izay tsapa fa tsy voahaja eto amintsika.

Tsy noraharahain'i Filoha RATSIRAKA daholo izany. Manambara izany fa tandindomin-doza ny firenentsika amin'ny hisian'ny savorovoro vokatry ny fanitsakitsahana ny safidim-bahoaka amin'ny alalan'ny hala-bato sy fanodinkodinana ny voka-pifidianana toy ny tany Betroka, Fandriana , Talatamaty sns...

Fitsidiham-paritany, rodobe, ataon'ny Governora sy Kaomisera Jeneraly manomboka mampihorohoro sy manery ny mpiasam-panjakana isam-paritra ary ny vahoaka mpifidy handany ny Kandidā Filoham-pirenena am-perin'asa. Toa natao hiarovan-tseza sy tombotsoa ary manda hiarovana ny loza mitatao amin'ireo mpitondra isan'ambaratonga ny fananganana ankamehana ny andrim-pahefanan'ny faritany mizaka tena sy ny antenimieran-doholona.

Tsy masin-teny hampandany amin'ny fifidiana filohan'ny repoblika intsony ny AREMA. Ny tetik' Atoa RATSIRAKA tamin'ny fanendrena manamboninahitra Jeneraly sy Kolonely mahenika ny fivondronana sy ny kaominina eran'ni Madagasikara dia fametrahana herim-pamoretana hampihorohoro ny mpifidy sy hangala-bato.

2.2. Momba ny harena tsy fanta-piaviana sy ny kolikoly

Lasa mpanefoefo tampoka nigagan'ny Malagasy sy izao tontolo izao Ingahy RATSIRAKA sy ny fianakaviany. Fampiasāna ny fahefam-panjakana no loharanon-karena anamafisana ny maha tsy maty manota ny Filoham-pirenena: vatosoa sy volamena indrindra fa ny safira , ny fanofody sy fitaovana enti-miady amin'ny valala,"doxicycline" niatrehana ny kolerā, ny solomaso tamin'ny takomasoandro, mikasika ny fanampiana momba ny loza voajanahary (tetezana mitsingevana ai Ivoloina), ny solitany sns...

2.3. Momba ny fandriam-pahalemana

Mandry tsy lavo loha ny tantsaha mpamokatra lavanila noho ny gaboraraka mahazo vahana eo amin'ny fiarovana sy fandriam-pahalemana ataon'ny tompon'andraikitry ny filaminam-bahoaka notendren'Ingahy RATSIRAKA sy ny AREMA. Ain'olona telo nafoy vokatry ny hain-trano nahakila 130 tafo tao Masovarika fivondronana Sambava.

Nirongatra izaitsizy ny asan-dahalo sy halatr'omby amin'ny faritra maro mpiompy omby eto Madagasikara. Mahazo vahana torak'izany koa ny halatra taolam-paty ao amin'ny faritr'Alaotra sy manodidina hatraman'ny niverenan'Ingahy RATSIRAKA teo amin'ny fitondrana.

2.4 Mikasika ny fanabeazana sy fahasalamam-bahoaka:

Sehatra famonoana afo sisa ny fampianarana ilofosan'ny Ministry ny Fampianarana Ambaratonga Faharoa sy Fanabeazana fototra : tsy misy politikam-panabeazana azo antoka sy mahomby ho an'ny zanaky ny Malagasy.

Ahian'ny tanora maro ho fampianarana miangatra ny fomba sy tetika itantanana ny ambaratonga ambony. Tandrametaka sy kitoatoa no itsinjarana ny volam-panjakana natokana ho an'io sehatra io.

Tsy ireo nandaniam-bola nofanina amin'ireo toeram-piofanana mpampianatra no voaray amin'ireo toerana 4 000 vaovao nosokafana fa natokana ho an'ny mpiray antoko sy ny fianakavian'ny mpitondra AREMA.

Mangidy hoditra amin'ny mponina sy ny fianakaviany mila famonjena sy fitsaboana ny fomba sy ny politika itantanan-dRamatoa Ministry ny Fahasalamana io ministera io.

2.5. Inona ny AREMA?

Ny tsy fandoavana hetra sy haba (exonération) sy fampiasāna ny ampahany amin'ny volam-panjakana ary fifehezana ny famatsiam-bola avy any ivelany no AREMA.

2.6. Mikasika ny fampihorohoroana eran-tany:

Tsy ankasitrahan'ny VOVONANA MFM ny kabary nataon'ny Filoham-pirenena mikasika ny herisetra nahafaty olona marobe tsy manan-tsiny tamin'ny vahoaka Amerikana tamin'ny 11 Septambra 2001. Maloka sy ratsy toerana Madagasikara eo anatrehan'izao tontolo izao. Samy feno fanahiana na ny vahoaka na ny mpandraharaha eny fa na ny mpamatsy vola aza manoloana ireny fihetsika tsy ampy fahakingāna sy fandajalanjana amin'ny fifandraisana amin'ny sehatra iraisam-pirenena.

Ho henjana ny fifidianana ary atahorana hisy rā mandriaka vokatry ny fahatahorana ny tsy ho lany.

3. Inona no hatao?

Asa mampifandray ny fitondrana sy ny vahoaka ny antoko politika amin'ny alalan'ny fifidianana. Asa ilaina ho an'ny firenena ny fanaovana politika toy ireo asa hafa manabe ny olom-pirenena (éducation citoyenne) miantoka ny fampiroboroboana sy fampivelarana ny demokrasia ho an'ny daholobe sy ny isam-batan'olona. Tsy maintsy diovina, alamina sy arindra ny fanaovana politika eto Madagasikara. Fefena tsy ho lalam-bolan'ny antoko politika ny vola tsy fanta-piaviana (famatsiam-bolan'i BEN LADEN), ny volan'ny seha-pihariana ary ny vola sy ny fitaovam-panjakana.

Ampidirina ao amin'ny lalam-panorenana ny fepetra ananganana antoko politika, ny fanaovana politika ary famatsiam-bolan'ny antoko. Tsy maintsy hamafisina amin'ny lalāna manokana ny fiaimpiainan'ny antoko politika te hitaiza sy hanabe voho ny vahoaka Malagasy. Hisy ny ny fanaraha-maso ny asa sy ny fandaniam-bolan'ny antoko ka ho tsaraina amin'ny asa vita sy ny vokatra azo amin'ny fifidianana atrehina.

Mihevitra ny VOVONANA MFM fa famatsiam-bola avy amin'ny kitapom-bolam-panjakana toy ny fanokanana mari-bola ao anatin'ny teti-bolam-panjakana ho an'ny andrim-panjakana no famatsiana ny antoko politika vonona hanoka tena sy hamola tena hanao politika maharitra sy mari-pototra ho an'ny firenena Malagasy. Izany no amin'ny tany mandroso sy firenena Afrikanina sahy misedra ny Demokrasia.

Ny VOVONANA M.F.M. dia mamoaka izao fanapahan-kevitra izao ho fantatry ny Mpiray firenena, sady ho baiko ifampitondran'ny Mpikambana sy ambaratonga M.F.M. manerana an'i Madagasikara:

1-Momba ny fandaminana ny fifidianana, ny VOVONANA M.F.M. dia manamafy fa:

Tsy maintsy atao ny fomba rehetra hahafahan'ny olom-pirenena rehetra misafidy malalaka, iantohana ny fahamarinana sy ny safidin'ny olom-pirenena ary hahatony tsy misy raorao ny fiainan'ny firenena na mialoha na mandritra ary na aorinan'ny fifidianana.

Noho izany ny VOVONANA dia manome baiko ny hanohizana ny andraikitra efa noraisin'ny Birao Foibe niaraka tamin'ny Antoko Mpanohitra, ny fiaraha-monim-pirenena ary ny fanjakana mpamatsy vola sy ny fikambanana iraisam-pirenena.

Ireto avy no tratrarina amin'izany:

Fividianana vatam-pifidianana mangarahara miisa 15.000;

Fametrahana tranon-kala-na solosaina (réseau informatique) manerana ny Nosy hanadiovana ny lisi-pifidianana sy hampiasaina amin'ny fanisam-bato sy hamoahana ny voka-pifidianana amin'ny alalan'ny INTERNET;

Fametrahana ny mpanara-maso ny fifidianana (CNOE, Andrimaso FFKM, Justice et Paix,...) manerana ny biraom-pandatsaham-bato;

Fandefasana mpanara-maso ny fifidianana iraisam-pirenena;

Fanontāna biletā tokana miisa 20.000.000 ho an'ny fiodinana roa amin'ny fifidianana Filohan'ny Repoblika;

Fanaovana kara-panondrom-pirenena vaovao.

Ho fiarovana ny Demokrasia, miantoka ny maha marin-toerana ny fifampitondran'ny samy Malagasy dia miantso ny foloalindahy ny VOVONANA MFM mba tsy ho tafiditra ami'ny teti-dratsin'ny fitondrana ka sanatria ho lasa fitaovana ho fampihorohoroana ny vahoaka mpifidy sy hamiliviliana ny safidim-bahoaka amin'ny fifidianana filoham-pirenena atao eto amin'ny firenena.

Ny sata repoblikana hahabe voninahitra ny foloalindahy malagasy sy Madagasikara eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena sy ny firenena mikambana no adidy aman'andraikitra ankinin'ny vahoaka Malagasy amin'ireo zanany.

2-Momba ny fifidianana izay ho Filohan'ny Repoblika dia ireto manaraka ireto no apetraky ny VOVONANA M.F.M. amin'ny laharam-pahamehana mialoha ny zavatra hafa rehetra. Ireo no itsaran'ny M.F.M. ny fihetsika sy ny soso-kevitr'izay mihevitra hitondra ny firenena, na M.F.M. izany na hafa.

Omen'ny VOVONANA baiko koa ny Mpikambana M.F.M. rehetra sy ny ambaratongan'ny M.F.M. samihafa manerana an'i Madagasikara samy hanazava tsy misy hataka andro ireo laharam-pahamehana ireo amin'ny sehatra iasany ka handray ny andraikitra tandrify azy hahatanteraka ny tanjona voafaritra amin'izany.

Ny zavatra kendrena:

Ny maika voalohany indrindra dia ny hananan'ny Vahoaka antoka fa hovoavaha izao fifanenjanan'ny Mpiray firenena efa mitatao izao izay mety hihafara amin'ny fifandonana handrava zavatra maro. Tsy maintsy sorohina ny fifandonana hateraky ny teti-pitondrana "fa ho any fa ho any" tahaka izao an'Andriamatoa Ratsiraka sy ny namany izao.

Maika araka izany ny fomba fitondrana afaka mandamina ary azo anankinana ny ankehitriny sy ny fampandrosoana ny ho avy araka izay andrandrain'ny Vahoaka.

Noho izany dia ireto no lālana aroson'ny VOVONANA hahafahan'ny Vahoaka misafidy tsy misy raorao izay fitondrana hafa kokoa noho izao fomba fitondrana efa tsy mahomby izao:

fananganana tsy misy hataka andro ny fitondrana teteza-mita handamina ny fanovam-pitondrana,

diniky ny Mpiray firenena ny amin'izay hanarenana ny ankehitriny sy hananganana ny ho avy,

fanitsiana ny lalām-pifidianana,

fampandrosoana mifototra amin'ny faritra fiharian-karena sy ny fanatontoloana.

Nanapa-kevitra ny VOVONANA MFM 2001 fa:

Tsy hilatsaka ho fidina amin'ny fifidianana Filoham-pirenena ho avy izao ny mpitarika MFM;

Tsy maintsy miala ny Filoha RATSIRAKA fototry ny fahantrana sy ny fihemoran'ny Demokrasia. Vonona hanambatra ny heriny amin'izay rehetra manaiky hanala an'Andriamatoa RATSIRAKA tsy hitondra intsony ny MFM;

Tsy azo ankinina amin'ny mpitondra ankehitrniny ny fifidianana filohan'ny Repoblika fa mampiditra ady an-trano sady mandrava ny ezaka atao irosoan'ny firenena amin'ny Demokrasia;

Ilaina ny hanovana ny lalam-pifidianana sy ny lalāna fototra eto amintsika hanajāna ny safidim-bahoaka amin'ny alalan'ny fanaovana fikaonan-doham-pirenena izay hokarakarain'ny Fitondrana tetezamita;

Ajoro isaky ny biraom-pifidianana ny Komity Miaro ny Andrimasom-pifidiana, ny fahadiovan'ny fifidianana sy ny safidim-bahoaka mba handravana ny tetika ratsy efa iomanana hampandaniana an'Ingahy RATSIRAKA amin'ny fiodinana voalohany ka iantsoan'ny VOVONANA MFM ny vahoaka Malagasy, ny fiaraha-monim-pirenena tsy ankanavaka, ny antokom-panohitrahiara-manangana io sehatr'io hanilihana an'Ingahy RATSIRAKA sy ny AREMA.

Natao teto Antananarivo faha 05.10.01.

Amin'ny anaran'ny Vovonana MFM voalohany tamin'ny taona arivo fahatelo.

Ny Foibe sy Birao Nasionaly MFM

Ny Prezidā Nasionaly

MANANDAFY Rakotonirina