Antoko MFM

Efa ela no nitaky ny hanesorana ny Praiministra !

Tao anatin地y fivoriana mangina nataon地y birao foiben地y antoko MFM niaraka tamin段reo filoha mpitarika isam-paritra nandritra ny roa andro teny Maibahoaka Ivato no nivoahan地y ady hevi-pitakiana maro tokony hataon段zao fanjakana izao. Tsy mihemotra tamin段reo fitakiana maro efa nataony ity antoko MFM ity, toy ny fanaovana ny "Amnistie" faobe, ny fitantanana mangarahara, ny fampiatoana ny fanamparam-pahefana amin段reo fitaovam-panjakana isan-karazany.

Ireo no isan地y navoitran段ngahy Manandafy Rakotonirina omaly tamin地y famaranana ilay nantsoin-dry zareo hoe : Fivoriana fampitoviana tadin-dokanga, tsy mifanipaka amin地y hevitry ny filoha Ravalomanana ny hevitr段ty antoko ity hoy ihany ireo mpitarika, ary ho arovan段zy ireo ny hisian地y demokrasia eto Madagasikara.

Manao antso avo ity antoko ity ny mba hisian地y fifampidinihana haingana, satria toa manangasanga ny ady an-trano, ny antony dia tsy mety miresaka ny TIM sy ny Arema izay ireo no miantoka ny filaminana eto. Mbola ao anatin地y fitakian段zy ireo ihany koa ny handinihana haingana sy akaiky ny raharaha depiote Herihajaina satria toa ny Praiministra Jacques Sylla no mitsivalana amin地y fanafahana ity depioten地y Kalamavony ity raha ny resaka tany Antsiranana ny 21 Jona 2005 teo no asian-teny. Tsy nisalasala ny filohan地y MFM Manandafy Rakotonirina nilaza, fa efa hatramin地y ela ity antoko notarihany ity no nitaky ny hialan段ngahy Praiministra amin地y toerany.

Fa raha hitodihana kely ny raharaha 2002, dia amin地y fitokanana ny tetezana ao Fatihita no tokony ho avy eny avokoa ny hery rehetra na ireo nanapaka na ihany koa ny mpanamboatra ny efa nikoro mba hivoady fa hiray hina tanteraka ary hanao famonoan弛mby ho mariky ny fifamelana, ary omby gasy io, fa tsy omby vavy be ronono, ka samy hibanjina ny ho avy amin段zay ny rehetra, fa tsy hamboly korontana sy fifandrangitana lava eto. Ireo raha fintinina ny hevitra nivoaka tao amin地y fihaonan地y antoko MFM teny Maibahoaka Ivato ny 2-3 Jolay teo.

Naivo kely

madagascar tribune 04/07/05 -