Antoko Mfm : Manomboka vaky sy mitriatra
 
        Tsy matotra ny fanomanana ny vovonana Mfm ka tsy matotra toy izany koa ny fanolorana an’Atoa Manandafy Rakotonirina ho kandidà. Izay no fahitan’ny komitim-paritra, ny vondrona, ny toko, ny fototra Mfm ao amin’ny Faritra Vatovavy Fitovinany, araka ny fanambarana navoakan’izy ireo omaly. Noho izany, rehefa nivory izy ireo taorian’ny fanambaran’ny filoha nasionalin’ny Tambatra, Atoa Pety Rakotoniaina, dia nanapa-kevitra fa hanohana io kandidà io. Voalazan’ny fanambarana fa nandefa solontena niatrika ny kongresy nasionalin’ny Tambatra ny Mfm tany amin’ny faritra Atsimo Atsinanana sy ny Faritra Vatovavy Fitovinany izay niisa 450, ary nandray anjara mavitrika tamin’ny adihevitra. Voalaza ihany koa fa anisan’ny nanery ny filoha nasionalin’ny Tambatra ho kandidà amin’ny 3 desambra izy ireo. Manao sonia ny fanambarana Atoa isany Rakamisilahy Martial, Ben’ny tanànan’i Manakara, Jean Claude Randrianiriana, Ramangalahy Aimé, Botomiandravelo, R. Jean Jacques, Rajerison Jean Pierre, sns.
 
Mazava amin’io fanambarana io fa manomboka vaky sy mitriatra ny Mfm, izay tsy mba niharan’izany hatramin’izay niorenany (taona 1972). Endrika iray ihany io mitranga any amin’ny Faritra Vatovavy Fitovinany io, fa mety hiparitaka toy izany koa ny vaton’ny Mfm sy ny Tambatra amin’ny 3 desambra. Hafanafana araka izany ny fifidianana ho an’ny Mfm, fa tsy mitambatra intsony ny hery.
  

R. Nd