Asan-dahalo:Tsy mbola hita ny tenin’ny Filohampirenena

 Nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny 67 ha ny zoma tolakandro teo ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tamin’ny anaran’ny Mfm tany Antsalova, Ramarolahy Maurice. Ny fiainana ara-piaraha-monina ankapobeny any no nohazavainy.

Ny tontolon’ny fandriampahalemana aloha no tena notsindriany.

Nambarany fa « ny fiompiana omby no fototry ny toekarena any Antsalova, nefa dia tandindonin-doza izany noho ny asan-dahalo ». Nokianiny mivantana ny filazan’ny tompon’andraikitra sasany avy amin’iny Faritr’i Melaky iny izay nisy nilaza fa « efa mitsahatra ny asan-dahalo any amin’izao fotoana ». Tsy misy fitsaharany, ary vao mainka aza miha-manao amboa ditsoka ny dahalo any amin’izao fotoana, hoy izy. Nomarihin’ity olom-boafidy lahitokan’ny Mfm ao Tsimbazaza ity kosa anefa, fa « misy ny mpitandro ny filaminana miezaka, tsy miroa fo amin’ny fanenjehana ny dahalo, fa etsy anilan’ireny koa dia misy ny manao rainazy ka mety hitsikombakomba amin’ny malaso ». Tamin’izay indrindra no nanipihin-dRamarolahy Maurice fa « tokony hidina any ny Bianco fa manjaka ny kolikoly ».
Raha tarafina izany tenin’ity olom-boafidy ity izany dia mby ao an-tsaina avy hatrany ny fampanantenana nataon’ny filoham-pirenena tamin’ny fotoana nanaovana fampielezan-kevitra ho amin’ny fifidianana Filohampirenena tamin’ny 2001. Ity resaka famongorana ny asan-dahalo ity no isan’ny narangarangany tamin’iny faritra mpiompy omby iny. Mbola nohamafisiny imasom-
bahoaka anefa izay raha nohitsian’ny Ben’ny tanànan’i Fianarantsoa renivohitra, Pety Rakotoniaina, izy teo amin’ny Kianjan’Ampasambazaha, nanoloana vahoaka an’aliny ny alakamisy faha-5 janoary teo. Tamin’ny filohampirenena nitety ny renivohi-paritany, niarahaba ny vahoaka noho ny taona vaovao ê ! « Izao ihany aho dia manome baiko ny tompon’andraikitry ny filaminam-bahoaka sy ny ao anivon’ny fiarovana mba hivory ka handray fepetra haingana momba an’izany resaka dahalo izany », hoy ny nambaran’ny filoha tamin’izay. Nampiany koa fa « efa misy fitaovana vonona hiatrehana ny raharaha ao ».
Raha ny tokony ho izy izany, iray volana aty aorian’iny resaka tao Fianarantsoa iny, dia tokony ho efa nidina an-tsehatra ny tompon’andraikitra na nampiharina ny tetik’ady hanosehana ny malaso, nefa dia araka izay tenin’ny Depiote Ramarolahy Maurice izay hoe « tsy nisy fitsaharana izany mihitsy ny asan-dahalo fa mandainga ny tompon’andraikitra sasany ».
Tsy ny maha-any amin’ny Faritr’i Melaky na Menabe an’Antsalova, sy ny resaka nandeha tany Fianarantsoa tamin’ny 5 janoary akory no tokony hialana olana, ka hoe « tsy mitovy ny faritra fa efa mandeha ny any amin’ny faritr’Ihosy, ohatra, na ny any Tsiroanomandidy ». Na ny any Fianarantsoa aza dia tsy misy fiovana io fihenjanan’ny asan-dahalo io, fa resa-be nentina nampandriana adrisa ny re tany Fianarantsoa, hoy ny mpanara-maso. Toy ny fampanantenana hatramin’ny 2001 ihany ê !
Raha ny fanazavana momba ny lafin-javatra hafa nataon’ity olom-boafidy avy amin’ny Mfm ity ihany koa no jerena mantsy dia mbola nisy fampanantenana hafa nataon’ny prezida izay zary poak’aty ihany koa hatramin’izao. Ny resaka fanamboaran-dalana io.
Notsorin’ny Depiote Ramarolahy mantsy fa « teo aloha dia nisy lalana nanitsy avy any an-drenivohitr’i Mahajanga miazo an’Antsalova, fa ankehitriny dia mandia faritany telo vao tonga any Mahajanga ». Notanisainy mantsy fa raha miala any Antsalova ka ho any Mahajanga dia mandalo an’i Belo Tsiribihina aloha, dia mankany Morondava sy Miandrivazo vao mivoaka any Antsirabe ary miakatra eto Antananarivo vao mizotra ny lalampirenena fahefatra, vao tonga any Mahajanga. Midika izany fa tsy mbola tonga any amin’iny faritr’i Melaky iny ny resaka fanamboaran-dalana. Ny  mpanara-maso moa dia manao sangisangy zary tenany hoe sazy ampiharina amin’ny vahoakan’i Melaky izany, satria saika tsy nifidy kandidam-panjakana mihitsy ny tany Melaky tamin’ny fifidianana solombavambahoaka (Maintirano, ohatra, dia i Voninahitsy izay Rpsd Vaovao, ny ao Morafenobe koa dia ny vadin’i Voninahitsy izay Rpsd vaovao, ary ity any Antsalova ity dia Mfm).
Na tsy niseho mivantana ho manakiana ny fitondram-panjakana ka mampahatsiahy ny tsy mbola ahitan’ny any Antsalova ny vokatry ny fampanantenan’ny filohampirenena aza ny Depiote Ramarolahy, dia mody nisafelika ny teniny hoe « afaka mitoraka voninkazo ny zavatra tsara vitan’ny fitondrana aho, fa tsy mety ny saiko raha hijery fotsiny ny tsy mahomby ».
Toa mifanandrify amin’ny tena tiany hahatongavana koa ny karazana fanakianana nataony ho an’ny Tim, izay toa saro-piaro ambony ihany amin’ny fanakianana ny fitondram-panjakana. Fambaran’ny Depiote Ramarolahy Maurice amin’ny Tim mantsy, hoy ity Depiote any Melaky ity ny hoe « nandray vonona fotsiny ianareo Tim fa izahay no namono tena nametraka izao fitondrana izao amin’ny toerany, ka tsy izahay ve no tokony ho saro-piaro alohanareo amin’ny tsy fahombiazan’ny ataony, nefa dia raha manakiana azy na mitsikera ny tsy mety ataony izahay dia ianareo no manome tsiny voalohany anay ? »
Na izany aza dia nomarihiny fa amin’ny ankapobeny dia manga ny lanitra eo amin’ny fifandraisany manokana amin’ny Tim, indrindra fa ny any Antsalova.

Ralay  

Gdi 13-02-2006