Fivondronambe
Sendika
Tolon’ny Mpiasa (T.M.)
MIATRIKA OLANA NY
MPIASA
ROA
KARAZANA NY OLANA ATREHINTSIKA:
1-
Ny olana mivantana
maningotra ny Mpiasa dia ny fahavoazana
mihatra amin’ny fiainan’ny Mpiasa. Ny karama sy ny asa hatao:
mihena, miato, foana ampahany na manontolo.
2-
Ny olana tsy mivantana
kanefa mitarika miantraika amin'ny Mpiasa dia
ny orinasa sy ny sampam-pihariana mikatso
(misy karazana asa mihena, miato na foana mihitsy).
Olana
samy mitera-pahavoazana amin'ny Mpiasa ireo.
Ny
voalohany ilana famonjena maika avy hatrany. Vonjy voina io. Miaraka
amin’izany ny fandaminana vonjimaika eo am-pamahana olana.
Ny
faharoa kosa mila vahana tanteraka vao tena tafarina iry voalohany.
NY
TENA FOTOTRA MAHATONGA NY ORINASA MIKATSO :
Io
no mila foanana.
Rehefa
zahana fototra ny olana mahazo antsika dia hita ny rangory fototry ny afo.
-
Ny sakana – hasomparana ato
anatiny (Brickaville, Fatihita sy fanapoahana tetezana samihafa) mampikatso ny
fifamoivoizana akora, angovo, entana aondrana;
-
Ny famotehana ny fifandraisana
ivelany (ny AirMad somparan'ireo mpitantana teo aloha hanafenana ny asa maloto
tao);
-
Ny fampihorohoroana mpandraharaha (Vonoana,
faneren’ny Goverinera handoa vola amin’ny Provansa mizakatena na handoa
hetra in-droa raha tsy izany, …) ;
-
Ny ara-bola (banky s.n.s.).
* Ny olana fototra
dia ny kandida resy tamin’ny fifidianana mikiry tsy maintsy ho filoha ihany.
Izay
handraiki-tampisaka ilay fihariana fampangoronan-karena ny forongony no kendreny
(tera-tany sy vahiny sasany eto sy any ivelany). Io dia fihariana mampiasa ny
fahefam-panjakana handrobana fananan’olona sy harem-pirenena, hihinanana ny
orinasa amin’ny tian-kano tsy tian-kano sy tsolotra (fambaboana orinasa sy
antok’asam-panjakana tahaka ny famonoam-balala, alalana samihafa atao
kiantrano antrano, tetezana mitsikafona, fanaovana tsimatimanota amin’ny hetra
sy haba, …). Sintoniny amin’ny tsolotra ny volan’ny orinasa ka tsy misy
anjaran’ny Mpiasa, hanatsarana ny toe-piainany.
Fitondra-mitanila
no ataony amin’ny samy orinasa. Ataony tsy maty manota ny Mpampiasa mandika
lalàna sy manandevo Mpiasa rehefa mandoa “ ekolazy ” aminy.
Ny
paikany ankehitriny dia kendritohana handavoana am-pandrika ny fitondrana vaovao.
Te-hiseho fa mahatana lazon’ady amin’ny fanjakana-faritra izy (radio
nentin’ny alzeriana, haromotana amin’i Fianarantsoa, tetezan’Ifatihita).
Kendreny hovery an-javony ny resaka fifidianana ka izay mahery an’ady
ifanandrinan-tafika no hanjaka.
Ny
fihariana malalaka anaty fifaninanana madio sy ara-pandrosoana kokoa ary manaja
lalàna sosialy no fofoiny tsy hipoitra.
*
Aoka hiavaka tsara tsy hifangaro ny hevitra :
-
Ny fihetsiketsehana (lazain’ny Mpampiasa sasany fa “ grevy ” ) dia
nanaovana fandaminam-potoana. Raorao tanatin’ny orinasa izay tsy nahavita
nifampiraharaha no naterany raha nisy.
-
Ny mpanararaotra no tsy manaiky dinika ifampiraharahana ka mahatonga
fifanenjanana fa mila vaniny hamintinana ny isan’ny Mpiasa (compression) sy ny
karamany.
*
Marihina fa :
-
Misy Mpampiasa mamatsy vola an-dRatsiraka. Misy manohana goverinera
mpanao barazy. Mbola mihevitra (diso) ireny fa hahazo vahana kokoa amin’ny
fiverenany ka mamolaka hampandady ny fitondrana vaovao.
-
Manafay sy manao valin’ady tsy mivaky amin’ny Mpiasa izy ireo.
-
Mitetika hampifototra ny Mpiasa amin-dRavalomanana.
-
Misy koa anefa ny Mpampiasa misahotaka fotsiny ka ny mifatratra amin’ny
Mpiasa no heveriny ho vahaolana.
*
Tsara hazava amin’ny rehetra fa :
Petra-bola
sy rakitra ho an’ny Orinasa raha malala-tsaina sy marisika hifarimbona ny
Mpampiasa amin’izao fanarenana izao. Sehatra madio hampavitrika kokoa ny
fiharian’ny Orinasa manara-dalàna, mahasahy mifaninana amin’ny lafivalo ary
mahasahy miantehitra amin’ny Mpiasa no atsangantsika.
VAHAOLANA
AROSO
Izay
hahatafarina sy hampisondrotra ny toe-piainan’ny Mpiasa no tanjona kendrena
amin’ny farany.
Mila
vonjy voina mahomby izany ; mila famahana ilay tena sakana
fototra ary mila ezaka manokana fanarenana haingana rehefa voavaha ny
olana fototra. Tsy maintsy arahina fandaminana vonjimaika ireo rehetra
ireo tsy hihombo ny fahavoazana.
Iarahana mamaha ny tena fototr’olana. Misy “ plan
social ” ifampiraharahana kosa hitsinjovana ny Mpiasa ho vonjy voina sy
ho fandrisihana amin’ny fanarenana.
-
Tanteraka ny vonjy voina
raha mahita làlam-bola vonjimaika ho an’ny Mpiasa sy fanampiana
amin’ny zavatra ilainy.
-
Voavaha ny olana fototra
raha voatana ary marin-toerana ny asa, izany hoe tafaverina amin’ny laoniny ny
orinasa.
-
Tafarina ny Orinasa
raha voatana ny Mpiasa efa zatra tato raha misy fandrisihana manokana ny Mpiasa
hampitombo haingana ny vokatra sady hampahery ny Orinasa amin’ny fifaninanana.
VONJY VOINA
Ny kendrena amin’ny vonjy voina
dia mba hanana fidiram-bola ny Mpiasa (tsy roahina), misy horaisina ary mahazo
fanampiana amin’ny zavatra ilaina mandra-pivahan’ny olana.
1°
- Aoka hamarinina sy haloa vola ny kaontin’ora niasana (sao misy récupération
tsy voaloa).
2° - Raha :
-
voamarina ara-panjakana ny
fahasahiranan’ny Orinasa,
-
voazavan’ny Mpampiasa ny ara-bola
fikirakira (trésorerie),
-
voara-maso fa mandeha amin’ny
fanomezam-bola vonjy voina hoan’ny Mpiasa tokoa izany.
Dia vonona hiaraka hangataka amin’ny Governemanta ny
Sendika sy ny Delege mba hanamorana an’ireto :
-
ny hetra sy haba ary latsakemboka
samihafa aloan’ny Orinasa ;
-
alàlana hivaro-bokatra tsy
voaondrana, akora na ambinambim-bokatra eto an-toerana – “ consommation
locale ” - (stocks, coupons, sous-produits, emballages, …) ;
-
alàlana hanao asa ho an’ny eto
an-toerana (prestation de service) : ohatra sérigraphie, teinture, …
3°
- famatsiana amin’ny zavatra ilaina :
atao maika ny fandinihana hamelomana “ économat ” an’ny orinasa
sy “ coopérative ” ampian’ny orinasa (fifarimbonan’ny Mpiasa
hiatrika ny fahasahiranana) : étude, réalisation, financement.
Ny kendrentsika amin’ny fandaminana vonjimaika dia mba hovoafefy tsy hanitatra ankoatr’izay tena tsy azo anoharana ny fahavoazana eo am-piandrasana ny tena vahaolana.
Izao no hatao raha hisy ny “ Chômage technique ” :
-
Mila antony tekinika mazava azo
hamarinina tsara ;
-
Lazaina mazava ny fe-potoana
haharetany ;
-
Ifampidinihana raha mbola azo atao
ny mifandimby tsy miasa, ny mampihena ny ora iasana, ny mifandamina amin’ny
Usine hafa anatin’ny “ Groupe ”, …
-
Tsy maintsy mahazo antoka ny Mpiasa
fa hotafaverina hiasa, tsy hisy fandroahana an-kolaka.
-
Mandritra ny 1 – 2 herinandro
voalohany : atao récupération congé.
-
Hatramin’ny 1 volana :
Karazana indemnité.
-
Tanterahina ny “ Vonjy voina ” voalaza etsy ambony.
Izao no hatao raha hisy ny “ Compression ” :
-
Aoka mihitsy tsy hafangaro
amin’ny “ départ volontaire ”, famporisihana Mpiasa hiala
an-tsitrapo.
-
Raha “ départ volontaire ”
dia :
o
Sitrapon’ny Mpampiasa ny
mamporisika ny Mpiasa hanao izany.
o
Ny Mpiasa te-hiasa. Koa rariny raha
misy tambiny hoan’ny Mpiasa miala an-tsitrapo, ankoatran’ny zo ara-dalàna
fanome ny Mpiasa roahina.
o
Manao fifampiraharahana faobe momba
ny tamby ho an’izay hiala an-tsitrapo.
-
Raha “ compression ”
dia :
o
Mandre mialoha tsara ary afaka
manome hevitra ny Mpiasa sy Sendika ary delege ;
o
Omena ny antony mazava azo
hamarinina tsara ;
o
Vita tenierana tsara ny amin’ireo
Mpiasa voatery halana. Tandremana tsy ho fanilihana olona an-kolaka ;
o
Manao fifampiraharahana faobe mba
hisy fanampiana ara-tsosialy ankoatran’ny zo ara-dalàna fanome ny Mpiasa
roahina.
-
Tanterahina ny “ Vonjy voina ” voalaza etsy ambony.
Ny
resaka fanakatonana “ Usine ” kosa dia sorohina amin’ny fomba rehetra.
Atao
anatin’ny “ Groupe ” ny famahana an’io.
FAMAHANA OLANA SY FANARENANA
Ny vahaolana
dia : afaka ny sakana mampikatso ny Orinasa ka tafaverina ny asa.
Ny kendrentsika amin’ny fanarenana
dia, ny hahafahan’ny Mpiasa miasa hampiarina haingana ny Orinasa ary manatsara
miaraka amin’izany ny toe-piainany.
Ireto
no azo izorana raha voahaja ny falalahana ara-tSendika ary mandeha tsy misy
raorao ny dinika sy fifampiraharahan’ny Mpiasa sy Mpampiasa ato am-piasana.
Mifarimbona
ny Mpiasa, ny Mpampiasa sy Sendika manaitra sy mampandray andraikitra ny
mpiaraka aminy any amin’ny Faritany samihafa mba hahafoana ny barazy, ny
famotehana tetezana, ny fampihorohoroana, ny fandrahonana ara-ketra ataon’ny
goverinera, ny olana ara-banky.
Ny
atao amin’izany dia : Antso Gazety, Radio, TV ataon’ny Mpiasa, ny T.M.
sy ny sendika samihafa, ny KMSB amin’ny faritra rehetra ka ny Mpampiasa koa
manao tahaka izany isaky ny faritra. Ireto no tiana hotanteraka :
-
arovan’ny fitondrana ny
zava-tsaro-pady ho an’ny Orinasa mpamokatra (fifamoivoizana, angovo) ;
-
enjehina sy faizina hahafoana azy
ny barazy sy famotehana tetezana ampanaovin’ny goverinera ;
-
enjehina sy faizina hahafoana azy
ny fampihorohoroana Mpandraharaha sy Mpiasa mpitatitra ;
-
tsy manaiky hankatò ny fakam-bola
miharo fandrahonana ataon’ny goverineran’ny provansa ;
-
mitaky fanamorana amin’ny Banky
samihafa.
Antananarivo, 02 avril 02