CELLULE DE CRISE MIARO NY DEMOKRASIA

SY NY ZON’OLOMBELONA

FANAMBARANA

Manana fahefana hamory vahoaka amin’ny toerana sy fotoana heveriny ho mety ny Depiote ao amin’ny « Cellule de Crise » araka ny andininy maromaro ao amin’ny Lalàm-panorenana. Mandeha ny sakatsakana ataon’ny Ben’ny Tanàna sasany sy Prefet maniraka zandary sy polisy ary miaramila hanaparitaka vahoaka amin’ny herisetra. Tsy nahasakana ny mpomban’ny  « Cellule de Crise » hijoro hatrany izany.

 

Natao ny fampihorohoroana amin’ny fiampangàna tsy marim-pototra ka natao ny sava trano nitadiavana fiadiana mahery vaika tehirizin’ny mpanohitra nefa niala maina fa tsy nahita na inona na inona.

 

Aely indray ny tsaho fa hitifitra hono, hisambotra hono, efa manana antontan-taratasy fiampangàna hono ny Parquet ka ho avy tsy ho ela ny fisamborana, ny fanaovana sesitany (assignation à résidence fixe).

 

Manamafy etoana ny Filohan’Antoko manao sonia eto ambany fa matoky tena amin’ny fisikinany handimby toerana eo amin’ny fitondrana. Ka efa manana tetik’asa sy olona voaomana amin’izany hifampieràna amin’ny vahoaka ary na eo aza ny fisakanana sy fandrahonana samihafa dia fifanandrinana amin’ny mpitondra ankehitriny no aterak’izany. Tsy maintsy ho tontosaina hatramin’ny fandresena farany ny ezaka atao ankehitriny.

 

Mankahery ny mpomba ny tolona tarihin’ny « Cellule de Crise » amin’ny fisedrana ny setrasetram-panjakana.

Tsy avy amintsika ny fampiasan-kery fa ny fitondrana jadona dia ho resentsika amin’ny herin’ny firaisan-kina, amin’ny fanatanterahana ny hevitra ijoroantsika hatrany am-boalohany dia ny fiarovana ny Demokrasia sy ny Zon’olombelona ary fananganana fanjakana tan-dalàna.

Fitàran’ny fahantràna no ateraky ny jadona ataon-dRATSIRAKA.

Ny fananganana ny Demokrasia ihany no andresentsika ny fahantràna.

 

Antananarivo ny 20 Avrily 2001

MARSON Evariste

MANANDAFY Rakotonirina

RATSIRAHONANA Norbert

RAKOTOVAHINY Emmanuel

RAMAROSON Alain

Révérend ANDRIANALIJOHN Ndremanampy

TSIRANANA Pierre

ANDRIANANTENAINA Pierre

LALAINA Berthnès