VALIN’NY FANAMBARANA SY LAHATSORATRA NIVOAKA AN-GAZETY MOMBA NY FANOHERANA NY FANAPAHAN-KEVITRY NY VOVONANANA MFM 2006

Ny Vovonana no ambaratonga ambony indrindra andraisana fanapahan-kevitra mikasika ny asan’ny antoko MFM eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Ny Prezidà Nasionaly irery ihany no mahazo miantso izany araky ny andininy faha 38 ao amin’ny Fitsipika Ifampifehezan’ny MFM.Tsy nisy tsy nahalala izany fanaovana izany Vovonana izany amin’ity taona 2006 ity araka ny fanambaràna nataon’ny Prezidà Nasionaly tamin’ny haino aman-jery sy gazety an-tsoratra ary ny fifampilazana teo amin’ny mpiara-mitolona. Samy efa nahafantatra izany daholo ny MFM manerana ny Nosy. Efa nadilo ny sofina tamin’ny fanontanian’ny mpanao gazety mikasika ny daty hanaovana izany Vovonana izany.

Fitsipahana ny fitsipika ifampifehezan’ny MFM mihitsy ny filazana fa tsy ara-dalàna ny fiantsoana ny Vovonana 2006 ka tokony handini-tena izay rehetra miteny izany raha mbola te hijanona ho MFM.

Taninketsa anofanana tanora ho tompon’andraikitra MFM ny T/MFM. Mpikambana MFM avy hatrany izay rehetra mirotsaka ho mpikambana T/MFM. Nankatoavin’ny Vovonana 1992 ny fizakan-tena ny T/MFM ary manana ambarantongam-pifehezany manokana. Ny Prezidà Nasionaly MFM irery ihany koa no manome ny baikom-pitolomana ho an’ny Tanora MFM amin’ny alalan’ny Prezidà Nasionalin’ny T/MFM izay mpikambana avy hatrany ao amin’ny Foibe MFM. Izany dia araka ny fitsipika ifampifehezan’ny T/MFM.

Fitsabahana amin’ny andraikitra izay tsy tandrifin’ny tena ny fanaovana fanakianana ny fomba itondran’ny T/MFM ny raharaha mikasika azy. Mbola nohamafisin’ny Vovonana 2006 izany fanomezana fizakan-tena ho an’ny T/MFM izany sy ny fandraisana azy ireo ho mpikambana MFM avy hatrany amin’ny fandraisana fanapahahan-kevitra toy ny tamin’ity Vovonana 2006 ity. Mazava ho azy fa noraisin’ny T/MFM avy hatrany ihany koa ny toeran’ny vondrona sy ny Faritra MFM nanapa-kevitra tsy ho tonga hanatrika ity fihaonana tampony ity.

Ny Vovonana ihany no masi-mandidy amin’ny fanapahan-kevitra mikasika ny fanendrena ny ho kandidà sy izay ho mpikambana ao amin’ny Birao Foibe toy ny Sekretera Jeneraly.

Heloka bevava eo anatrehan’ny antoko ny fitsipahana ny fanapahan-kevitry ny Vovonana.

Tsy heloka velively ny fidiran’ny MFM ho mpikambana any amin’izay komitim-piavotana toy ny Tambanivohitra Miavo-tena amin’ny Fihariana, SFFF ary RDVR. Tsy anjaran’ny komitim-piavotana anefa ny misalovana ny ambaratongam-pahefan’ny MFM ka hanendry olona harotsaka ho Filoham-pirenena eo amin’ny toeran’ny antoko MFM. Izay rehetra te-hirotsaka ho fidiana ho filoham-pirenena dia tokony ho tonga handray anjara amin’ny Vovonana mba hatolotry ny MFM. Ny Prezidà Nasionaly MANANDAFY Rakotonirina irery ihany no nirotsaka teo anivon’ny Vovonana.

Fitsabahana mivantana amin’ny raharaha anatin’ny antoko sy fisandohana tsotra izao ny fanakianana ataon’ny komitim-piavotana amin’ny fanapahan-kevitry ny Vovonana ka tsy azo ekena.

Aoka ny Tambatra ho sahy hiofo ho antoko politika mahaleotena fa tsy ho komitim-piavotana intsony raha te ho masi-mandidy ny Kongresin’ny Tambatra nialohan’ny Vovonana 2006.

Sehatra anitarana tolona ny komitim-piavotana fa tsy mahasolo ny ambaratongam-pifehezan’ny MFM akory. Izany no sata nitondran’ny MFM ny komitim-piavotana hatrany amboalohany mihitsy.

Mavaivay ny fifanolanan’ny AREMA sy ny Fitondrana ankehitriny. Nisafidy handamina ny Vovonana 2006 fa tsy isan’ny mpigidragidra eo anoloan’ny fifandonanan’ny ankolafin-kery efa manomboka miseho lany ankehitriny.

Andraikitry ny Tambatra samirery ny misafidy na tsia hiandany amin’ny ankolafiny anankiray amin’ireo mpifanandrina.

Tsy tompon’ady ny MFM fa mpandamina araky ny baiikon’ny Vovonana 2006.

Efa hitsangana izao ny Komitim-paritra MFM sy Komity Mpanohana ny Filatsahan’Andriamatoa MANANDAFY Rakotonirina any Vatovavy-Fitovinany sy any Antsiranana.

Antananarivo, 11 Oktobra 2006

Ny Sekretera Jeneralin’ny MFM

RAKOTOVAZAHA Olivier