FANEVA MENA                 RALAY

Eny ambany atrakatraky ny FANEVA MENA an !

Mpitrongy efa vinitra tsy hay jerena an !

Toa miantso hoe sakaiza mandraisa anjara

Hampandeha ny kodiaran’ity tantara an !

Ianao ve sakaiza dia mola hiaritra an !

Hanaiky ity fianinana voa fariparitra an !

Anjakan-drenivola mitsetsitra aina

Ianjadiana sy tsy ananana ka tena aina an !

Tairo sakaiza aza miandry intsony an !

Tsy afa-joretra re ny lonilony é !é !

Poteho Ingahin-drina ho lasa lavenona

Ramontsany ialahy hoy aho raha be kenokenona an !

Eny ambany atrakatraky ny FANEVA MENA

Totohondry mivonkona tsy hay jerena

Ireny no tandroka arangaranga

Fanohitra saranga handravana saranga ! !

IZAY MAHASAHY MANARAHA