MPITOLONA HO AN’NY FANDROSOAN’I MADAGASIKARA

M.F.M

Ny Prezidà Nasionaly

 

FANAMBARANA

Rehefa nivory ny Birao Foiben’ny Antoko MFM ny 7 Septambra 2000 mikasika ny toe-draharaham-pirenena dia nanao izao fanambaràna izao :

Rehefa nandalina ny firafitry ny Repoblika telo nifandimby teto Madagasikara ny Komity Foibe MFM dia nilaza fa tsy mifanitsy amin'ny hetahetan’ny olona maniry hivelatra sy hisondrotra isam-paritra ny fananganana ity faritany (province) mizaka tena enina ity. Ny Faritra ( 28 régions) no akaiky kokoa ny olona ary ny fampandrosoana ara-toe-karena ny faritra no tokony hifotorana. Mety mampivakivaky ny firenena ankehitriny ho fanjakana mahaleotena ny fampiharana ny lalàna sata (loi statutaire) raha ny voalazan’ny lalàm-panorenana no itsaràna azy. Miorina amin’ny adim-poko nisy teo amin’ny tantarantsika ary nohamafisin’ny fanjanahan-tany ny fizarana an’i Madagasikara ho faritany enina nanomboka tamin’ny « loi-cadre » 1956.

Tendren’ny Prezidà ny Praiministra sy ny ministra ary izy no manongana azy araka ny andininy faha 53 amin’ny lalàm-panorenana.

Fidin’ny vahoaka mivantana ny Depiote nefa azon’ny Prezidàn’ny Repoblika ravàna araka ny andininy 58 sy 95.

Azon’ny Prezidan’ny Repoblika ravàna ny antenimieram-paritany araka ny andininy 129.2 izay nohamafisin’ny lalàna fehizoro 18/2000. Noho izany dia azony aongana ankolaka izany ny governora.

Mazava izany fa miankin-doha amin’ny Filoha RATSIRAKA daholo ny olom-boafidy nomena fahefana rehetra. Tsy ny hevitry ny vahoaka mpifidy no arahina fa ny baikon’ny Prezidà izay afaka manao famaizana amin’ny fandravàna ny antenimiera. Tsy misy teny ierana sy fifandanjam-pahefana araka ny sata repoblikana sy ny fomba demokratika.

Araka ny lalàna manan-kery manangana ny kaominina misy ankehitriny dia tsy azon’iza na iza ravàna ny fahefan’ny Ben’ny tanàna sy ny fahefan’ny filan-kevitry ny kaominina satria voafidin’ny vahoaka mivantana izy ireo. Na dia mpanohitra ny mpitondra ambony aza no voafidy Ben’ny Tanàna sy Mpanolontsainan’ny kaominina dia tsy azo aongana na soloana raha tsy amin’ny fifidianana ihany.Azo vinavinaina fa hanararaotra ny fahefana manao lalàna sata (loi statutaire) ny antenimieram-paritany handrava ny fizakan-tenan’ny kaominina. Nomena fahefana hanao an’izany tokoa manko izy araka ny andininy faha 126 amin’ny Lalam-panorenana.

Tsy maintsy miankin-doha amin’ny governora sy ny Delege Jeneralin’ny Governemanta ny Ben’ny Tanàna sy ny Mpanolontsainan’ny kaominina satria izay ny foto-kevitra ifampifehezana amin’ny Lalam-panorenan’ny Filoha RATSIRAKA.

Tamin'ny Repoblika voalohany, ny Lehiben'ny Faritany (Chef de province) dia Sekreteram-panjakana notendrena, izany hoe, ministra mpikambana ao amin'ny governemanta izy ireo. Noho izany dia misolo tena ny Fanjakana foibe any amin'ny faritany ny Lehiben'ny Faritany. Ny fiandraiketana ny fampianarana ambaratonga voalohany (enseignement primaire du premier cycle) sy fanaovana foara sy sns.. no raharahan'ny faritany. Ny vililoha na hetra isan-dahy sy ny hetran'omby no lalam-bola nandoavana ny karama sy andraisana ireo mpampianatra amin'ny ambaratonga voalohany ireo. Niankina tamin'ny Lehiben'ny Faritany ny sampan-draharaham-panjakana isan’ambaratonga (services déconcentrés) rehetra ao amin'ny faritany ary izany no fandaminana nisy teo amin'ny fitondram-panjakana.

Tamin'ny Repoblika faharoa, ny Filohan'ny Komity Mpanatanteraka (Président du Comité Exécutif) dia olom-boafidy izay ambany fiahian'ny Ministeran'ny Ati-tany. Fihemorana izany raha ampitahaina amin'ny Lehiben'ny Faritany tamin'ny Repoblika voalohany. Na izany aza dia mbola nisolo tena ny Fitondrana Foibe any amin'ny faritany izy ireo ary mbola niankina aminy daholo ny sampan-draharaham-panjakana ao amin'ny faritany hatramin'ny Sekretera Jeneralin'ny faritany izay olona notendren'ny fanjakana foibe hanampy ny Filohan'ny Faritany amin'ny fitantanana ny raharaham-panjakana . Vola fanampiana (ristournes) avy aty amin'ny fanjakana foibe (subventions) no andrafetana ny teti-bolam-paritany satria efa foana taloha ny teti-bola niorina tamin'ny hetra isan-dahy sy ny hetran'omby. Io vola fanampiana io no nandoavana ny karaman'ny mpampianatra izay noraisina tamin'ny Repoblika voalohany hoan'ny ambaratonga voalohany dingana voalohany.

Araka ny lalàna fehizoro laharana 18/2000 sy 19/2000 izay nolanian’ny antenimieram-pirenena, ny Delege Jeneralin'ny governemanta no misolo tena ny Fitondrana foibe any amin'ny Faritany. Izy no mifehy ny sampan-draharaham-panjakana isan’ambaratonga (services déconcentrés) rehetra ao amin'ny faritany.

Araka ny andininy 19 ao amin’ny lalana fehizoro 018/2000, ny sata niaviany ihany no itantanana ny mpiasam-panjakana rehetra na dia notendrena hiasa any amin’ny faritany aza izy ireo, izany hoe mbola miankina amin’ny fanjakana foibe ihany.

Manana fahefana hitsara ny asan’ ny governora sy mampihantona ny fanapahan-kevitry ny antemieram-paritany ny Delege Jeneralin’ny Governemanta(and. 7,8,9 ao amin’ny lalàna fehizoro 019/2000) . Fihemorana lehibe izany raha ampitahaina amin'ny Filohan'ny Komity Mpanatanteraka tamin'ny Repoblika faharoa satria olom-boafidy ny governora nefa tonga angady tsy mahatapak'ahitra ary voara-maso na miera amin'ny Delege Jeneralin'ny governemanta amin' izay rehetra hatao. Mbola be fahefana lavitra nohon'ny Governora ny Ben'ny tanàna ankehitriny satria tsy manam-pahefana hanara-maso ny asan'ny kaominina ny fitondram-panjakana na amin'ny fandrafetana ny teti-pitondrany na eo amin'ny fandaniana ny teti-bolany. Raha misy hadisoana atan’ny kaominina amin’ny asany kosa dia afaka mitory azy eo anatrehan’ny fitsaràna ny fitondram-panjakana.

Ny karaman'ny mpampianatra naloa tamin'ny teti-bolam-paritany dia tapitra nafindra teti-bolam-panjakana foibe (budget général) tamin'ny fandalovan'ny MFM tao amin'ny Ministeran'ny Fampianarana. Tsy misy karaman'ny mpiasam-panjakana miankina amin'ny faritany intsony izao. Nahafa-po ny mpampianatra io ary nahazo fisaorana tamin’izany ny Ministra. Miankina amin'ny ministera tanteraka ny fitantanana ireo mpampianatra ireo na amin'ny fisondrotana amin'ny asa izany, na amin'ny fifindran-toerana, na amin'ny karama. Mbola nohamafisin’ny lalàna fehizoro 18/2000 izany araky ny andininy faha 19 mikasika ny mpiasam-panjakana rehetra. Ny andininy faha 62 amin’ny lalàna fehizono 18/2000 dia milaza fa halefa tsikelikely ny famindram-pahefana eo amin’ny fanjakana foibe sy ny faritany mizaka tena mikasika ny olona sy ny ho enti-manana. Ny Delege Jeneralin’ny Governemanta hatrany no mifehy ireo sampan-draharaha isan’ambaratonga ireo araka ny andininy faha 13 amin’ny lalàna fehizoro 19/2000. Ny dikan’izany raha misy baiko halefan’ny Governora amin’ny sampan-draharaham-panjakana ao anatin’ny faritany dia tsy maintsy miera amin’ny amin’ny Delege Jeneralin’ny Governemanta izy aloha.

Izay nanantena fandrosoana isam-paritra ao amin’ny faritany mizaka tena dia diso fanantenana daholo satria mitsingilahila sy tsy mitombina tsara ny fahefana ananan’ny governora sy ny antenimieram-paritany. Miankin-doha sy tsy maintsy miera amin’ny Delege Jeneralin’ny Governemanta ny Governora. Angady tsy mahatapak’ahitra ny manam-pahefana mitondra ny faritany mizaka tena.

Tsy ny hevitry ny vahoaka mpifidy no arahina fa ny baikon’ny Prezidà izay afaka manao famaizana amin’ny fandravàna ny antenimiera.

Hataon'izao tontolo izao anjorom-bala ny firenena Malagasy noho io toetra ratsy io.

 

Very anjara amin'ny vodihena amin'ny fitantanana faobe ny raharaham-panjakana ny faritany mizaka tena koa dia hiady vodiakoho amin'ny Kaominina mikasika ny vola30 tapitrisa sy ny fivondronana momban’ny vola 363 tapitrisa izay nolaniana amin’ny teti-bolam-panjakana. Tsy ampy azy velively tsy inona ny 1000 tapitrisa natokana ho azy ao amin’ny lalàn’ny teti-bola (Loi des finances 2000).

Hafindran’ny Fikaonan-doha iraisam-paritany (conférence inter-provinciale) ho tantanin’ny faritany ny vola 30 tapitrisa ho an’ny kaominina sy ny 363 tapitrisa ho an’ny fivondronana.

Sahala amin’izay koa ny vola 100 tapitrisa isaky ny CISCO ho an’ny fampianarana sy 100 tapitrisa isaky ny « District sanitaire » ankehitriny dia hafindra ho tantanin’ny Delege Jeneralin’ny Governemanta. Afaka mandidy manapaka amin’izany ny Delege Jeneralin'ny Gorvernemanta araka ny andininy faha 13 amin'ny lalàna fehizoro 19/2000. Ho faty momoka hatreo ny ezaka nataon’ny Ministra sy Depiote MFM tamin’ny fanomezana fahefana ny CISCO hitantana ny vola tandrify azy.

Ho fihemorana lehibe indray no aterak'izay satria nitantana ao anatin'ny fizakan-tena tanteraka ny Kaominina ankehitriny na eo amin'ny lafiny fanapahan-kevitra hampandrosoana na amin'ny fitantanana ny teti-bola izay sady misy ny azony mivantana avy aty amin'ny Fanjakana Foibe (30 millions) no misy ihany koa ny fitadiavam-bolany manokana (haba, sns..). Rehefa tafakatra any amin’ny faritany mantsy ny fitantanana an’io vola 30 tapitrisa io dis tsy hipaka any amin’ny kaominina intsony fa ho very anjavony eny anelanelany eny.

Ary iza moa no hino fa tsy hiverenan’ny fanjakana ny fifanarahana tamin’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena amin’ny hanaovana fanandramana ny faritry MENABE, ANOSY sy MANGORO amin’ny fitantanana ny foto-drafitr’asa isam-paritra (PPGIDR sy PAGDI) ?

Mandrava zavatra maro sy mandiso fanantenana ny olona te hisondrotra sy hivelatra isam-paritra ny fizotry ny raharaha ankehitriny.

Koa mailo isika ! Mazava amintsika MFM fa tsy azo avela hanjaka samirery ny AREMA satria manimba ny tany sy ny fanjakana. Koa tsy maintsy mijoro hanitsy an’izany ny MFM.

NY BIRAO FOIBE MFM

Ny Prezidà Nasionaly

 

MANANDAFY Rakotonirina