Fenoarivo Atsinanana: Voasambotra ny Tangalamenan’i Pety

Zazine Benoît, Tangalamena ao Fenoarivo Atsinanana, Faritr’Analanjirofo, no mpanetsiketsika ny fikambanana.


Tambatra tarihin’i Pety Rakotoniaina any amin’iny faritra iny. Isan’ny akanga sisa nanamborana tamin’ireo Maintimolalin’ny 1947 izy.
Omaly dia tokony hifamory tao amin’ny efi-trano malalaky ny fiangonana “Saint Benoît” ny mpikatroka Tambatra sy ireo loholona ary olom-be mbamin’ny raiamandreny ao Fenoarivo Atsinanana. Isan’ny fandaharam-potoana hatrehin’ny filoha nasionalin’ny Tambatra, Pety Rakotoniaina koa io, ary efa afak’omaly hariva izy no tonga tany an-toerana.
 
Nizara ny taratasy fanasana sy fanentanana ny mponina hanatrika an’io fivoriana io ity Tangamena nirotsaka ho mpitarika ny Tambatra any Fenoarivo Atsinanana ity. Tao anatin’izay fizarana ny taratasy fanasana izay izy no nosamborin’ny herim-pamoretan’ny fitondram-panjakana.
 
Omaly vao mangiran-dratsy, tamin’ny 6 ora maraina, dia efa voatemitry ny mpitandro ny filaminana koa ny toerana tokony hivoriana tao amin’ny « Saint Benoit », « ary hatramin’ny fikarakarana ny sakafo ho an’ireo mpivory omaly aza no nakorontan’ireo hery nirahin’ny mpitondra », hoy ny akom-baovao avy any an-toerana. Isan’ny anarana nisongadina omaly, tao anatin’izao fandefasana mpisambotra sy mpanakorontana ny fikarakarana ny fivorian’ny Tambatra izao, ny anaran’ny lehiben’ny Faritra any Analanjirofo.
 
Ny nisongadina koa omaly dia vao mainka nampirongatra ny mponina tao Fenoarivo Atsinanana  izao fihetsiky ny mpamoritra nalefan’ny fanjakana izao, ka na olona tsy nieritreritra handray anjara tamin’io fivoriana io aza, dia tonga teny saingy diso fanantenana satria tsy azo notanterahina ilay fihaonana. Rahampitso sabotsy moa dia ny Tambatra ao an-drenivohitr’i Toamasina no fantatra fa hiara-hivory amin’i Pety Rakotoniaina, ka asa na ho afaka hanatontosa an’io fivoriana io, izay karakaraina ao amin’ny « gymnase » Soavita io ry zareo Tambatra sy ny mpiara-dia aminy na tsia…

Ralay    gdi 06-07-2006