Auteur : Mpankahery (12.65.7.xxx)
Sujet : Tendrin'Andriamanitra ianao ry Pety Rakotoniaina
Date : 25/11/2003 02:25:45

Dia arahabaina manokana Atoa Pety Rakotoniaina, na dia tsy mbola
mivoaka aza ny voka-pifidianana ofisialy.

Mahery ianao. Tena mahery satria tsy adala akory sanatria ny
vahoakan'i Fianarantsoa nifidy anao, ka dia tso-drano sy
fankaherezana no atao anao.

Matoky izahay fa tsy handraraka ilo mby an-doha ianao fa
hisikoponitra hampandroso an'i Fianarantsoa sy ny vahoakany
hatrany.

Voaporofo izao fa tendrin'Andriamanitra tokoa ny hitantananao
an'i Fianarantsoa Atoa Pety Rakotoniaina satria feon'ny vahoaka
feon'Andriamanitra.

Mitondra amim-bavaka ny adidy sy fanamby goavam-be izay miandry
anao ny vahoakan'i Fianarantsoa.

Mpanohana sy mpankahery