Fifanatonana pôlitika : “Hevi-bahoaka io fa tsy an’ny 3FN ihany”

Naneho ny heviny momba ny dingana hirosoan’ny mpitondra fanjakana sy ny mpanohitra ao anivon’ny 3FNamin’ny fifanatonana ankehitriny ny filoha mpitarika ny Tambatry ny Nosy, Pety Rakotoniaina, raha sendra ny mpanao gazety omaly, nandritra ny fandalovany teto andrenivohitra.

Naneho ny fankasitrahany ny fahavononan’ny mpitondra fanjakana hifampidinika amin’ny mpanohitra aloha izy, ary naneho ny fisaorany ny Sekretera Jeneralin’ny Firenena Mikambana, Kofi Annan tamin’ny nahafahany “nandresy lahatra” ny mpitondra ho amin’ny fanekena an’izay fifanatonana izay.

Notsorin’i Pety Rakotoniaina anefa ny foto-kevitra niaingan’io hoe “fifanatonana sy fifampidinihana an-databatra boribory” io.

Ho azy Pety Rakotoniaina dia olana pôlitika no misy eto. Manana ahiahy momba an’izay olana pôlitika izay ny vahoaka sao ka mbola hisy indray ny ady hifamonoana eto. Matahotra, noho izany, ny maro, hoy izy.
Ny tarigetran’ny vahoaka amin’ny ankapobeny eto Madagasikara, hoy ity filohan’ny Tambatra ity, dia ny mba hananana antoka ny tsy hisian’izay ady izay intsony eto. Noho izany, hoy izy, dia tsy raharahan’ny mpanohitra ao amin’ny 3FNsy ny mpitondra fanjakana ihany io fifampiresahana io fa raharahan’ny vahoaka sy ny hery velona rehetra eto amin’ny tany sy ny fanjakana mihitsy.
Raha ny marina aza, hoy ity Ben’ny tanànan’i Fianarantsoa Renivohitra ity, dia ny olona ivelan’ny mpanohitra sy ny fitondrana no tena nitaky an’io fifampiresahana io. Ny vahoaka mihitsy no tompon’io, hoy izy, ka ilaina handray anjara amin’izy io ny hery velona eto amin’ny firenena.
Mba hahafahan’io fihaonana io handraisan’ny vahoaka avy amin’ny alalan’ny hery velon’ny firenena mandray
anjara sy mifampidinika amim-pitoniana amin’izy io, ary mba hahazoana miantoka ny hivoahan’ny vokatra mahasoa ny tany sy ny firenena avy amin’izy io, hoy ihany i Pety Rakotoniaina, dia manana anjara adidy hiantoka ny lany amin’izy io ny fanjakana. Tena raharaham-panjakana azo ambara ho faran-tampony mantsy ny hodinihina sy hifanakalozan-kevitra ao, hoy ihany ny filohan’ny Tambatra, satria ny raharaha pôlitika amin’ny ankapobeny dia hojerena amin’ny antsipirihany ao, ny resaka toekarena dia hohadihadiana lalina ao, ny tontolo sosialy dia hotrandrahina ao, sy ny sisa.
Etsy an-kilan’izany dia heveriny fa tsy tokony hihalangalana amin’ny fandefasana solontena fotsiny amin’izy io ny Filohampirenena fa mba ho mpandray anjara mivantana, ary manana adidy ho eo koa ny Firenena Mikambana amin’ny alalan’ny solontenany eto.
Raha nanome ny hevitry ny 3FNmomba an’izay moa ny mpitondra tenin-dry zareo, ny Pastora Andriamanjato omaly tolakandro ihany, dia nanipika fa ilàna fandinihana sy fifanojoan-kevitra tsara izany, ka mety ho dingana hahatongavana amin’izany fihaonan’ny hery velon’ny firenena izany ny resaka efa mandeha ankehitriny.
Raha ny marina aza, hoy ny Pastora Andriamanjato, dia iny Fihaonambem-pirenena tokana notanterahina teny Andoharanofotsy tamin’ny taon-dasa iny dia efa tokony ho nanana endrika fikaonandohan’ny hery velona rehetra, saingy ny ankolafin’ny mpitondra sy ny mpiara-dia taminy no nidongy tsy nety nandray anjara tamin’izy iny.
Mety hiverina indray ange izany ny kisary tamin’ny taona 1991 ê ! Tamin’izany fotoana mantsy dia niainga avy amin’ny fifanatonan’ny Praiministra Razanamasy sy ny Pr Zafy Albert tamin’ny alalan-dRakotovahiny Emmanuel ny resaka rehetra.
Izay hevitra niombonana avy amin’izay no nivelatra ka nahatonga ny fifanarahana teny amin’ny Hôtely Panorama ny 31 oktobra izay nandraisan’ny solontenan’ny ankolafin-kery maromaro anjara, toa ny Hery Velona Rasalama, ny Mmsm, ny Hery Velon’i Madagasikara, ny tafika, ny Ffkm, ny fanjakana notarihin-dRazanamasy. Io fifanarahana teny amin’ny Hôtely Panorama ny faha-31 oktobra 1991 io no nanangana ny rafitry ny fitondrana tetezamita izay nametrahana ho isan’ny Andrim-panjakana ny Fahefana Avom-panjakana (Hae) notarihin’ny Pr Zafy sy ny Filankevitra ho amin’ny fanarenana ny toekarena sy sôsialy, (Cres) notarihin’ny Pastora Andriamanjato sy i Manandafy Rakotonirina. Ny mpikambana tao amin’ny Fitsarana Avo momba ny lalampanorenana (Hcc) koa moa dia nifanarahana teny amin’ny Hotely Panorama fa samy manolotra olona handrafitra izany ny Filohampirenena (Ratsiraka) sy ny Hae ary ny governemanta. Toraka izany koa ny mpikambana tao amin’ilay Filankevi-pirenena momba ny Fifidianana (Cne).
Ny fifanarahana teny amin’ny Panorama tamin’ny 31 oktobra koa no nanipika ny fanatanterahana ny Fihaonambem-pirenena (Forum National) ialohavan’ny Fihaonambem-paritra (Forums régionaux), ka ny Ffkm no misahana ny fikarakarana azy, fa miantoka ny vola hoenti-manatanteraka azy kosa ny fanjakana.
Tantara tsy fanadino izany, ary zary taratra amin’ny fiandohan’ny resaka amin’izao fotoana fa mety hitovitovy amin’izy iny ny ho tohin’ny raharaha ankehitriny, raha tsy misy ny hitsivalam-pandry na hanao izay tsy hahavanona ny resaka.

Ralay   

gdi 04-04-2006