FIFANEKENA

 
Eo anoloan'ny tombontsoa avon'ny firenena sy eo anatrehan'ny Fihetseham-bahoaka takian'ny fanavotam-pirenena ankehitriny dia mila famondronan-kery sy fanamafisana ny firaisan-kinan'ny Mpitari-tolona.
Noho izany, izahay Filohan'antoko politika , izay manao sonia eto ambany ao anatin'ny "Cellule de crise miaro ny Demokrasia sy ny Zon'olombelona " dia miombon-kevitra ka miara-manao izao fifanekena izao:
1/ Hemetraka ho ambony mandrakariva ny tombontsoa avon'ny Tanindrazana
2/ Hampandefitra ny tombontsoa manokan'ny Antoko sy Tena manokana eo anatrehan'ny Tolona iombonan'ny Firenena
3/ Hanaja ny rafitra niaraha-nanangana eo amin'ny fanatanterahana ny tolona sy hetsika manerana ny Nosy
4/ Tsy hifanenjika na hifanaratsy fa hifanampy amin-kitsim-po eo amin'ny fitarihana sy fanentanana ny fihetseham-bahoaka
5/ Tsy hisy hisaraka mandra-pahatongan'ny fandresena farany, dia ny fananganana governemanta tetezamita hanomanana fihaonambem-pirenena , hanolotra Kandidà tokana amin'ny fifidianana filohan'ny Repoblika
6/ Hametraka mandrakariva ho eo ambany fitahian'Andriamanitra ny Famonjena ny Firenena.
 
MARSON Evariste (RPSD), TSIRANANA Pierre(PFDM), MANANDAFY Rakotonirina (MFM), RAKOTOVAHINY Emmanuel (UNDD), ANDRIANANTENAINA Pierre (Farimbona), RATSIRAHONANA Norbert (AVI), RAMAROSON Alain (MASTERS), ANDRIANALIJOHN NDREMANAMPY (AMF/3FM), MARA NIARISY (Dépué AFFA), RAFATROLAZA Bary (Député AVI), RAKOTONIAINA Pety (Député MFM), RAKOTOHARINIVO Rémi (Député LEADER FANILO)