Fifidianana Ben’ ny Tanàna

« TRATRY NY ANTSOJAIN’ NY MANAM-PAHEFANA NY LISITRA MFM TANY ANTANIFOTSY », hoy Rakotovazaha Olivier

Minisitry ny Fitaterana tao anivon’ ny Governemanta tetezamita notarihin’ ny Me SYLLA Jacques tamin’ ny taona 2002 Ingahy Rakotovazaha Olivier. Mpikambana ao amin’ ny Foibe MFM izy.

Raha ny fihetsiky ny manam-pahefana ara-panjakana sasany amin’ ny raharaham-pifidianana amin’ izao fotoana no asian-teny dia nanana ny nambarany ity Minisitra teo aloha avy amin’ ny MFM ity.


« Mbola manjaka ny fiheveran-tena ho tsy maty manota sy ny hoe tany lavitra andriana ka anamparan’ ny manam-pahefana sasany ny didiko fe lehibe », hoy i Olivier Rakotovazaha.
Tsy misy tsy vaky vava sy tsy miaiky mantsy, hoy izy, fa ny kandida atolotry ny MFM ho Ben’ ny Tanàna, ao amin’ ny Kaominin’ Antsampandrano Antanifotsy, no tsy maintsy ho lany, ka dia nanaovan’ ny manam-pahefam-panjakana tao Antanifotsy izay tetika rehetra tsy handraisana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiana natolotry ny MFM.


Ny antony nambara ho tsy ahafahany mandray ireo antontan-taratasy firotsahan-kofidiana avy amin’ ny MFM, hoy ity Minisitry ny Fitaterana teo aloha ity, dia ny hoe tsy ny tany Antsapandrano Antanifotsy no nanao ny fanamarinana ny sonia (légalisation de signature) tao amin’ ny antontan-taratasy fa ny tao Antanifotsy, hany ka nilany vaniny ilay kandida. Moa ve tsy antsojay izany, hoy Ingahy Rakotovazaha ?


Nomarihiny fa ny lalàna dia manoritra amin’ ny raharaha fanamarinan-tsonia na fanamarinanan sarin-taratasy (légalisation de signature ou légalisation de photocopie) fa na aiza na aiza, ary na iza na iza tompon’ andraikitra nomen’ ny lalàna fahefana ho afaka manamarina ireny sarin-taratasy na sonia ireny ,dia manan-kery hatrany, nefa ity tao Antanifotsy ity dia ninia tsy te hahalala izany mba handrirarirana sy tsy handraisana ny taratasin’ ny kandida natahorany ho tsy maintsy ho lany ny tomponandraikitra tao.
Araka ny fanazavan’ Ingahy Rakotovazaha Olivier dia maro ireo manam-pahefana ara-panjakana sy tomponandraikitra any amin’ ny faritra sy ambanivohitra rehetra any no mbola mandika lalàna, mampihorohoro sy mandrahona vahoaka amin’ izao fifidianana ho avy izao. Ny faniriako, hoy izy, satria tsy mbola nitranga teto hatrizay ka hatramin’ izao, dia ny hisian’ olona higadra amin’ ito satria tratra nandika lalàna na nanao heloka tamin’ ny raharaham-pifidianana.

 

Ralay

 

GDI 28/10/03