Fisamborana tany Fianarantsoa : manamarika ny MFM fa nivadika ho fanenjehan’antoko ny toe-draharaha
16-04-2004 / 10:49
Mbola ahazoana akony hatramin’izao ny fomba nisamborana ireo rehetra nampangaina ho nanakorontana nandritra ny fihetsiketsehana nataon’ny mpianatra tao amin’ny Lycée Raherivelo Ramamonjy.

Nambaran’ny Mfm any amin’ny faritanin’i Fianarantsoa tamin’ny alalan’Ing. Ralaivelo Aimé fa tsy voahaja any Fianarantsoa ny zon’olombelona. Kianin’izy ireo tamin’izany ny tsy fanajana ny lalàna momba ny fisamborana tamin’ny fotoana nanaovana izany. Nisy tamin’izy ireo, hoy ny MFM any an-toerana, no tsy nampahafantarana mihitsy ny antony isamborana azy fa natao sarika am-pandriana maraina tany an-tranony fotsiny.

Tsy nanaja ny lalàna manan-kery ihany koa, araka ny nambaran’izy ireo, ny fomba nitondrana ny famotorana. Fa ny tena kianin’ny MFM Fianarantsoa mafy dia nanjary nivadika fanenjehan’olona ao anaty antoko, na ao anaty fikambanana ankehitriny ny fivoaran’izay fisamboran’olona izay.

Voahangy R.

http://www.wanadoo.mg/factu.php?sectionId=154