Hafatry ny mfm                  Ny safidinao amin’ny 15 desambra

no enti-mandamina sy mampijoro ny demokrasia

 Fandrosoana no itarihan’ny MFM antsika. Tsy te-hanan-dratsy ny MFM. Koa aoka tsy hatao taon-dasa tsy tsaroana ny olana ara-pitondrana vao nanahirana antsika teo.

Gidragidra efa saika ady anaty akata no teto noho ny fifanolanana politika. Nitondra fahavoazana ho an’ny Faritra rehetra izany.

Tiantsika hivalona tanteraka any ny gidragidra. Tiana hifampatoky ny samy Malagasy.

Izany no mahatonga antsika hifidy amin'ny 15 desambra. Ianao no hisafidy ny Solombavam-bahoaka ho ao amin'ny Antenimiera vaovao.

Io safidim-bahoaka entinao io no handaminantsika ny tany sy ny firenena.

ANTENIMIERA HANDAMINA NY TANY NO KENDRENTSIKA HATSANGANA

Ny fampiadian-kevitra manara-dalàna ao anatin'ny Antenimieram-pirenena no famahana izay fifanolanana politika momba ny fitondrana ny firenena sy ny fampandrosoana.

Ao no miadihevitra ny samy Depiote. Ao no mifanao teny ierana ny Manam-pahefana mpanatanteraka sy ny Antenimieram-pirenena.

Ny tenierana tahaka izany no demokrasia:

-         Mahatonga ny Mpitondra sy ny Vahoaka  hifampatoky tsy misy raorao,

-         Mahatonga ny ankolafiny samihafa fijery eto amin'ny firenena ho afaka mifandamina.

MAILO ANEFA ISIKA SAO NY TALOHA IHANY NO MIVERINA.

Be ny efa hita ary nizakana ny mafy tamin'ny fomba fitondrana nifandimby teto. Izao no fotoana hanilihana tanteraka amin’ireny.

Nijaliana teo aloha ny teniko fe-lehibe. Nisy foana Ramasabomanga mivelona amin’ny fanindrahindrana Filoha. Tsangan’olona iray no manjary tsy dohifin-teny fa azy samy irery ny marina. Izy no atsangana ho “DEBA”. Diso sy meloka izay hafa fijery noho ny tarik’I Deba.

Paika sy amboletra hampanjakana tokana ny antokon’ny Filoha no tohiny. Ary fahefana tsy misy setriny no iafarany. Very tanteraka ny fahamarinana.

Ny hanitsy an’izany no nitolomantsika.

Natao angady tsy mahatapaka ahitra ny Antenimiera ka tsy mahalamina ny fitondrana. Tsy misy setriny intsony ny fahefan’ny Mpitondra rehefa noferana tsy hanana fahefana ny Antenimieram-pirenena ary tsy ifanaovan’ny mpanatanteraka tenierana momba izay itondrana ny firenena. Fangoronam-pahefana sy tsirefesi-mandidy ny tahaka izany. Efa safidim-bahoaka nazava ny hanilika ny tsirefesi-mandidy.

Nanjary ombalahy tanimanga ny Depiote (ny tompony ihany no mitrena) satria ny nantsoina handray baikon’ny Filoha mpanatanteraka fotsiny. Mba olom-boafidy ihany ka nanantena hitondra fifampierana eo amin’ny fanjakana kanjo ataon’ny sasany vongan'olona mpaneky fotsiny ao anaty Antenimiera. Izany no nahatonga ny Depiote niasa taman-javatra hafa toy izay tonga any Tsimbazaza (absentéistes).

Henatra ary tsy safidintsika ny hahatonga ny Depiote tahaka izany.

FANJAKANA MARIM-POTOTRA SY TANY MANDROSO NO TADIAVINTSIKA.

Ka raha sanatria ny fomban’ny Taloha Ihany no Miverina,

-         dia tsy ho tenierana milamina ao anaty Antenimiera miaraka amin'ny Depiote ny ny fitondrana ny tanintsika fa ho baikoin’ny sasany fotsiny ny Depiote,

-         ho tapi-dàlan-kaleha isika mpanara-dalàna,

-         Rehefa henjan-droa ny fifanolanana dia tonga indray ny amboletra ary hovaky ady anaty akata tahaka ny tamin’ny herintaona aza, sanatria.

TIANAO HIFAMPATOKY TSY MISY RAORAO NY VAHOAKA SY NY MPITONDRA.

MAZAVA NY LÀLAN-KIVOAHANA AROSON’NY MFM AMINAO.

NDAO ! NY MIFIDY MFM, MIBATA FANDROSOANA.