Ingahy Manandafy sy ny Famotsoran-keloka

" Misy ifandraisany ny resaky ny frankôfônia sy i Rolland Ratsiraka"

Vahinin'ny fandaharana dian-tana tao amin'ny onjam-peom-pirenena (RNM) ny harivan'ny alahady teo ny Filoha nasionalin'ny MFM, Manandafy Rakotonirina. Isan'ny voaresany tao ny fomba fahitany ny teny nataon'i Roland Ratsiraka farany teo, izay nanambaran'ity Ben'ny Tanànan'i Toamasina ity ny tokony hamelana ny Filohampirenena sy ny Fitondram-panjakana ankehitriny hiasa amim-pilaminana, ary ny setrin'izay dia ny famelana an'ireo nanao sesintany ny tenany any ampitan'ny ranomasina hahazo hody tsy misy olana eto an-tanindrazana sy hamafana ny helok'ireo notanana noho ny raharaha 2002".


Nohazavain'ingahy Manandafy ny fomba fahitany ka nanipihany fa tsy tongatonga ho azy akory ny fanambaran'i Roland Ratsiraka iny, indrindra, nahoana no ny andro ankatoky ny fahatongavan'ny Sekretera Jeneralin'ny Frankôfônia, Abdou Diouf, izy no niteny an'iny. Etsy ankilany, na tsy nivantana aza i Abdou Diouf tamin'ny teny izay nataony teto, hoy ihany ingahy Manandafy, dia misy ifandraisany be dia be ny tenin'izy roalahy mianaka ireo momba io resaka famotsoran-keloka io. Ara-pomba diplaomatika moa no nilazan'i Abdou Diouf ny heviny nefa dia mifanandrify tsara ny tanjona tiany hahatongavana, hoy ny Filohan'ny MFM.
Ny tsy maintsy fantatsika, hoy ihany ity mpanolotsaina manokan'ny Filoha Ravalomanana ity dia sehatra tsy azo hamaivanina ary tsy azo lalovam-potsiny ny frankofonia raha momba an'i Madagasikara eo amin'ny raharaha sy ny fifandraisana iraisampirenena no asian-teny. Noho izany, raha tena te hisokatra sy hiara-miasa marina amin'ny fianakaviambe iraisam-pirenena isika, hoy ihany ingahy Manandafy, dia tsy afaka ny hanampin-tsofina amin'izay hevitra tian'ny Frankofonia hotontosaina.


Tsy afaka ny hiolonolona mantsy isika, hoy izy satria ny 70%-n'ny fampiasam-bola ilaintsika amin'ny fampandrosoana ny toekarentsika dia tsy hitantsika afa-tsy amin'ny alalan'ireo vahiny sy ny rafi-bola iraisampirenena. Noho izany dia tsy maintsy milefitra eo anoloan'izay lamina izay isika, sady tsy ny olana tamin'ny fifidianana 2001 koa no ndeha hifampitaritarihana aty amin'ny taona lavitra aty fa tokony hifanadino sy hiara-manangana zavatra vaovao iombonana.
Dia mazava izany aloha ny hevitr'Ingahy Manandafy fa na sanatria hivaro-tena aza ka izay no hahitana vola dia ikimpiana. Mifanalavitra aiza moa ny fivarotan-tena sy ny fanitsakitsahana ny fiandrianam-pirenena?

RALAY

Gdi 29/09/04