KOTO SY KALA

Oaia, oaia ry Koto sy Kala

Tsy akiala sirika tsy akiala bala

Tokana ihany hoy aho izao ny safidy

Ka tairo amin’izay ary fa aza mihidy an !

Aza manao sotrobe lava tango

Hahay ny atsy hahay ny aroa

Aza manao toy ny taingin’alika

Tombanana ambony k’iany an !

Tombanana ambany k’iany an !

Tokana ihany hoy aho izao ny safidy

Ka tairo amin’izay ary fa aza mihidy an !

Aza manao toy ny lavaka

Toy ny lava am-pefiloha

Fahavaratra fonenam-poza

Ririnina tranom-boalavo

Tokana ihany hoy aho izao ny safidy

Ka tairo amin’izay ary fa aza mihidy an !

Fa mbola ao ireo mpitsetsitra

Ao ireo mpanao taingim-bozona

Mbola ao ireo mpangoron-karena

Ao koa ny alika fiompiny e !

Tsara baiko mba hiaro azy an !

Ao ary ireo maty noana

Ao ireo resi-pahantrana

Ao ireo manao tafo lanitra

hiotra handrava ny efa

Ka lazao ho’ah’

Hiaraka amin’iza hoy aho iela ?

Tokana ihany hoy aho izao ny safidy

Ka tairo amin’izay ary fa aza mihidy an !

Ireo mpangoron-karena mandidy

Mihinana ny ratsy vitany tsy afa-pifonana

Ka na vahiny izy na tera-tany

Ialako tsiny fa iray ihany

Tokana ihany hoy aho izao ny safidy

Ka tairo amin’izay ary fa aza mihidy an !

Iray petsa petsa amin’ireo mpanandevo

Dia ho voafatotra mandrakizay a !

Izay miaraka amin’ny madinika

dia ho afaka mandrakizay

Oaia, oaia ry Koto sy Kala

Tsy akiala sirika tsy akiala bala

Tokana ihany hoy aho izao ny safidy

Ka tairo amin’izay ary fa aza mihidy an !

 

RALAY