NY VONDROM-PARITRA VAOVAO

 Lalàna laharana faha-94-001

 Mametraka ny isan’ny Vondrom-paritra anapariaham-pahefana sy famaritana azy ary anarana entiny mbamin’ny renivohitra ao aminy, nasiam-panovana.

Ny antemierampirenena no nandany tamin’ny fivoriana nataony ny 15 Marsa 1994,

Ny Filohan’ny Repoblika,

Araka ny fanapahana laharana faha-5-HCC/D.3 tamin’ny 5 Aprily 1995, no mamoaka hampanan-kery nylalàna izay toy izao ny andinidininy :

 TOKO VOALOHANY

FEPETRA ANKAPOBENY

 Andininy voalohany – Izao lalàna izao no mametra ho fampiharana ireo fepetra voalazan’ny andinin’ny faha-126 ao amin’ny Lalampanorenana sy ireo andininy faha-4, faha-5 ary faha-6 entin’ny laharana faha-93-005 tamin’ny 28 janoary 1994 anaovana ny sori-dalana ankapobeny itondrana ny fanapariaham-pahefana, ny isany ny famaritana, ny anarany entiny mbamin’ny renivohitry ny Vondrom-paritra anapariaham-pahefana

 Sokajy 1

Momba ny fandaminana mikasika ny lafin-tany

 And.  2. – Araka ny voalazan’ny andininy faha-4 entin’ny laharana faha-93-005 voatondro ao amin’ny andininy voalohany etsy ambony, ireto Vondrom-paritra anapariaham-pahefana :

-         Ny Faritra, vondrom-paritra

-         Ny Departemanta, vondrom-paritra mpanelanelana

-         Ny kaominina, vondrom-paritra fototra.

 And.  3. – Ny Tanim-pirenena dia mizara ho Faritra valo amby roapolo (28), Departemanta valo amby dimampolo amby zato(128) sy Kaominina dimy amby sivifolo sy roanjato sy arivo (1296).

 TOKO II

MOMBA NY FETRAN-TANIN’IREO VONDROM-PARITRA ANAPARIAHAM-PAHEFANA SY NY ANARANA ENTINY ARY NY RENIVOHITRA AO AMINY

 And.  4. – Ny Faritra dia azo avy amin’ny fikambanan’ny Departemanta telo raha kely indrindra ary roa ambin’ny folo raha betsaka indrindra.

 And.  5. -  Ny Departemanta dia azo vy amin’ny fitambaran’ny Kaominina dimy amby roapolo (25) raha betsaka indrindra

 Ny Kao minina iray izay manana ireo toetoetra voatokana hisahana ny lafiny ara-tsosialy sy ara-toe-karena sady matanjaka sy araka ny ilàna azy ka ny fahefany  eo amin’io faritra io dia manana endrika manokana ara-jeografia, dia azo atao ihany ho Departemanta raha ilana izany

 And.  6. -  Ny Kaominina dia mizara ho kaominina ambonivohitra na ambanivohitra arakaraka ny fipetraky ny fitombon’ny mponina ao aminy ka mahaton azy na tsia ho lasa fitambaran’ny tanàna ambonivohitra.

Tsy azo atao koaminina ambonivohitra afa-tsy ireo tanan-dehibe manana endri-tanàna mitambatambatra toy ny tanàn-dehibe, ka manana eo am-pelatanany loharanom-bola ilaina amin’ny fampifandanjana ny tetibola izay ampy hiantoka ireo loloha sy andraikitra ara-bola takian’ny fiaimpiaina’ny olon-tsotra ao amin’ny kaominina toy izany.

Raha ny tokony ho izy dia tsy misy kaominina ambonivohitra na dia iray aza azo atsangana, raha tsy manana mponina miisa dimy arivo (5000) fara-fahakeliny.

Noho ny antony manokana, ireo toerana sasantsasany izay misy mponina miavosa ka eo anelanelan’ny diman-jato sy roa arivo (2500) sy dimy arivo (5000) ny isanyh, dia azo atsangana ho kaominina ambonivohitra raha toa izy ka manana loharanom-bola sahaza ilaina amin’ny fampifandanjana ny tetibola ao aminy araka ny voalazan’ny andalana faha-2 etsy ambony.

 And.  7. – Ireo tanàna sy ireo vohitra madinidinika maromaro ao amin’ireo faritra tena ambanivohitra no mitambatra ho kaominina ambanivohitra.

       Ny haben’ny velaran-taniny dia afaka miovaova arakaraky ny habetsahan’ny mponina ao aminy sy ny loharanom-bola eo antoerana ary izany anefa dia tokony tsy hidadasika loatra na ho kely loatra fa araka izay tokony ho mety indridra.

 And.  8. – Didim-panjakana iray raisina eo am-pivorian’ny Minisitra araka ny tolo-kevitra aroson’ny miandraikitra ny Atitany araka ny fanapahan-kevitra noraisin’ny filankevi-paritra no handaharana na kaominina ambanivohitra na ambanivohitra ka tsy maintsy hajaina amin’izany ny fepetra voalazan’ny andininy faha-6 sy faha-7 etsy ambony.

      Na izany aza anefa, eo am-piandrasana ny fivoahan’ny didim-panajakana voatondro ao amin’ny andalana etsy ambony, ireo vondrom-paritra ambonivohitra tanisaina ao amin’ny tovan’ny hitsivolana laharana faha-78-009 tamin’ny 5 mey 1978 dia mitazona hatrany ireo satan’ny kaominina ambonivohitra.

       Ny fanovana ny fandaharana ireo kaominina dia tafiditra ao amin’ny sehatra sahanin’ny didim-panjakana ary izany dia atao araka ny fetepra mitovy amin’ny fanolorana azy ihany sy rehefa nanontaniana ny hrviny ny filankevitra monisipaly na kaominaly sy ny filankevi-paritra voakasik’izany.

 And.  9. – Na manao ahoana na manao ahoana, ny renivohitr’ireo vondrom-paritra anapariaham-paehfana voatondron’ireo andininy faha –4, faha-5 sy faha-6 ary faha-7 etsy ambony dia eo amin’izay tanàn-dehibe indrindra ao amin’izy ireo izay ahitana taratra ny lanjan’anarana entiny no sady mahavita ireo asa aman’andraikitra maha-mpitarika sy maha-kitro ifaharana azy amin’ny fampandrosoana ara-toekarena.

 And.  10. – Ho hita ao amin’ny tabilao atovana izao ny isa, ny fetran-tany, ny anarana entiny sy ny renivohitry ny farita tsirairay avy, ny departementa tsirairay avy ary ny kaominina tsirairay avy.

 And.  11. – Mba ho fampiharana ireo fepetra voalazan’ny andinininy faha-5, andalana faha-2 etsy ambony, ny fari-piadidian’ny kaominina ambonivohitra an’Antananarivo-Renivohitra, ny an’i Nosy-Be ary ny an’i Sainte-Marie dia mahasahana vondrom-paritra iray dia ilay ambaratonga faharoa : ny departementa.

 And.  12. -  Ny lalàna no mametra, raha ilaina izany, ny sata manokana itondrana ireo Kaominina ambonivohitra sasantsasany izay hita fa ny velaran’ireo fitambaran’ny tanànany, ny fahasamihafan’ny fizarazaran-taniny, ny fitomboan’ny mponina izaitratra sy ny firaisan-kina efa voajanahary aminy sy amin’ireo tanàna manodidina azy, dia mitaky fampiharana vahaolana manokana mba handraisana an-tanana ny fifehezana ireo olana ankapobe mikasika ny fanajariana ny tany ary ny fitantanana ireo sampandraharaham-panjakana.

 And.  13. - Ireo fanovana atao amin’ireo fetran-tanin’ny vondrom-paritra anapariaham-pahefana, izay miompana amin’ny vondrom-paritra iray mba hitambatra amin’ny iray hafa, dia tapahina amin’ny alalan’ny lalàna rehefa nanome ny heniny ara-dalàna ny filankevitra voakasik’izany.

        Torak’izany koa momba ny fanovana sy ny fanendrena ny renivohitry ny vondrom-paritra izay tsy maintsy atao amin’ny alalan’ny fanapahan-kevitra noraisin’ny filankevitra voakasik’izany amin’ny fotoam-pivoriany voalohany.      

 And.  14. -  Amin’ny fanovana ireo fetran-tanin’ny vondrom-paritra iray, na ny famoronana vondrom-paritra iray, ny famindrana ireo fananana sy ny eo am-pelatanana ary ny trosa any aman’olona mifandraika amin’izany dia atao araka ny didim-panjakana raisina eo am-privorian’ny Governementa, araka ny tatitr’ireo vaomiera manokana atsangana mba hiandraikitra an’izany sy rehefa nanome ny heniny ireo filankevitry ny vondrom-paritra voakasik’izany.

 And.  15. – Amin’ireo tarehin-javatra rehetra voatondro amin’ny andininy faha-13 sy faha-14 voalaza etsy ambony, ny na ireo solontenam-panjakana ao amin’ny faritra  voatohina dia mampanao fanadihadiana mikasika ilay volavolan-kevitra ary manao tatitra mikasika izany any amin’ny Governementa.

 And.  16. –  Ny solontenam-panjakana ao amin’ny faritra no mandamina, ary ny fahefana mpitsara no mitsara ireo fanoherana mikasika ny famaritana ny vondrom-paritra raha toa ka tafiditra amin’izany ireo kaominina ao amin’ny departementa iray, ary ny Minisitra miandraikitra ny Atitany kosa raha ohatra ka voatohina ny kaominina ao amin’ny departementa roa na maromaro. Didim-panjakana atao eo am-pivorian’ny Minisitra no andravonana azy raha toa ka mahakasika ireo fatitra na ireo departementa izany.

 And.  17. -  Foanana ary dia foana ireo fepetra rehetra tany aloha ka mifanohitra amin’izao lalàna izao

 And.  18. -  Havoaka amin’ny gazetim-panjakan’ny Repoblika izao lalàna izao.

 Hotanterahina izany fa lalàm-panjakana.

 Avoaka hanan-kery, Antananarivo, ny 26  Aprily 1994

 

Pr ZAFY Albert