« Voahitsakitsaka ny fifanarahana nifanaovanay MFM tamin'ny Filoha Ravalomanana » , hoy i Germain Rakotonirainy

Nandritra ny fivahinian’ ny Sekretera Jeneralin’ ny Antoko MFM, Rakotonirainy Germain, tao amin’ ny fandaharana TERABARY, tao amin’ ny onjampeon’ ny Radio ANTSIVA, ny alahady teo, no nanambaran’ ity olona faharoa ao amin’ ny MFM ity fa nisy fifanarahana nifanaovan’ ny samy olon-dehibe tamin’ ny volana Aogositra 2001, dia ny Kandidà Ravalomanana Marc ankilany, sy ny mpikambana tao amin’ ny Birao Politikan’ ny MFM, andaniny. « Maromaro ireo lafin-javatra niombonan-kevitra tamin’ izany, ary tena nifamatorana mihitsy, ka nahatonga anay MFM ho nanapa-kevitra tao amin’ ny VOVONANA MFM, fa ny Kandidà Ravalomanana no hotohanana mandritra ny fifidianana Filohampirenena ny 16 Desambra 2001. Voalohany tamin’ izany, hoy Ingahy Rakotonirainy Germain, ny famaritana fa tsy ho mpiasa sy ho irakiraka intsony ny malagasy amin’ ny faritra tsirairay misy azy, fa ho tompon-draharaha. Ny tanjona amin’ izany, hoy izy, dia mba hisy mpandraharaha toa an-dRavalomanana any amin’ ny faritra rehetra manerana ny Nosy. Izay no teny nifanomezana ho amin’ ny hampanankarena ny malagasy rehetra, hoy izy. Fotokevitra nifanarahana tamin’ ny Kandidà Ravalomanana tamin’ izany fotoana koa, hoy ihany ny Sekretera Jeneralin’ ny MFM, ny fanajana toy ny anakandriamaso ny Demokrasia, sy ny fahafahana maneho hevitra. Teo koa ny hoe fanovana ny Lalampanorenana ankehitriny, sy ny fanavaozana ny Fehezan-dalàna momba ny Fifidianana. Misy hafa koa, fa ampy hamehezana ny mety ho toeran’ ny MFM eo anoloan’ ny Fitondram-panjakana ankehitriny izany, hoy izy ».

« Na ny iray amin’ ireo aza ankehitriny dia tsy hita taratra ny ho firosoana aminy, hoy Ingahy Rakotonirainy, fa ny mifanohitra amin’ ireo aza no iaraha-miaina eto, ary ny fivarotana tany ho an’ ny vahiny no toa mahadodona ny Filoham- pirenena, nefa tsy nisy nifanaraka taminy momba izany hatramin’ izay. Ho anay, hoy ihany ity olona faharoan’ ny MFM ity, dia voahitsakitsaka ny fifanarahana nifanaovana tamin’ ny Filoha Ravalomanana, ka dia tapaka hatreto ny fifandraisanay MFM aminy ary vita ny resaka fa tsy misy zavatra azo antenaina aminy intsony »

.
Isan’ ny nomarihin’ i Germain Rakotonirainy koa, raha nanontaniana izy hoe « vonona handray anjara ao amin’ ny Fitondram-panjakana ve raha antsoin’ ny Filoham- pirenena ? », dia notsoriny fa « tsy hainy ny mihatsaravelatsihy, ka tsy afaka ny hiara-miasa amin’ ny Filoham- pirenena izy satria olona mpivadibadi-dela ny Filoha. Isan’ ny nanaporofoany izany ny teny nataon’ ny Filoha Ravalomanana tatsy amin’ ny Nosy La Reunion, fa tsy hisy ny fampihavanam-pirenena, nefa tany Senegal izy dia toa ny mifanohitra amin’ izay indray no nambarany, ary hafa indray koa ny noventsiny rehefa tany Zambia izy ».


Azo ambara ve izany fa tsy isan’ ireo hery mpanohana ny Filoham- pirenena intsony ny MFM raha izay filazan’ ny Sekretera Jeneraliny izay no dinihana ?

 

RALAY

 

GDI 20/08/03