Manandafy Rakotonirina sy ny MFM:"I Jacques Sylla no tena olana !"

Notontosaina teny Maibahoaka Ivato, nandritra ny roa andro, ny fivorian’ny komity foiben’ny antoko Mfm, izay nahitana an’ireo mpikambana ao amin’ny birao foibe, tarihin’i Manandafy Rakotonirina, sy ireo lehiben’ny Mfm isam-paritra (faritra 22).

Omaly tolakandro no nifarana izany, ka nanaovan’ireo mpivory valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety ny vokatry ny ady hevitra tao. Ny filoha nasionalin’ny Mfm, Manandafy Rakotonirina, no nitarika ny fivoriana sy ny valan-dresaka tamin’ny mpampahalala vaovao. Nohamafisin’ny komity foibe ny ilàna ny famotsoran-keloka momba ny raharaha 2002, ary dia notakian’ity antoko ity mihitsy moa ny hirosoana amin’izany.

"Tsy maintsy sorohina ny hitrangan’ny ady an-trano eto, satria saika isehoan’io fifamonoan’ny samy mpiray firenena io ny tany aty Afrika, izay misy ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, toy ny solitany na nikela sy ny hafa. Tsinjo sy ahiana ny hisian’izany eto, raha tsy hay ny mifehy sy mametraka ny aro-fanina momba azy", hoy i Manandafy Rakotonirina sy ireo namany. "Zovy mantsy no tsy mahafantatra", hoy ity CSR tamin’ny faha-Repoblika faharoa ity, izay nisahana ny lafiny indostria, "fa amin’ny volana septambra ho avy io no hanomboka ny fitrandrahana ny solitany ao Bemolanga, ary tsy lavitra intsony ny an’ireo harena an-kibon’ny tany hafa ?".

"Any amin’ny tany afrikana hafa, isehoan’ireny fitrandrahana harena sarobidy ireny, dia misy ny famatsiana fitaovam-piadiana ataon’ny avy any ivelany, ka izay no zary manome vahana an’ilay ady an-trano. Ekena fa tsy mbola tonga amin’izany ny eto Madagasikara, satria mbola fifanasana vangy fotsiny ihany aloha hatramin’izao no iainana eto, saingy raha ny fitrangan’izany rehetra izany no jerena, dia mety hitohy amin’ny fifamonoana sy ady saritaka tokoa izany, ka lalana iray hisorohana ny tsy hahatongavana amin’izany ny famotsoran-keloka (amnistie)" hoy ireo mpiara-nivory teny Maibahoaka.

"Ny vato misakana sy olana amin’izany rehetra izany dia i Jacques Sylla", hoy hatrany i Manandafy Rakotonirina sy ny MFM omaly, "satria ny governemanta no manana ny fahefana hanolotra volavolan-dalàna (initiative de loi), kanefa dia tsy mety manao izany ny Praiministra Sylla". Nomarihin’ny Mfm hatrany fa "ny anjara-andraikitry ny filohampirenena, araka ny fahefana nomen’ny Lalàmpanorenana azy, dia efa vitany. Tsy inona io fa ny famindram-po tamin’ny fanenana sazy (grâce présidentielle), izay efa nataony isaky ny vanim-potoana nahamety izany (voalohan’ny taona sy fetim-pirenena)".

Noampangain’ny Mfm ho "fototry ny fanenjehana ny depioten’Ikalamavony, Herihajaina Andrianirina, koa i Jacques Sylla". Tamin’ny fanazavana omaly mantsy no nitondran’i Manandafy tohan-kevitra iray momba an’io, ka nilazany fa na tsy novantanin’i Sylla aza ny teniny hoe "misy depiote migadra izay anaovan’olona fanelanelanana ny hamotsorana azy", dia tsapa fa ny depiote Herihajaina io. "I Sylla koa no tsy manaja ny fisaraham-pahefana (séparation des pouvoirs) eto", hoy ihany izy ireo, izay nanipihany ihany koa fa, "raha nitranga ny raharaha, teny amin’ny lycée Raherivelo Ramamonjy tany Fianarantsoa, dia i Sylla no lehiben’ny fahefana mpanatanteraka nampaniraka ny zandary nisambotra ireo olona voarohirohy tamin’iny raharaha iny, nefa rehefa notsarain’ny fahefam-pitsarana izany dia afaka avokoa ireo voasambotra ireo. Ny depiote Herihajaina anefa, hatramin’izao, dia tsy mbola voatsara satria sahirana ny fitsarana noho ny tsy fahitana porofo itanana azy, fa ny mitana ny fahefana mpanatanteraka no manery ny fitsarana hitana ka handrirarira ny raharaha. Endrika isehoan’ny tsy fanajan’ny mpanatanteraka ny fisaraham-pahefana izany".

Nasian’i Manandafy Rakotonirina fanazavana kely koa ny fihaonambem-pirenena teny Andoharanofotsy, ka notsindriany fa, "aorian’ny ady mitranga no ilàna ny fihaonambem-pirenena. Tsy nisy izany teto fa ny ilaina izao dia ny fijerena izay fomba tena hanatanterahana ny fanjakana tsara tantana sy ny fanjakana tan-dalàna, ka izay no ilàna ny famotsoran-keloka"…

Ralay

Gdi 040705