Manandafy Rakotonirina - Raharaha 2002:“Tsy nisy heloka nataon’i Pierrot Rajaonarivelo”
 
Vahinin’ny fahitalavitra Tv Plus ny zoma hariva teo i Manandafy Rakotonirina. Tamin’ny fanazavana nataony no nanambarany fa ilaina sy hamafisiny ny tokony hanaovana famotsoran-keloka momba ny Raharaha 2002 mba hisian’ny fampihavanam-pirenena marina. “Tsy ny Crn eny Ivandry no manao ny Fampihavanana fa ireo manao sesitany ny tenany any ampitan’ny ranomasina sy ireo mbola voafonja eny Antanimora sy Tsiafahy, andaniny, ary ny fitondrana sy ny Tim, ankilany”, hoy izy. Tamin’izay no nanambaran’ity Filoha Nasionalin’ny Mfm fa “tsy nisy heloka nataon’i Pierrot Rajaonarivelo momba ny Raharaha 2002, fa I Tantely Andrianarivo sy Ratsiraka no nanana andraikitra tamin’ny volam-panjakana nozarazarainy sy tsy nanarahany lalàna teto”.
Nomarihin’i Manandafy koa fa ao anatin’ny fifampiresahana sy fiaraha-miady hevitra no tokony hamahana ny olana aoriana raha misy, ka tokony hanome antoka demôkratika Ratsiraka sy Ravalomanana fa hanaja izany foto-kevitra izany. Ho an’i Manandafy dia tokony hiantoka Ratsiraka fa tsy hanao ady an-trano na “guerre civile” intsony, ary Ravalomanana dia hanambara ampahibemaso koa fa tsy hisambotsambotra olona intsony.

Fitantanam-bola tsy fanao
Momba ny raharaham-panjakana ankapobeny indray dia nanaovan’i Manandafy fanamarihana ny fepetra nandraisan’ny fitondram-panjakana fanapahan-kevitra momba ny fitantanam-bolam-panjakana. Tsy inona io fa ny fampihenana teny antenantenany teny ny vola tokony ho ampiasain’ny fanjakana (amputation budgetaire). Tsy fanao ny zavatra tahaka ireny, hoy izy, fa tokony ho niverina naka ny fanapahan-kevitry ny Parlemanta ny governemanta raha te handray fepetra toa ireny. Ny dikan’ireny, hoy ny Filohan’ny MFM, dia na iray diso ny tetika momba ny famaritana tany am-boalohany ny fandaniam-bolam-panjakana fa ny hizarazarana ny vola no nahadodona ny nanao azy, na iray misy asam-panjakana tsy mandeha nefa tokony handeha any ho any.

Raharaham-pihariana mila ahitsy
Nanaovan’i Manandafy fanazavana koa ny tontolom-pihariana ankehitriny. Efa manomboka miditra amin’ny fampiasana teknika mifanandrify amin’ny tokony hatao eto isika izao, hoy izy, ary ohatra amin’izany ny fampiasana ny milinakely “kibota”. Misy fanitsiana tokony hatao anefa amin’izany, ka mba tsy ho fikambanan’ny tantsaha toy ny misy ankehitriny no izarana sy omena an’ireny fitaovana ireny fa mba ho vondrom-barotra manara-penitra (société à responsabilité limitée “sarl”, ohatra)

Tsy lasa lavitra ny fanamboaran-dalana
Isan’ny hevitra nohazavain’i Manandafy tamin’ny zoma koa ny raharaha momba ny fanamboaran-dalana ankehitriny. Tsara ireny, hoy izy, fa tsy lasa lavitra. Ny foto-kevitra tokony hibaiko dia hoe “misy lalana mampitohy ny fokontany sy ny kaominina amin’ny alalan’ny fampiasana sarety”, dia misy ny avy amin’ny kaominina miakatra amin’ny Faritra na “région”, ary toa izany hatrany. Hatramin’izao anefa, hoy ihany i Manandafy, dia tsy hita soritra ny any amin’ny fokontany, ary na ny any amin’ny kaominina aza dia mbola tsy mazava.

Efa nambara tamin-dRavalomanana
Ireo olana rehetra notanisain’i Manandafy Rakotonirina ireo, na ny raharaha pôlitika na ny resaka fitantanam-bola na ny momba ny fihariana sy ny hafa, dia “efa nambaranay tamin’ny Filoha Ravalomanana”, hoy izy. Efa notsorinay mivantana taminy ny tsy fankasitrahanay ny ipetrahan’i Sylla amin’ny toeran’ny Praiministra satria izy no fototry ny sakana tsy ahafahana miroso sy manitsy ny tokony hanatsarana ny raharaha, saingy andraikitra manokan’ny Filoha indray ny ankoatra izay, na hanolo azy na hitana azy izy, hoy ny Filohan’ny Mfm.
Midika ve izany fa karazan’ny “afaka adidy amin-dRavalomanana ny Mfm raha miziriziry tsy hanolo an’i Sylla ?”
 
Gdi 17/10/2005