Manandafy Rakotonirina

« Afaka misoroka ny ady an-trano eto ve ny tanora » ?

Iray amin’ireo nanao famelabelarana momba ny toe-tsaina pôlitika sy ny fandraisana andraikitra pôlitika eo amin’ny tanora malagasy ankehitriny izay natao omaly i Manandafy Rakotonirina. Famelabelarana narahina ady hevitra nokarakarain’ny CDE (Club Développement et Ethique) isaky ny zoma fahefatry ny volana izy io. Ny tontolo manodidina ny fiarahamonina malagasy ankehitriny no nanombohan’i Manandafy Rakotonirina ny fanazavany. Raha ny zava-misy amin’izao taon-jato iainantsika izao, hoy izy, dia efa tontolo manodidina vaovao tanteraka mihitsy no iainana.
Ny tany amin’ny taom-polo 50 sy 60 na 70 mantsy, hoy ity Filoha Nasionalin’ny MFM ity, dia ny ho mpiasampanjakana no naharevo ny tanora malagasy. Ankehitriny dia efa fotoanan’ny fisintahan’ny fanjakana na ny “privatisation”, hoy izy, efa andron’ny “fanontoloana” na “mondialisation”. Ny olan’ny aretina Sida no atrehina sy mampihoron-koditra ankehitriny, hoy ihany izy.
Eo amin’ny lafiny toe-karena dia ihazakazahana ao anatin’izay fisintahan’ny fanjakana sy ny fanontoloana izay ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany, toy ny fasimainty any Taolagnaro. Io koa fa miseho lany ny olana eo amin’ny solika, ary isika dia isan’ny sahirana amin’izany na dia fantapantatra aza fa manana an’izay, ka mahadodona ny vahiny ny ho avy hitrandraka izany eto.
Dia notsiahivin’i Manandafy Rakotonirina tamin’izay ny mpiseho, izay efa nomarihiny moa. Manam-paniriana mafy hiditra hitrandraka ny harena misy eto ny vahiny, hoy izy, ka mampiasa ny ankolafin’olona mety hanamora izay fidirany eto izay. Misy hatramin’ny famatsian’ireny vahiny ireny fitaovam-piadiana ny teratany mihitsy aza, ary raha tsy mailo isika dia hiady anh-trano eto. Ho an’azy dia tsy namaly mivantana ny mety na tokony ho anjara-toeran’ny tanora izy amin’izay, fa ny nosoritany dia hoe “raha izay sanatria no miseho, ho hain’ny tanora malagasy ve ny hisoroka an’ilay ady an-trano?”
Ny dikan’izany ange dia hoe «hahay hiaro ny tombontsoa sy ny fiandrianampirenena ve ny tanora malagasy ka tsy ho tafiditra ao anatin’izay tetiky ny vahiny hampiady an-trano antsika eto izay e !»
Tamin’ny fanazavana sasany nataony no nampitahany ny zava-nisy tamin’ny taona 60 sy ny ankehitriny, izay mety hamaritra koa ny toe-tsaina sy ny fandraisana andraikitra ara-pôlitikan’ny tanora.

Tamin’ny fotoan’andro, hoy i Manandafy, dia nisy renim-pianakaviana tsy mahay taratasy fa ankehitriny ny renim-pianakaviana dia efa maro no nandingana ny seha-pampianarana ambony ary manam-pahaizana amin’ny lafin-javatra maro. Tamin’ny taona 60, hoy ihany izy, dia vitsy ny tanindrana nahavita fianarana ambaratonga ambony fa amin’izao fotoana dia efa marobe izany, ka tsy olana amin’ny “mpiara mihira” amin’izao fotoana intsony ny hoe “tsy manana manam-pahaizana ny faritra atsy na aroa”. Maro amin’ny Ben’ny tanàna any ambanivohitra any, izay tanora, araka ny tenin’ity Filohan’ny Mfm, no manana mari-pahaizana avy amin’ny oniversite, ary taratry ny fandraisany andraikitra ara-pôlitika izany.

Ralay

Gdi 29-04-2006