Manandafy Rakotonirina :Avereno eny Tsimbazaza ny fitsarana

Nanokatra ady hevitra momba ny raharaha Voninahitsy Jean Eugène sy Herihajaina ny filoha nasiônalin’ny MFM andriamatoa Manandafy Rakotonirina, raha nivahiny tao amin’ny fandaharana Savaravin’ny RNM ny tenany omaly. Tokony haverina hotsaraina  eny amin’ny lapan’ny antenimieram-pirenena, hoy izy, ny raharahan’ireo depiote ireo ka hanokafana ady hevitra noho izany, ny tokony hanesorana na tsia ny zo tsimatimanotan’izy ireo na ny “immunité parlémentaire”, izay vao tokony  ho nankeny amin’ny fitsarana ny raharaha.
Noho izany, hoy ihany ingahy Manandafy, mandra-pahavitan’ny ady hevitra dia tokony homena fahafahana vonjy maika aloha izy ireo. Misy lafin-javatra tsy mitombina ihany mantsy amin’ny lafim-pitsarana, araka ny teniny satria  momba ny depiote Herihajaina, raha tena marina fa nisy tokoa izany vola izany, dia tokony ho sazy mandrapahafaty no nomena azy fa tsy fito taona monja.

Governemanta
Hisaorana tsy ho ela va i Sylla?
Matetika izay tompon’andraikitra voalaza fa nahomby tamin’ny asany no esorin’ny filoham-pirenena tampotampoka. Isany, ohatra, ingahy Sahobisoa Olivier izay nahafehy ihany aloha ny olana ara-bary kanefa voadaka tamin’ny fomba tampoka. Nolazain’ny filoha Ravalomanana ary fa nahomby ny governemanta satria ny 80% -n’ireo asa nankinina taminy dia tanteraka avokoa. Velona araka izany ny ady hevitra, koa hisaorana tokoa ve izany ny lehiben’ny governemanta satria be no vitany? Ho hita eo.
Fampianarana
Hiverina hamonjy sekoly!
Amin’ity herinandro ity no hiverina hamonjy ny sekoly amin’izay ireo mpianatra rehefa avy niala sasatra kely nandritra ny telo herinandro teo ho eo. Hiverina amin’ny rotorotom-piainana amin’izay izany ramalagasy. Iaraha-mahita rahateo fa volana maina ny janoary. Hiverina hamonjy ny sekoly ihany koa ny mpanao politika indrindra ny mpanohitra izay samy nampanantena fa na rizareo 3FN na ingahy Alain Ramaroson fa mbola hanitsaka ihany ny kianjan’ny 13 mai. Tapitra eo ny fitoniana.

Ecrit par IS. R.

Gdi 09-01-2006