« Misavoritaka ka mila alamina », hoy ny kandidà Manandafy

      Madagascar Tribune : Tafapetraka izao ny antontan-taratasinao. Manao ahoana ny fahitanao ny tontolo politika eto Madagasikara amin’izao fotoana izao ?
    • Manandafy Rakotonirina : « Ny taonako sy ny zava-niainako ary izay mitranga eto Madagasikara amin’izao fotoana izao dia afahako milaza fa manahirana ny làlan’ny demokrasia. Mahalala ny tokony hatao aho satria nandalo dingana maro tamin’ny nitondrana ity tany ity, nandray anjara, mahita ny lesoka tokony harenina. Misavoritaka isika ka mila alamina. Eo amin’ny raharaha politika. Ohatra ny fifandimbiasan-toerana eo amin’ny Filoham-panjakana : misavoritaka ny antoko politika, mifanenjika, mifandona, tsy afaka mandinika izay soa iombonana. Mila mahay mifandamina isika Malagasy manoloana ny fandrangitana ataon’ny kompania voaibe marorantsana eran-tany amin’ny fitrandrahana ny harena eto amin-tsika, amin’ny fifehezana ny làlam-barotra sy làlam-bola. Tokony hisy fifanarahana tsara ny resaka politika.
    Ny amin’ny lafiny fifidianana indray dia tokony hisy lalàna sy fanaraha-maso ny vola miditra amin’ny antoko politika sy ny vola laniana amin’ny fifidianana. Ampidirin’ny olona eto ny vola, ny basy, nefa tsy voafehin-tsika ».
    Inona no azonao ambara momba ny raharaham- Piangonana ?
    • « Misavoritaka koa ny Fiangonana : FPVM, FJKM, Sectes isan-karazany, lehibem-piangonana misara-bady miharihary eny amin’ny Fitsarana tsy takona afenina intsony. Ny FFKM irery no manana fifandraisana amin’ny Fanjakana, fa ny antokom-pinoana hafa tsy manana. Mila dinihana ny anjara toeran’ny Fiangonana tsirairay. Ny asa sosialy ataon’ny Fiangonana dia lasa lavitra noho izay ataon’ny Fanjakana : fampianarana, fitsaboana. Mila alamina izany rehetra izany ».
    Ary ny fiharian-karena ?
    • « Misavoritaka. Ny fitantanam-bolam-panjakana gaboraraka. Tsy voahaja ny hoe ny Depiote mandany ny teti-bola sy manara-maso ny fandaniana azy. Amin’ny tatitra ataon’ ny Governemanta dia tsy mifanandrify akory araka izay nolanian’ny Depiote ny fandaniana nataon’ny Governemanta. Misavoritaka ny fampiasam-bola. Taloha mba nisy ilay 30 millions isaky ny Firaisana, 302 millions isaky ny Fivondronana, mba nisy zavatra itovizana. Ny “programme d’investissement“ public no-tsinjaraina isaky ny “Région“ nefa tsy notanterahana mihitsy. Ny volan’ny PSDR dia kitapo latsaka : misavoritaka, ka ambiny kely sisa no tonga any amin’ilay mpiompy na mpamboly tena mila azy. Tsy tanteraka araka ny tokony ho izy ny fifampifehezana amin’ny vola atokana ho an’ny PSDR : be ny very eny an-dàlana, ka antony tsy mampandroso izany ».
    Manao ahoana ny sehatra any ivelany sy iraisam-pirenena ?
    • « Misavoritaka koa ny any ivelany, Israel, Palestine, Soudan, Union Africaine. Ny raharaha diplomatika koa manahirana, indrindra raha miresaka ny harena eto amintsika. Manomboka mipoitra ny “Grandes mines“ : “nickel“ ao Moramanga, “pétrole“ amin’ny faritr’i Mahajanga, ilménite any Fort-Dauphin, volamena any Andavakoera… Manomboka tafiditra amin’ny “Club des grands pays miniers“ isika, ka ny fifandraisantsika amin’ny any ivelany dia misy lanjany be, satria ilay fahefam-panjakana any ivelany dia miezaka hifehy ireo harena ireo. Resaka “pétrole“ no mahatonga ny ady ao Irak. Izay koa no ahiana hitranga eto amintsika ka ilàna fandaminana sy fahamatorana mba hifehezana làlam-bola sy làlam-barotra amin’ny harena an-kibon’ny taninao. Ny harena ambonin’ny tany (fambolena sy fiompiana) : manahirana antsika ny mifehy azy, satria io no iveloman’ny olona andavan’andro. Toy izany koa ny fiompiana, ilay mitsindroka eo no mbola manahirana. Nefa efa miditra koa isika izao amin’ny fiompiana ombivavy beronono. Sarotra io, mila fahaizana, fahafoizan-tena, mamono antoka raha tsy voafehy tsara. Ny MFM ihany izao no antoko politika eto Madagasikara mpikambana ao amin’ny Imternational Libéral. Mampiasa “politique libérale“ ny ankamaroan’ny Fanjakana eran’izao tontolo izao, na samy hafa aza ny endriky ny fiarahamonina sy ny toekarena ao aminy fiarahamonina. Ny MFM dia manana fifandraisana ahafahana manatevin-daharana ny fandrosoana na amin’ny lafiny politika na ekonomika. Ny Partis libéraux démocrates rehetra aty Afrika dia mpikambana amin’ny “International Libéral“ avokoa ».
    Inona no tena dikan’ilay fahadisoam-panantenan’ny Malagasy tany Budapest ?
    • « Raha ny feo mandeha, dia tsy ampy ny ezaka ataontsika amin’ny fametrahana ny demokrasia, ka izay no mahatonga ny “Francophonie“ mihisatrisatra hanome antsika ny fanomanana ilay fivoriana. Fantatry ny olona any ivelany sy hitany ny zavatra tsy mety eto. Ny “bulletin unique“ lavintsika, ny CNEI, ny amnistie tsy ataontsika. Misy zavatra maromaro tokony ho vita tsy ataontsika. Isika tsy mandà sady tsy manaiky fa ilay hoe : “mbola miandry kely“, dia andraso lava eo. Mitsara sy manara-maso an-tsika ny olona. Matoa tonga taty i Kofi Annan, i Abdou Diouf, dia hijery an’izany. Izany no antoka raha misy olona te hampiasa vola eto, milamina ve ny tany ? Tsy misy ve ny hazakazaha arahan-tosika ? Mandeha tsara ve ny raharaham-pitsarana ? Mila mifandamina amin’izay isika fa vidian-dafo io raha avela hisavoritaka eo foana ».

 Nangonin'i Razaka Oliva

 Madagascar Tribune 7/10/06