Manandafy Rakotonirina:“Tsy mahay ny mpanohitra”
Mpanao pôlitika tsy zoviana amin’ny mpanara-maso ny raharaham-pirenena eto Madagasikara i Manandafy Rakotonirina.  
Nohararaotina ny fahitana azy omaly, raha nanotrona ny lanonam-pankalazana ny tsingerin-taona faha-56-n’ny niorenan’ny Repoblikan’i Shina Entim-bahoaka teny Nanisana izy.
Momba ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny izay vao nitrangan-dresaka indray tato ho ato no nifantohan’ny tafa taminy.
Momba ny fitakian’ny ankolafin-kery mpanohitra hanangana
fitondrana tetezamita aloha, dia nambaran’ity mpanolotsaina manokan’ny Filoha Ravalomanana ity fa “tsy mahay ny mpanohitra”. Notsoriny fa “tsy atao tsianjery fotsiny ny fandinihana ny raharaham-pirenena”. “Satria ve nisy ny Fifanarahana natao teny amin’ny Hôtely Panorama tamin’ny 31 ôktôbra 1991, izay nampanangana fitondrana tetezamita tamin’izany fotoana dia izay no haverina, na satria ve nitranga ny Raharahan’ny 10 aogositra 1991 dia mbola izay fomba izay ihany no tian-kizorana”, hoy izy ?
Tsy zoviana amin’izany resaka fanoherana izany koa aloha i Manandafy Rakotonirina, ka azo heverina fa raha izy no teo amin’ny toeran’ny 3FN ka ny fanoherana ny fitondrana no natrehiny dia mety ho nahita fomba vaovao sy mety hahomby avy hatrany ny lehilahy. Izay no tsy maintsy ho anton’ilay fitenenana hoe “tsy mahay ny mpanohitra”. Nisy koa aza ny filazan’ity Filoha Nasiônalin’ny Mfm ity omaly hoe “tsy ireny nambaran’ny 3FN ireny no tokony ho fanaovana azy”. Fa inona ? Tsy namaly ny lehilahy.
Teo anilan’izay dia nanambara koa ity mpanao pôlitika iray ity, raha nanontaniana ny tontolon-dresaka naverin’ny 3FN momba ny fifanarahana tany Dakar, izay nilazan’ny fehin-kevitra novakiana teny amin’ny Foiben’ny AKFM teny Andravoahangy ambony ny alarobia teo hoe “tsy nisy nahazo ny isam-bato antsasa-manilan’ny vato manan-kery na Ingahy Ratsiraka na Ingahy Ravalomanana tamin’ny fihodinana voalohany tamin’ny fifidianana 2001”, dia nambaran’Ingahy Rakotonirina Manandafy fa “soso-kevitr’Ingahy Ratsiraka iny fa tsy nifanarahana”. Midika koa ve izany, fa na iray voafitaka ny 3FN fa tsy nahalala ny tena vontoatin’ny fifanarahana tany Dakar, na iray te hitatitra zavatra tsy tena mifanandrify amin’ny zava-nisy amin’ny vahoaka ny 3FN aty ambadiky ny 3 taona lasa ?
Ny lafin-javatra iray nambaran’i Manandafy Rakotonirina raha nanontaniana azy moa dia ny momba ny fitakian’ny ankolafin-kery sasany ny fanovana ny governemanta Sylla. “Tsy zava-baovao tokony hahagaga izany fa mazava ny voalazan’ny Lalàmpanorenana izay manome fahafahana ny filohampirenena hanova araka izay heveriny fa mahamety ny governemanta”, hoy izy. Notsoriny kosa anefa, fa “tsy maintsy ho ny olona niara-dia tamin-dRavalomanana ihany no sahaza ny toerana sy andraikitra ao anivon’ny Governemanta raha tonga ny fotoana ho amin’izay”.
Midika koa ve izany fa tokony hifarana sy hitsahatra hatreo ny fanombantombanan’ny olona sasany hoe “mety ho i Totobesola Jean Pierre, na mety ho i Velompanahy Aristide na mety ho i Vony Roger, na mety ho i Tongavelo Athanase… no handimby toerana an’i Sylla amin’ny maha-Praiministra azy?”
Mbola azo roritina koa ny famakafakana momba an’izay hoe
“i Manandafy Rakotonirina na Ingahy Ratsirahonana Norbert Lala na i Marson Evariste na ry Razoarimihaja Solofonantenaina… no sahaza ny toeran’ny Praiministra satria ireny no mpiara-dia tamin-dRavalomanana hatrany ampiandohana ka hatramin’izao”?
Fanehoan-kevitra iray mety hanokatra ady hevitra vaovao indray koa aloha izay nambaran’ny Filoha Nasiônalin’ny MFM izay, ka tsy azo hamaivanina nefa koa dia tsy voatery ho marina tanteraka. Araka ny voalazan’ny Pr Zafy Albert mantsy dia misy ny tetik’ady na “stratégie” hirosoana amin’ny fampahombiazana ny fitakiana hametrahana an’izay fitondrana tetezamita izay.
Ny tsy azo tsinontsinoavina aloha dia tsy vitsy amin’ny mpikatroka MFM no mba mihevitra koa fa misy fiovana tokony hizorana amin’izao fotoana, satria tsy mahomby ny mpitondra fa zary mampihombo ny fahasahiranam-bahoaka ary manampatra sy manararao-pahefana fotsiny. Ny tsy tokony hohadinoina koa dia “tsy ny MFM mihitsy na i Manandafy no ndeha hitsipaka ny foto-kevitra ankapoben’ny fitondrana tetezamita”. Ny hany nosoritan’ny Filohan’ity Antoko ity fotsiny tokoa ange dia ny hoe “tsy ireny nambaran’ny 3FN ireny ny fanaovana azy ê !” Izay no mbola amerenanay indray fa mety ho manan-kevitra hametraka fitondrana tetezamita koa ny Mfm, fa lalana hafa no hitany hahatongavana amin’izany.
 
Ralay
 
Gdi 01/10/05