MANGINA RAZANDRIKO IZANY (RALAY)

Mangina, mangina, razandriko izany

Mangina, mangina, fa aza tomany

Tsy ho ela intsony i Dada dia ho avy

Hihaona indray isika mianakavy

Fa eto amin-tsika dia tsy ampy ny tany

Izany no nahatonga azy ho any

Nitsakaraka kely hamitana ny taona

Raha tsy izany isika dia ho faty noana

Ny nitsembohana tsy ela dia lany

Tsy antsika akory ange leitsy ny tany

Fa ao ny tompony tsy maka sarotra a !

Ny an-tsasahy ny vokatra dia ah’ !

Ny kely anananao a ! a !

Esorina aminao an !  an !

Manampitsotraka koa ilay mpitahy

Ny mpapa-jana-bola sy mpijirika maka vahana

Afaka manao ny atoany amin-kalalahana

Ny vokatra ange ka amidiny lafo amin’ny andro sarotra

Rehefa nalainy mora tamin-tsika tamin’ny fararano

Izy no mametra ny vidiny ts’isy ady varotra

Ny tombony azony betsaka hatrany

Isika vahoaka no idiran’angano

Misangodigodina dia midoboka

aiza ihany izy ity

Mihinana haninkotrana

Miafy miafy

Hoy ny tenin-dry zareo efa voky

Voky ny nandanian-tsika aina

Ka rehefa mafy ny ady ô !

Isika mba velon-taraina an !

Toy ny voalavo eo antanan’ny saka

Isika lalaovin’ireo mpanambaka

Voatsodranon-dRafanjakana

Hanjakazaka amin’izany tanana

Mangina, mangina, razandriko izany

Ekeko raha noana tsy tafandry mandry

Ho avy ny andro tsy ho noana intsony

Mangina mangina aoka ho tony

Ho hitan’ielà ho resy ny mosary

Tsy ho ela intsony hisy foana ny vary

Tsy ho ron’anana ihany no hilaofana azy

Fa hisy hena ka tsy vazivazy

Ny hazavana handimby ny aizina re !

Tantara mizotra ka tsy azo laizina re !

Hioitra ny ory ho fanjakana handresy

Ny mpitsetsitra antsika tsy maintsy sesy

Ny tany mena dia hitora-jofo

Ny rivo-piavotana hifofofofo

Hianga ny madinika eran’ny Nosy ey he !

Hiahy ho an’ny namana voaosiosy e !

Ho hitan’ielà ho tanterak’izany an !

Handeha hatsombadik’isika ny tany

Ho hitan’ielà ho tanterak’izany an !

Handeha hatsombadik’isika ny tany