Merina - Tanindrana:Tetiky ny mpanjanatany

Izay mivolana koa anefa ankehitriny dia samy raiki-tahotra ny amin’ny maha “filalaovana afo” azy io. Ahoana tokoa moa izany hoe « milalao afo » izany ? Ny olona milalao afo dia matetika main’izay afo lalaoviny izay na ipitihan’ny kilalaon’afo indraindray. Ny maivana indrindra amin’ny loza mety hateraky ny afo izay fipitihan’ny kilalaon’afo izay.Tokony samy handini-tena ny olom-pirenena tsirairay avy amin’izany, satria tsy hisy hahazo tombontsoa amin’io fifandrafiana amin’ny maha-Tanindrana sy maha-Merina io na iza na iza. Tsy azo tohaina intsony koa ny fivoaran’ny toetr’andro izay efa mampifamatotra ny samy malagasy amin’ny lafiny rehetra.

Mahavariana anefa, fa dia mbola misy ny sahy mandrangitra azy io amin’izao fotoana. Aoka hovantanina aloha fa mbola marin-doatra hatramin’izao ny fahendrena Malagasy hoe “ny vy tsy mikitrana irery”. Iza àry izao no sahy hilaza fa ho tompon’antok’io resaka fanomezam-bahana ny fiventesana fiaviana na foko io amin’izao fotoana ? Ny milaza ve hoe “tsy hanaiky handevozin’ny Merina intsony izahay fa efa niaritra an’izany hatry ny ela ny razambenay taloha”, sa ny manambara hoe “mandehana ianareo any amin’ny faritra misy anareo any fa aza manakorontana ny fiainanay eto Antananarivo” ? Azo tanisaina sy tohizana araka ny zavatra iainan’ny tsirairay andavanandro any ny resaka rehetra manodidina an’izany.
Ny manam-panahy rehetra dia samy hilaza fa “samy mandrangitra ny fifahasamihafana ara-piaviana ireo”, ary mety hisy akony hafa amin’ny andaniny na ny ankilany avy koa. Ingahy Manandafy Rakotonirina, Filoha nasionalin’ny Mfm, ohatra izao, omaly dia nilaza tao amin’ny
fahitalavi-pirenena fa “ny mpanam-bola vahiny te hifehy ny harena azo trandrahina eto Madagasikara no miezaka mitady ny fomba hifehezany ny mpanao pôlitika eto, ary mety ho tonga hatramin’ny fanomezana fitaovam-piadiana an’ireny mpanao pôlitika ireny mba hifamonoana eto izany”. Tsy nanavaka i Manandafy tamin’io na mpanao pôlitika eo amin’ny fitondrana na ny mpanao pôlitika mpanohitra, na koa ivelan’ny fitondrana.
Izany ange no tetiky ny mpanjanatany hatrizay teto ê ! Ny hifandrafian’ny samy Malagasy no tarigetrany mba hambaboana ny harena teto hatrizay, ka dia io maha-merina sy maha-tanindrana io no narangaranga. Tsy niova io hatrizay ka hatramin’izao.Ny mahavariana dia tsy misy tompon’andraiki-panjakana sahy mijoro miezaka manelanelana sy mandravona ary mampiray ny samy Malagasy hatramin’izao.Moa ve tsy tafiditra ao anatin’ny zaraasan’ny fitondrana amin’ny fikatsahana ny hanjakan’ny filaminam-piaraha-monina (ordre public) ny ezaka takian’ny tsy hisian’izany resaka maloto izany ? Toa manamarina koa anefa izay fa samy mandrangitra azy io na ny eo amin’ny fitondrana na ny tsy eo. Fitaovana ikatsaham-pahefam-panjakana sy iarovana an’izay fahefam-panjakana izay ange izany ny filalaovana an’io resa-poko io ê!Ny tsy azo hamaivanina izany dia tsotra: eo ny fihetseham-pon’ny olona sasany amin’ny fahasarotam-piaro amin’ny momba azy ; fa ny tena olana sy mampihoron-koditra ao anatin’izay, dia ny fahatsapan’ny vahiny te hanjakazaka eto an’izay fahalemena miendrika fihetseham-po izay, ka zary manamora ny fampidirana an’izay fandranitana hamoa-doza izay.

Ecrit par Ralay  

gdi 29-12-2005