Fivoaran'ny toe-draharaha: Tambatra sy Mfm

 

Misy tsy fifankahazoana ? Taorian'ny fanapahan-kevitry ny Vovonam-pirenen'ny Mfm izay nandatsaka an'i Manandafy Rakotonirina hofidiana filohampirenena tamin'ny alahady dia maneho ny heviny ny Mfm amin'iny faritr'i Vatovavy - Fitovinany iny fa manohana an'i Pety Rakotoniaina, izay kandida atolotry ny Tambatra amin'ny Fifidianana Filohampirenena. Isan'ireo manao sonia an'io fanambarana io ny Ben'ny tanānan'i Manakara izay mpikambana ao amin'ny foiben'ny Antoko Mfm, Rakamisilahy Martial.

 

 

Etsy ankilan'io dia maromaro amin'ireo mpikatroka Tambatra izay Mfm hatrany am-boalohany no nandray anjara tamin'ny Vovonam-pirenen'ny Mfm, ary nifanatona taorian'io Vovonana io, ka niara-nanao sonia ny fanambarana iray fa " manohana ny Kandida Rakotoniaina Pety amin'ny fifidianana Filohampirenena fa tsy miombon-kevitra amin'ny fandrotsahana an'i Manandafy Rakotonirina ". Ny tompon'andraikitra ao amin'ny Foibe Mfm  izay tafaresaka taminay anefa dia nanipika fa " tsy manana olana amin'ny fandrotsahan'ny Tambatra an'i Pety Rakotoniaina hofidiana ny Mfm, indrindra fa mbola mijanona amin'ny sata maha-Fikambanana tsotra (association) azy fa tsy mivadika ho antoko pôlitika ny Tambatra ". Ambonin'izay moa dia manana fanantenana ny mpikambana Mfm izay niara-dia amin'i Manandafy Rakotonirina amin'izao resa-pifidianana izao fa tsy maintsy hisy ny fivoaran'ny toe-draharaham-pirenena atsy ho atsy, alohan'ny 3 Desambra, ka hisy ny fifampidinihana hanitsiana ny raharaha rehetra, ka tsy maintsy ho isan'ny hiravona ao anatin'izany ny tsy fitoviam-pijery eo amin'ny Mfm sy ny Tambatra

 

Ralay

 

 Gdi 11-10-2006