MFM Ivon’Imerina

Roa loha ny dinika nihaonan’ny Mpiandraikitra MFM eto amin’ny Faritra Ivon’Imerina ny sabotsy 28 febroary maraina tao amin’ny FALDA Antananimena.
- Ny fomba itondran’ny Governemanta ny toe-draharaham-pirenena ;
- Ny fandaminana ara-penitra ny ambaratongan’ny MFM anatin’ny Faritra.
Olivier Rakotovazaha, Mpandraharaha ny fitantanana ny MFM, Rapelanoro-Rabenja Aimé Mpiandraikitra fifandraisana ivelany ary Jean Constant Raveloson Mpiandraikitra ny Faritra Ivon’Imerina no niara-nanentana ny adihevitra.
Dila ela ny mitaotao vovonana vao nisaraka ny Mpiara-midinika.


Mikasika ny fomba itondran’ny governemanta ny toe-draharaham-pirenena

Ny raharaham-pirenena ankapobeny sy ny raharahan’i Fianarantsoa no nifantohana.
Manamafy ny MFM Ivon’Imerina fa fifandaminana sy fitonian’ny mpiray firenena no ilaina handrosoana. Mandainga sy mamahan-dalitra ny vahoaka ny Mpitondra milaza fa tsy manao fepetra an’izany ny firenena na vondron-tany hanampy na hamatsy vola an’i Madagasikara.
Amin’izao anefa, vokatry ny fifanolanana politika tamin’ny 2002 dia Malagasy maro no tery, tsy afaka ho olom-pirenena miaina malalaka satria tsy nahavitra ny Lalàna fanafoanan-keloka ka tokony navoakany ny Antenimieram-pirenena (Loi d’amnistie). Ilaina ny fanafoanan-keloka mba tsy hovoatery hihenjana vao afa-mipoitra ireo tsy niray hevitra amin’ny Fitondrana. Sorohana ny fifandranitana sy ny kakay politika tsy ho tarazo taona maro lovan-taranaka.
Noho izany : Disoin’ny MFM Ivon’Imerina ny fomba fitondrana mamoritra, manao "tsindrio fa lavo" sy mamery zo ny olona tsy mitovy hevitra amin’ny Mpitondra na resy tamin’ny fifidianana. Mampifanandrina sy mampiromoromo ny mpiray firenena izany ary mampihemotra ny famatsiam-bola sy fampiasam-bola tokony ho amin’ny fampandrosoana.
Momba an’i Fianarantsoa dia manaitra ny Mpiray firenena ny MFM amin’ny fomban’ny Governemanta hendrantrendratra mandrehitra fifandrafiana.
Olana azo vahana eo amin’ny Direseb na DRH tahaka ny famindran-toerana rehetra ny an’ny Provizera ao Fianarantsoa. Kanefa ny Governemanta no miara-mioko amin’ireo mpisolelaka politika resy tamin’ny fifidianana ka manararaotra manao valifaty amin’ny vahoaka any an-toerana. Toa izany ny fampidirana hery mitam-piadiana avy aty ivelany fa tsy matoky ny mpitandro ny filaminana any an-toerana.
Fitondra tany miady, fisokerana sy fisakanan-dàlana ny miditra sy mivoaka ny renivohitr’i Betsileo, famoronana heloka sy fisamborana an’ireo naharesy tosika ny mpila handitra tany an-toerana. Mpitondra tapi-dàlan-kaleha no mamoritra aman-kery tahaka izany.
Eo anatrehan’izany dia samy mitatitra ny mpikambana MFM fa manakivy ny mponina ary mamosavy ny fitokisan’ny vahoaka eto anivon’Imerina ny mpitondra izay nofidiny izao paipaika itondran’ny Governemanta olom-boatendry ny raharaham-pirenena izao.
Ny fandaminana ara-penitra ny ambaratongan’ny MFM anatin’ny faritra
Mitana hatrany ny finiavany hanainga ny fampandrosoana avy amin’ny Faritra (Région) ny MFM Ivon’Imerina. Ain-dehibe amin’izany ny famatsiam-bola. Koa manainga ny mpikambana ny MFM Ivon’Imerina handray andraikitra hampiadihevitra sy henetsiketsika ny vahoaka momba ny fitondrana ny Firenena sy ny faritra.
Nifametrahan’ny mpivory ny toro-marika hanatsarana ny fenitra andaminana ny MFM momba ny mpikambana, ny vondrona MFM isaky ny fivondronana, ny faritra MFM ary koa ny vovonana.
Tati-baovao
Ny MFM anatrehan’ny fomba fitondrana ankehitriny
Antananarivo, 2 marsa 2004
MFM Faritra Ivon’Imerina
Ny Mpiandraikitra

Jean Constant Raveloson

05/03/2004