MFM sy ny fiainam-pirenena

Ravalomanana sy Ratsiraka no olana

      Tsy hialangalana manoloana ny fiainam-pirenena diavintsika izao izahay MFM, satria misy olana mila vahana haingana eto amin'ny firenena ka izay no ahitana anay manao sonia ilay dina Politika ary miatrika ihany koa ny fandinihana ny hanaovana fanitsiana ilay lalàm-pifidianana izay karakarain'ny KMF CNOE, hoy ingahy Rahariniriana Jaques Aiméomaly raha nisolo tena ny filoha nasionalin'ity antoko Mfm ity teny amin'ny Motel Anosy.
    Tsy azo havela hisavoritaka toy izao ny fanaovana Politika eto amintsika. Tsy avelantsika hialokaloka any ivelany ireo mpanao politika tratry ny fifanolanana vokatry ny fifidianana tamin'ny taona 2002 ireny, koa ankehitriny dia resy lahatra ny MFM fa tsy maintsy haravona haingana ny disadisa rehetra, fa lasa mampihemotra antsika ny toetra ratsy mifampiziriziry amin'izao.
    Raha ny fifanolanana misy eto dia nanambara ity solon-tenan'ny filohan'ny antoko MFM ity fa efa lasa raharahan'ny firenena mikambana ny zava-misy eto ka raha mahay mifandamina isika dia ho tanteraka ny fanirihan'ny gasy, koa raha tsy hendry ny mpanao politika dia mbola hisy ady eto.
    Ny fifanantonan'i Ratsiraka sy Ravalomanana no antoka hamahana izao olana mavesatra izao, ka eo no mipetraka ny olana satria hanaiky izany ve izy ireo ? Ny Mfm dia ao anatin'ny « mouvence » fa tsy firaisan-kinam-pirenena, ary tsy nisalasala nilaza fa tsy hisy intsony ny 1er tour de vita amin'ity fifidianana ity. Raha nanambara ny heviny izy ireo fa mety hananana kandida tokana aorian'ity antsoina hoe dina Politika ny antoko mpanohitra mbola ho sarotra io hoy ny MFM. Midika izany fa mandritra ny fihodinana faharoa vao mety hifanatona ny mpifaninana amin'ingahy Ravalo hoy ihany ingahy Jaqes Aime namarana ny heviny.

Naivo kely

Madagascar tribune 27/04/06