MFM  - Tsy mila rà mandriaka ny fanovana

      Tsy ilaina ny rà mandriaka, ary io no ilaina fitandremana matotra amin’ny fanaovana politika mba hisian’ny fifandimbiasam-pahefana ao anatin’ny fitondrana tsy harahin-dromoromo.
    Io no anisan'ny hevi-dehibe nambaran'Ingahy Rakotovazaha Olivier omaly tao amin'ny Radio Aceem. Efa taona maro no nitakian'ity antoko MFM ity izany, kanefa mbola tsy tanteraka izany hatramin'izao vanin'andro izao. Manana ny traikefany ny antoko MFM amin'ny fitsikerana ny fanjakana izay tsy mahomby hatramin'izay, kanefa kosa mbola tsy nandrombaka fahefana. Maro ny Kotity amin'izao fotoana, na teo amin'ny fitondrana teo aloha na ny amin'izao fotoana izao, satria samy nanao heloka ka izay no hitakian'ny antoko MFM ny fampihavanam-pirenena.
    Tsara ny milaza fa ny taona 2001 ity antoko ity no efa nangataka ny fikaonan-doham-pirenena ary ny hirosoana amin'ny rafitra teteza-mita, kanefa toa natao anjorom-bala ny fitakiana tamin'izany. Tsy afam-po amin'ny fomba hitondran'ny fanjakana firenena amin'izao ry zareo MFM ka hilaina ny fikaonan-doham-pirenena, hialana amin'ny ra mandriaka eto amintsika. Ireo raha fehezina amin'ny teny tsotra ny hevitry ny mpikambana ao amin'ny antoko MFM, ka azo antoka ve fa ho raisin'ny filoham-pirenena ny hevitry ny birao politika, satria ny filohan'ity antoko ity anie ka mpanolon-tsainan'ny filoha Ravalomanana e.

 Penjy R

madagascar tribune 10/10/05