MFM-Adim-poko : Atokana ny extremista ambaniandro sy tanindrana vao mamaha olana
29-12-2005 / 09:48
Misoko mangina ny ezaky ny mpanao pôlitika sasantsasany te-hampiditra adim-poko, taorian’ny fampiasan-kery nataona andian’olona teny amin’ny kianjan’ny 13 mey.

Ankoatry ny fampahalalam-baovao namoaka saika isan’andro ny sarin’ireo nidaroka dia fantatra tamin’ny alalan’ny gazety mpiseho isan’andro iray indray, omaly ny anaran’ireo olobe tao ambadik’izany. Ny nidaroka aloha dia mazava fa porofoin’ny sariny izay nahavita izany ary tsy azo iadian-kevitra inyIreo olobe tao ambadika kosa na dia mbola tsy nisy porofo nanamafisana azy die efa nivoaka an-gazety aloha ny anarany ka samy manana izay andraisany izany ny mpamaky.

Anjaran’ny fanjakana !
Heverina fa dieny mbola tsy lasa lavitra ny disadisa dia fotoana tokony hamahana olana izao mba tsy ho tara! loatra. Miombon-kevitra amin’izany ny MFM, tamin’ny alalan’ny Filoha nasiônaliny ary nanamarika fa mialohan’ny hamahana olana dia tokony hatokana aloha ny extremista ambaniandro andaniny sy ny extremista tanindrana ankilany. Aorian’izay dia tanterahina isaky ny faritany ny famoriam-bahoaka, hamoahan’ny tsirairay ny heviny ary tsy voatery eny amin’ny 13 mey no hatao. Ny fanjakana no nandrara ny fitokonana ary izy ihany koa no tokony hitarika ary manaraka ho azy ny kaominina, hoy Ing Manandafy Rakotonirina.

http://www.wanadoo.mg/factu.php?articleId=243034