NARODAN’NY ZAZA MPANAO BE ANDIANY

RALAY

 

Narodan’ny Zaza mpanao be andiany

Ilay hery nandrotika niainy

"Montsana" rava ny maro mahantra

Ny zioga natao ho zakainy

Haika sy sandry misandratra hiady

Miraona tsy mety mangina

Topazana atsy tazanin’eroa

Nitsimoka ilay fitovoiana

Nivava ny manda ny Lapan’ny Jadona

Haolo mivonto Horororo

Ny vava tafondro mitankina moana

Nitresaka sy torotoro

Lala-kosilatra mangorom-potsy

Milositra sahotakotaka

Tongotra an-katoka ireo voky rà

Ialany ialany fa rotaka

Izao ny madinika ho tompon’ny laka

Hitantana izay nifoforany

Andro miposaka ho onitry ny alina

« Nde’ ren’ » ilay nifatorany 

Tafika vita mandroso mandresy

Manjaka ny fetra ho tratrarina

Olo-fehezina ny avo saranga

« raha toa ka miditra amparina »

Izao ny madinika ho tompon’ny laka

Tsy mila manasin’Andriana

Izao ny mpanompo handidy hibaiko

Hatreo ny olo-manga obiana

Izao ny Andevo hisavi-tsaranga

Fanevan’ny be MENA ATRAKA

Sisa hikopaka an-dapa tanànan’ny

Ngeza mpilaza azy ho katraka

NDAO LAHY ! ! ! ! !