Olivier Rakotovazaha: Faty olona sy fatiantoka raha toa ...!

Nanorina ny KMSB tamin地y 2002, birao politikan地y antoko Mfm, ary isan地y mpandrindra ao anivon段lay donakafom-pirenena mandinika manolana ny fandrafetana l瀝am-pifidianana vaovao amin段zao fotoana izao ingahy Olivier Rakotovazaha.

Sehatra ara-dal瀟a natsangana eo anivon地y Cslcc ity donakafo ity izay ahitana antoko 22.
Miady mafy ny amin地y hanovana na farafaharatsiny hanitsiana ny lal瀘-pifidianana ankehitriny ny tenany, satria io no niteraka fifandonana sy korontana teto amin段ty firenena ity. Koa tsy hiverenan地y tantara nahatsiravina teto, araka ny resaka izay nataony tamin地y faran地y herinandro teo ary tsy hiverenan地y Dakar I sy Dakar II dia tsy maintsy hirosoana ny fanovana ny lal瀘-pifidianana.
Nampiasain地y mpitondra hiarovana ny tombontsoany hatrany mantsy, hoy izy, io lal瀟a misy amin段zao io, ary azo amerezana ihany koa an段reo kandid izay atahoran地y fanjakana. Porofon段zany ny kandidan地y Mfm tamin地y fifidianana ben地y tan瀟a tany Antanifotsy fahizany, izay tsy noraisin地y lehiben地y distrika tany an-toerana ny taratasy filatsahany hofidiana kanefa dia nivalona fotsiny tamin段zao, ary tsy nisy sazy kely akory nampilanjaina ny olona nanao fahadisoana tahaka izany.
Tsy misy dikany ity ady amin地y kolikoly dradraina lava ity raha mbola hanjakan地y hala-bato ary tsy misy mpifaninana mangala-bato raha tsy mpitondra fanjakana; izy rahateo no manana ny fahefana rehetra hanaovana izany. Matoa mangala-bato dia te hamerina ny vola laniny nandritra ny fampielezan-kevitra. Dikan段zay vonona ny hanao kolikoly izay mpangalatra vatom-pifidianana hoy ingahy Rakotovazaha. Nohararaotiny moa izany nitenenana fa tsy maharesy lahatra ny tenany loatra ny filazana fa 10 tapitrisa dlara monja ny vola manjavona noho ny kolikoly. Kely izany hoy izy, ary tsy ampahafirin地y harinkarena eto amintsika akory. Noho izany dia nambarany tsy nihambahamba fa misy olom-baventy tsy mbola sahy nokitihina tao.
Raha apetraka ary ny lal瀘-pifidianana vaovao dia nosoritany fa zava-dehibe ny tokony hanomezana fahaleovantena ny CNE (filankevi-pirenena momba ny fifidianana), ampitomboina ny fahefany, ary tokony hipetraka amin段zay ny fahafahana manafay sy manasazy an段reo mandika lal瀟a sy mangala-bato. Raha ireo teboka ireo fotsiny no tanteraka dia efa dingana goavana no vitsatsika, hoy ihany izy. Ny tsy fananan段reo mpampiasa vola fahazotoana hanangana orin誕sa eto mantsy, araka ny teniny, dia noho ny risika plitika. Ary ity risika ara-politika ity dia tsy avy aiza fa nateraky ny fifidianana hatrany. Nomarihiny fa ingahy James Bond mihitsy no nitondra izany fanehoan-kevitra izany.
Hentitra dia hentitra ary ity birao plitikan地y Mfm ity raha nilaza fa hiteraka faty olona sy fatiantoka lehibe eto amin地y firenena ny fiziriziriana tsy hikitika ny lal瀘-pifidianana. Tsy hisy hahazo tombontsoa amin段zany anefa na iza na iza. Nambarany mazava koa fa raha ny heviny manokana no alaina dia tokony ho amin地y volana desambra amin段ty taona ity no hanatanterahana ny fifidianana, saingy matoa mitranga ny daty hafa dia mety ho noho ny fisalasalana naterak段lay fianianana anankiroa no mahatonga izany.


Ismal R.

La r馘action  Gdi  27-02-2006