Olivier Rakotovazaha : « Tsy mifanitsy amin'ny ezaky ny Filoha ny asan'ny Governemanta »
19-09-2005 / 08:53
Nahazoana fanakianana betsaka avy amin'ny mpanohitra ary kianin'izy ireo ho miteraka fandaniana goavana eo amin'ny famoaham-bolam-panjakana, indrindra taorian'ny nampihenana ny teti-bolan'ny minisitera tsirairay, ny fivezivezen'ny Filoham-pirenena any ivelany any. Tsy mahagaga, hoy ihany ny mpanohitra, raha miha mahazo faka hatrany ny fahantram-bahoaka satria tsy ataon'ny fanjakana laharam-pahamehana ny fanamaivanana ny sondro-bidin'ny fiainana fa alefa any amin'ny fandaniana hafa ny vola.

Manana fomba fijery hafa noho izany ny KMSB. Araka ny fanazavana nomen'ny mpitarika io fikambanana io, Ing.Olivier Rakotovazaha, dia misy tombontsoa lehibe ny fampahafantaran'ny Filoha an'i Madagasikara any
ivelany any satria raha tsy dia fantatr'olona isika teo aloha dia tsy izany intsony ny zava-misy ankehitriny. Ny somary manahirana, hoy Ing. Olivier Rakotovazaha, dia tsy mifanitsy amin'izay ezaka ataon'ny Filohan'ny Repoblika izay ny asan'ny Governemanta, amin'ny ankapobeny. Mametra-panontaniana moa io mpanao pôlitika io ny amin'ny hoe: inona no asan'ny Governemanta nanararaotra izay fampahafantaran'ny Filoha an'i Madagasikara any ivelany any izay ?

Ohatra mivaingana !
Noraisiny ohatra tamin'izany ny sehatry ny fizahantany ka nilazany fa amin'izao fotoana izo dia mbola
manodidina ny 200 000 ka hatramin'ny 300 000 isan-taona eo ho eo hatrany ny mpizahatany voasarika
eto amintsika, nefa ny tany kely toa an'i Maorisy aza mahasintona vahiny 600.000 ka hatramin'ny 1 tapitrisa
eo ho eo isan-taona. Ekena, hoy izy, fa efa misy ny ezaka, saingy mbola tokony hahavita tsaratsara kokoa.
Mifandraika amin'ny sehatry ny fizahantany ihany, manana andraikitra lehibe ao anatin'izany ihany koa,
hoy ny Minisitry ny Fitaterana teo aloha, ny sehatry ny fitaterana an-tanety, an'habakabaka, ny trano
fandraisam-bahiny, ka tokony ho anjaran'ny Governemanta ny mandrindra ny asan'ireo sehatra reo.
Ohatra hafa nanamarinany ny fanakianany, ny sehatry ny fampiasam-bola mivantana. Tsy ampy, hoy ihany io
teknisianina io, ny fisarihana mpamatsy vola avy any ivelany ary mbola tsy tratrantsika ny salanisa
mialohan'ny krizy 2002. Nomarihiny fa antony maro no miteraka izany, raha tsy hitanisa afa-tsy ny tsy
fahatomombanan'ny lalàna, na raha misy ny lalàna dia mbola tsy misy didy fampiharana, ny tsy fisian'ny
mangarahara, ny tsy fisian'ny fandriampahalemana......

Manoloana ny fidiran'i Madagasikara eo anivon'ny C.O.I sy ny SADC, dia kianiny ho tsy mitady ny fomba
hampandraisana anjara ny mpandraharaha ny Governemanta. Ny mifanohitra amin'izany aza no misy,
hoy izy, satria mahatsiaro ho atao an-jorom-bala ny mpandraharaha Mmalagasy. Porofon'izany, hoy io mpahay toe-karena io, ny fampiakaran'ny fanjakana ny "taux d'intérêt"-n'ny BTA ho 24%, miohatra amin'ny an'ny PME ( manodidina ny 17 %). Mazava, hoy izy, fa tarihina hampindrana ny volany amin'ny fanjakana ny
mpandraharaha. Koa heveriny fa tokony hifanitsy amin'ny ezaka ataon'ny Filoha ny asan'ny Governemanta.

http://www.wanadoo.mg/factu.php?sectionId=154