Pety Rakotoniaina : « Tsy mpikaraman’adin-dRavalomanana aho »

Tamin’ny faha 18 ny volana may teo no tonga nametraka ny fikambanana
 
« Tambatr’i Madagasikara » tany amin’ny renivohitry ny distrikan’Ambatofinanadrahana i Pety Rakotoniaina, izay filoha nasionalin’ity fikambanana ity.

 Nahavory olona marobe tokoa izy tamin’izany fotoana izany, satria dia manodidina ny 2 000 eo ho eo no ireo tonga nanatrika azy.
Mbola azo lazaina aza fa tokony ho maro noho izany ny vahoaka tokony ho tonga tamin’ity fananganana ity fikambanana ity raha tsy nisy ny sakantsakana sy ny tetika maro nataon’ny mpitondra fanjakana any Amoron’i Mania sy ny olom-boafidin’ny Tim, izay mitondra amin’izao fotoana izao, mba tsy hahatanteraka ny fivoriana.
Tsy nomena toerana hivoriana tao Ambatofinandrahana aloha ingahy Pety, satria hono tsy azo anaovana fivoriana pôlitika ny toerana an’ny fanjakana toa ny tranom-pokonolona, ny toerana filalaovana baolina, ary ny tsena sy ny toerana malalaka hafa. Ny dikan’izany dia tsy misy ny toerana izay azo anaovana fivoriana amin’ny distrika toa itony. Tany amin’ny sekoly tsy miankina indray no noheverina fa hanaovana izany nefa toa efa nahazo fampitandremana mialoha koa ireo sekoly ireo mba tsy handray azy, io fotoana io moa andro fianarana rahateo koa dia mora hoan’ireo sekoly ireo no nanda ny fangatahana.
Efa saika tsy raikitra ny fivoriana nataon’i Pety Rakotoniaina raha tsy nisy ny toerana iray izay kianja manokana an’ ny mpikarakara tanora ao an-toerana. Hita nanaraka ny fihetsiketsehana koa moa ny lehiben’ny Faritra Amoron’i Mania izay, nihaodihaody tao amin’iny faritra iny nandritra ny fanomanan’ny Tambatra ity fihaonana ity.
Araka ny voalaza koa, hoy ireo mpikambana ao Ambondromisotra, izay nametran’ny fikambanana tany an-toerana, dia nahazo fandrahonana ihany koa ny ben’ny tanàna sy ny mpikarakara tany an-toerana raha manantanteraka ny fivoriana. Tsy nahasakana ny fihaonana anefa izany fa vao mainka toa nahabetsaka ny olona ho tonga, namaly ny antso.
Tamin’izany famoriam-bahoaka izany indrindra àry no nilazan’i Pety fa tsy mpikaraman’adin-dRavalomanana mihitsy ny tenany. “Raha olony ve aho dia ho sakanany toa izao ny fivoriana izay ataoko?”, hoy ihany izy nanohy ny teniny.
Nitsikera mafy ny zava-misy ankehitriny izy ary nanameloka an-dRavalomanana izay nilaza fa nanao fototra kanefa dia izao fahantrana be izao no mahazo ny firenena.. “Na  izaho aza dia nofitahany tamin’ny hoe homena ny “helicoptère” hoentina hanenjehana dahalo, nefa rehefa tonga tamin’ny toerana izy dia tsy nisy izany.” Tany Ambondromisotra aza izy dia nilaza mihitsy fa fandrika ny nanagadraina ny solombavambahoaka Haja izany, izay olona isan’ny niady mafy ihany koa teo amin’ny fametrahana azy teo amin’ny toerana. Raha mikasika ny raharaha pôlitika misy amin’zao fotoana irao dia nilaza koa i Pety Rakotoniaina fa hisy ady eto raha tsy milamina ny olana mikasika ny fifidianana io. Ary na inona na inona no hitranga dia tsy hisy intsony ny “premier tour dia vita”. “Koa raha sanatria misy ny hala-bato dia mitandrema ianareo Tim io fa hisy ady eto, ary  ho tompon’andraikitra amin’izany ianareo”, hoy ihany ity filohan’ny Tambatra. Tokony hojerena koa ny momba ireo sesi-tany any ivelany sy ireo gadra pôlitika fa tsy mety izao.
 
Ary dia nilaza koa Rakotoniaina Pety fa tsy tokony hitantana ny fifidianana ny ministeran’ny ati-tany. Raha nanontaniana ny mety hilatsahany izy dia nilaza fa mbola tsy fotoanany izao.

Jesy Belaolao

 Gdi 26-05-2006