Pety Rakotoniaina : Mitaky hatrany ny famoriana ny hery velona

Mandray anjara amin地y fikaonandoha momba ny fiaraha-miasan地y vondrom-paritra itsinjaram-pahefana (assises de la coop駻ation decentralis馥) atao eny amin地y Lapan段 Mavoloha hatramin地y omaly, ny Ben地y tan瀟a ao Fianarantsoa, Pety Rakotoniaina. Nohararaotin地y mpanao gazety ny nanontany ny heviny momba ny toe-draharaha ankapobeny ankehitriny. Momba ny raharaha nanonganana an段 Lahiniriko tsy ho filohan地y Antenimierampirenena intsony aloha dia nilaza i Pety Rakotoniaina fa 鍍sy gaga amin段reny aho, ary tsy zendana raha noesorin地y Filoha izy. Ny antony tsy mampahagaga ahy, hoy ny lehilahy, dia efa nampoiziko hatry ny ela iny tranga iny satria ny fitondrana Ravalomanana dia tsy mivaky loha na amin段za na amin段za rehefa ny tombontsoany no tadiaviny. Ny tenako, hoy ity Ben地y Tan瀟a ao andrenivohitr段 Betsileo ity, dia afaka manambara fa namono tena, nanolotra ny aiko, ary namoy zavatra maro ho fampiakarana an-dRavalomanana amin地y toerany, nefa dia tsy nampaninona azy ny nanaisotra ahy tamin地y toerana maha-filohan地y Delegasiona Manokan地y Faritany ahy tany Fianarantsoa. Raha nalana i Lahiniriko dia tsy gaga aho, hoy ihany izy. Momba ny fifidianana filohampirenena ho avy kosa dia notsindrian段 Pety Rakotoniaina ihany ny fitakiana efa nambarany teo aloha, dia ny tokony hamorian地y Filohampirenena ny Hery Velon地y Firenena rehetra mba hifampiresaka sy hifanaraka amin地y zavatra hitantanana ny raharaham-panjakana. Raha ny tokony ho izy, araka ny teniny dia mba nivoaka tao anatin段o fivorian地y Hery Velona io ny fifanarahana momba ny andro na daty hanatanterahana ny fifidianana, ka na any aorian地y faha-6 may 2007 aza vao hatao izany, rehefa izay no tapaka dia azo ifampifehezana. Toraka izany koa ny lafin-javatra hafa, toy ny fikarakarana sy fandaminana ny fifidianana. Raha iadian-kevitra sy itadiavana ny tombontsoam-pirenena sy mba hisorohana ny disadisa mety hiseho na ny ahiahy mety hitranga, hoy izy, no tarigetra dia tsara raha ao anatin地y fivorian地y Hery velona koa no amaritana ny hoe 殿nkinina amin段za ny fitantanana sy ny fikarakarana ny fifidianana, manomboka amin地y fandrafetana ny lisitry ny mpifidy ka hatramin地y fahatongavan地y voka-pifidianana any amin地y Hcc. Ho an段ty Ben地y tan瀟a ao Fianarantsoa renivohitra ity dia tokony hijery ny fepetra efa noraisin地y firenena afrikana sasany ka nampihariny ihany isika, izay hita ny fahombiazany, dia ny fampiankinana ny fikarakarana sy ny fitantanana ny fifidianana amin地y rafitra mahaleotena manokana (autorit independante 駘馗torale). Tokony ho ny fivorian地y hery velona ihany koa no mamaritra sy mamepetra ny momba izany.
Ny tanjona mantsy, hoy izy, dia tsy ny hoe fahavitan地y fifidianana fotsiny fa ny mba  hisian地y fitsipika hifanarahan地y rehetra ka ahafahana mifampifehy indrindra koa.

Ralay  

Gdi 12-05-2006