Pety Rakotoniaina : « Zava-dehibe ny fitsinjaram-pahefana tena izy »

Avy nanatrika ny Fihaonambe Iraisampirenena fahadimy eo amin’ny fiombonan’ny tanàn-dehibe miatrika ny ady amin’ny fahantrana, izay notanterahina tany Valence Espana ny 29 sy 30 ary 31 martsa teo  ny Ben’ny Tanànan’i Fianarantsoa Renivohitra, Pety Rakotoniaina. Ny tanjon’ny taona arivo fahatelo izay mikendry ny handresena ny fahantrana, hoy izy, no niompanan’ny fihaonana tany.
Araka ny heviny dia ilaina ny fihaonana toa ireny satria nahafahana nifanatona sy nifanakalo hevitra ary nifampizara ny zava-misy avy amin’ny firenena na  faritra niaviany avy. Nisy, hoy izy, ny tompon’andraikitra sy mpandray anjara tafaresaka taminy ka samy naneho ny fahavononany hanohizana ny fiaraha-miasa taorian’iny fihaonambe iny.
Ho an’ity Ben’ny tanàna ao andrenivohitr’i Betsileo ity dia fepetra tsy azo odian-tsy hita na hamaivanina ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy (décentralisation effective) raha tiana ny handresy ny fahantrana. Zava-dehibe tsy maintsy andraisana fepetra io fa tsy azo atao faralahin-draharaha, araka ny teniny. Mira zotra ary tsy afa-misaraka amin’ny fampanajana ny demôkrasia izany fitsinjaram-pahefana izany, hoy ihany ny filohan’ny Tambatra.
Etsy an-kilany, dia nambarany koa fa « maro ny famatsiam-bola tonga eto saingy tsara kokoa ary azo antoka fa hahitam-bokatsoa kokoa ho an’ny fiaraha-monina izy ireny raha alefan’ny mpamatsy vola mivantana any amin’ny vondrom-bahoakam-paritra (collectivité) na any amin’ireny fikambanana mpiandraikitra raharaham-piaraha-monina (communauté) isan-karazany ireny ».
Isan’ny notsipihin’i Pety Rakotoniaina koa ka tokony hokatsahina ny fanondrotana ny vola miditra amin’ny isan-tokantrano. Mety ho lalana hahato an’izany, hoy izy, ny fahafahan’ny olom-pirenena misitraka an’ireny famatsiam-bola madinika (micro-crédit) ireny.

Mety hisy hilaza, hoy ihany izy, fa efa misy izany amin’izao fotoana, amin’ny alalan’ireny sehatra toy ny Cecam ireny. Marina izany, saingy henjana loatra ny fepetra takiany ka tsy mahavaha olana , hoy ihany ity Ben’ny Tanànan’i Fianarantsoa ity.

Fantatra moa fa hamory ny hery velona rehetra ao amin’ny faritra iadidiany ity Ben’ny tanàna ity ato ho ato mba hijerena izay fomba hampivainganana izany hevitra nosoritany izany sy handinihana koa ny tohin’ny fihaonambe nandraisany anjara tany Espana.

Ralay   

gdi 05-04-2006