Pety Rakotoniaina: Mitaky ny Filohampirenena hamory ny hery velona rehetra

Nandritra ny lanonam-pananganana ara-pomba ôfisialy ny Biraon’ny Tambatra tany amin’ny Faritr’i Diana tao amin’ny Lapan’ny Tanànan’Antsiranana renivohitra tamin’ny sabotsy lasa teo, no nanambaran’ny Filohan’ny Tambatra, Pety Rakotoniaina fa « raha misy marina ny fitiavan’ny Filoha Ravalomanana ny firenena malagasy, ary raha misy marina ny tena fijoroany amin’ny maha-krisriana azy dia ny famoriana ny hery velona rehetra eto amin’ny tany sy ny firenena no fahamendrehana sy tena porofo isehoan’izany amin’izao fotoana ». Ho an’i Pety Rakotoniaina dia io fivorian’ny hery velona io no hijery sy hanadihady ary hitrandraka ny olana sy ny lesoka rehetra teto ka nampisy ny ady teo amin’ny raharaham-pifidianana .
Ny fehin-kevitra havoakan’io fivorian’ny hery velona io, hoy ihany ity Ben’ny Tanànan’i Fianarantsoa ity, no ho fifanaraham-pirenena (convention nationale) amin’ny resaka fifidianana, ka hatolotra ny Antenimiera roa tonta mpanao lalàna mba homena hasina sy lanja toy ny lalàna rehetra mba hifampifehezana amin’ny fifidianana ho avy.
Tsy hiteraka vokatsoa ho an’ny firenena mihitsy mantsy ny valifaty amin’ny resaka fanehoan-kevitra pôlitika, hoy i Pety Rakotoniaina, ary tsy hisy koa fampandrosoam-pirenena ho hita taratra eto raha sanatria ka miverina ny trangan-javatra tamin’ny taona 2002.
Notsorin’ity Filohan’ny Tambatra anefa fa miankina amin’ny risi-po sy ny finiavan’ny fitondrana sy ny mpanohitra izany.
Isan’ny ventin-kevitra navoitran’i Pety Rakotoniaina tany Antsiranana koa, tamin’io sabotsy io ny fisian’ny elanelana eo amin’ny faritra maro eto amin’ny Nosy. Ny anton’izany, hoy izy, dia ny fivangongoan’ny fahefana eo ampelan-tanan’olon-tokana. Noho izany, araka ny heviny, raha te hampandroso sy hanarina ny firenentsika marina isika, dia ny mametraka ny tena fitsinjaram-pahefana no antok’izany.
Tsy misy afa-tsy ny fandraisana an-tanana ny fampandrosoana no hahitana vokatra azo antoka amin’izany, ka maika ny fametrahana ny tena fitsinjaram-pahefana , hoy izy.
Etsy an-kilany, mifamatotra amin’izay ihany, saingy fepetra hahafahan’ny olom-pirenena sy ny mpandraharaha amin’ny sehatra tsy miankina miditra eo amin’ny tontolon’ ny fampiasam-bola, ary mitarika ny fipoiran’ny mpandraharaha isam-paritra, hoy ity Ben’ny Tanànan’i Fianarantsoa , dia tsara ny fametrahana fepetra tsy hidiran’ny olona mitana fahefam-panjakana amin’ny raharaham-pihariana. Tsy mety mihitsy fa efa hita porofo sy niaraha-niaina tamin’izao fitondrana ankehitriny izao, ny olona mitana fahefam-panjakana ambony, nefa manao asa fandraharahana.
Lasa ny fanomezana vahana sy tombondahiny ny seha-pandraharahany no mahamaika sy laharam-pahamehana ho an’ilay olom-panjakana, araka ny nambarany.

Ralay

Gdi 03-03-2006