Raharaha Lycée Raherivelo Ramamonjy


Tafaverina aty Fianarantsoa ireo nalefa tany Tsiafahy

Anisan'ny raharaha iray nanavesatra ny rivotra pôlitika teto Fianarantsoa hatramin'ny fiafaran'ny taona 2003 ka mandraka ankehitriny ny disadisa nisy tao amin'ny Lycée Raherivelo Ramamonjy izay noho ny fanoloana tomponandraikitra tampotampoka sy tsy nazava ka niteraka savorovoro. Nisy mihitsy moa ny fifandonana teo amin'ny ireo tsy nankasitraka izany sy ny mpitandro ny filaminana tamin'ny 16 febroary 2004 sy ny fahasimban-javatra teny amin'ny Biraon'ny Talen'ny fampianarana teny Mahamanina ny ampitson'io koa dia nisy ny fisamborana nanomboka hatreo.
Raha hotsiahivina aza dia mpitandro ny filaminana avy any Antananarivo izay nisy misaron-tava no nameno ny Renivohitr'i Betsileo tamin'izany nanaovana ny fisamborana izany. Ary tamin'ireo olona nosamborina, izay nahitana mpanolo-tsaina ny tanàna sy mpampianatra avy ao amin'ny lycée Raherivelo Ramamonjy sy ingahy François Randriamanankoavy mpanao gazetin'ny Radio Sava ary koa olona vitsivitsy hafa, dia nisy enin-dahy tamin'ireo nalefa tany Tsiafahy tamin'izany fotoana izany fa ny sasany notazonina teto Fianarantsoa ihany. Hatramin'izao anefa dia mbola tsy nisy ny fitsarana, na ny famoahana azy ireo madiodio fa dia tany am-ponja tany izy rehetra. Tsy hadino anefa ny momba azy fa dia voaresaka hatrany isaka ny misy fivoriam-bahoaka. Eny fa na tamin'ireny nandalovan'ny Filoha Marc Ravalomanana taty Fianarantsoa vao tsy ela ireny aza. Dia tahaka izany koa tamin'ny fandalovan'Atoa Manandafy Rakotonirina nanatrika ny Filankevitry ny Vondrona M.F.M tamin'ny sabotsy 10 jolay teo ireny. Tamin'izany no nilaza Atoa Manandafy fa hisy fijerena amin'izay ny momba an'ireny olona ireny izay marihina fa ny Tambatr'i Fianarantsoa daholo no fikambanana misy azy ireo. Koa dia heverina fa ao anatin'izany ho fanafainganana amin'izay ny fandinihana ny momba azy ireo izany ny fiverenan'ireo izay tany Tsiafahy tamin'ny alin'ny alakamisy mifoha zoma 16 jolay izao.
Raha ny heno moa dia efa eo am-pikarakarana ny ho fiarovana ny mpisolovava azy ireo. Ny lehiben'ny fampanoavana kao moa vao voatendry vao tsy ela ka dia antenaina fa ho voavaha ato ho ato ity raharaha iray nanorisory ny sain'ny mponina ity.

H.R.

Gdi 17/07/04