Hevitra: Rakamisilahy Martial

«Malaza tsy hinanana toy ny vilian-tsahona ny Demokrasia eto Madagasikara»

      "Voninahitra ho ahy ny ahazoako misarika ny sainareo mpanao gazety amin'ny zavatra nahazo ahy tamin'ny fifidianana Ben'ny Tanàna tao Manakara tamin'ny 23 Novambra lasa teo.
    Olona nametraka ny Filoham-pirenena ankehitriny teo amin'io toerany io ny tenako, ary isan'ireo anjara biriky izay nandraisako anjara tamin'iny korontana tamin'ny taona 2002 iny ny "mission" izay nampanaovin'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena ahy, dia ny famatsiana solika an'Antananarivo sy Fianarantsoa, noho ny "barrage" maro tamin'ireny fotoana ireny, ary dia ireto ny taratasy fisaorana tamin'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena sy ny Filohan'ny Delagasiona Manokan'ny Faritanin'i Fianarantsoa tamin'izany fotoana izany.
    Tsy mba nisy anefa ny sitraka azo tamin'ny Fanjakana Foibe, nefa dia fantatry ny Filoham-pirenena tsara aho, ary anisan'ny nandray ny Praiminisitra Jacques Sylla voalohany tany Manakara ny tenako, na dia nanahirana aza ny fitandroana ny fandriam-pahalemana tany Manakara tamin'ireny fotoana navaivay ireny

Voasokajy ho toy ny tahom-boanjo ny tenanay

    1/ Nofidina ho solombavam-bahoaka aho. Na dia samy nahazo vato nanodidina ny 5000 ny MFM izay nanolotra ahy, sy ny kandidan'ny TIM, dia nomena ny TIM ny toerana na dia nandresy aza aho. Hanamarinana ny toeran'ny Filoha eo imason'izao tontolo izao hono izany, ka dia nandefitra ny tenako.
    2/ Tonga indray ity ny fifidianana Ben'ny Tanàna. Resiko tamin'ny isa mazava ny TIM izay nahazo vato 1520, raha 1573 no azoko. Tsy nekena ny fandreseko fa natao mitovy, dia hoe haverina ny fifidianana.
    3/ Natao indray ny fifidianana izay hitantana vonjimaika ny tanànan'i Manakara, dia ny fifidianana nataon'ireo Mpanolon-tsain'ny Tanàna, izay nifampifidianan'izy ireo ny olona telo ho mpikambana ao amin'ny Delegasiona manokana, araka ny baiko avy amin'ny Minisiteran'ny Atitany. Mbola lasan'ny ekipako indray ireo toerana telo.
    Tsy ekena indray izany ankehitriny, fa dia ho tendrena ny olona hapetraka eo, satria izahay no nahazo ny toerana. Izany no mahazo ny tenako sy ireo mpomba ahy amin'izao fitondram-pajakana izao.
    Nahatsiaro ho voadona ny olona nifidy anay, ka nandefa taratasy fitarainana vita sonia voamarina (signatures légalisées) miaraka amin'ny kara-pifidianana miisa dimampolo sy roanjato sy efatra arivo (4250) izay mifanandrify amin'ireo sonia etsy ambony, ho fanoherana ny fanapaha-kevitry ny Fanjakana amin'ny famerenana ny fifidianana . Mahatsiaro fa tena voahitsakitsaka ny zonay eto Manakara, voagadra tsy mahazo miaina ao anatin'ny demokrasia ; ny an'ny hafa tsy maty ny vato, ka nahoana ny anay irery no maty ?

Tampina ny daomy ho anay eto Manakara. Ny olona efa manomboka miasa, fa izahay dia mifandrirarira eto, ka miantso anareo rehetra izay mahay mampitaha zavatra.
    Miantso vonjy aminareo izahay, fa tsy handefitra manana ny fandresena intsony, ary matoky ny fahatsiarovan-tenan'ny tompon'andraikitra".

Madagascar tribune 30/01/04 - Martial Rakamisilahy